Toko faha 3

1 "Ingo, fa ba handefa gny irako Zaho, dra izy dra hagnoma gny lalan'eo anoloako. Ko dra ho avy tapoky ao aminigny tepoliny gny Topo ze taliavindrareo. Gny iraky gny fagneke ze hakasitrahandrareo, Ingo, ho avy izy," hoy Yaveh toponigny maro. 2 Fa iza moa gny hahavita hiarisy gny andro hahaviany? Iza gny hahavita hizoro gny fa hiseho Izy? Fa Izy dra hanahaky gny afonigny pandredriky vo savony fanasan-damba. 3 Hitoby manahaky gny pandredriky vo pandio volafosy Izy, dra hagnalio reo zanadahin'i Levy. Handrendriky anereo manahaky gny volamena vo volafosy Izy, dra hinday fagnatisy gny fahamarigna ho an'i Yaveh ereo. 4 Dra gny fagnatis'i Joda vo i Jerosalema dra hakasitrahan'i Yaveh, manahaky gny andro faela, vo manahaky gny tao taloha. 5 Dra ho avy zaho hisara andrareo. Vetivety Zaho dra ho avy vavolombelo hanohisy reo pisikily, pizangazanga, vavolombelo sandoky, dra hanohisy ze mapahory gny piasa aminigny karamany, reo ze mapizaly gny pitondrategna vo reo kamboty, hanohisy ze nanda gny vahiny, dra hanohisy reo ze sy magnome voninahisy Anahy," Hoy Yaveh toponigny maro. 6 "Fa Zaho, Yaveh, dra bo sy niova; noho zay handrareo, ry zanadahin'i jakoba, dra sy ho trasy farany. 7 Hatraminigny andron'ireo razambenao dra nanda gny didiko handrareo dra sy nitnandrin'anizay. Miheregna aminahy, dra hiherin'amindrareo zaho," hoy Yaveh taponigny maro. "Fa hoy koa handrareo ho: 'Aminigny fomba akory gny hiheregnako?' 8 Misy olo hadroba an'i Zagnahary se? saingy madroba anahy hadrareo. Fa hoy hadrareo ho: ''Tamigny fomba manaokory gny nandrombanay anao? Tamin'ireo ampahafolokarena vo ireo fagnatisy. 9 Hadrareo dra voaozo, satria nandromba anahy, dra firenena manotolo. 10 Andeso ao amigny tragno fitehirizana gny ampahafolon-karena feno, ba hisy sakafo ao amigny tragnoko, dra sapao amin'izao zaho, ''hoy Yaveh tampon'ny maro, '''Raha sy manokaky gny vatrangaran'ny lagnisy amidrareo zaho dra madraraky fahasoavana eo amidrareo, madram-paha sy misy afisy ho amin'izay rehetra izay sasy. 11 Hizaka manohisy izay manola gny masom-bilodrareo zaho, ba sy hanolan'izay ireo gny vakasy gny zakadrareo. Ireo volobokidrareo egny asaha dra ho vagno,''hiy Yaveh tompon'ny maro. 12 Gny firenena aby dra hitoka adrareo ho sambasy satria ho tany mahafinarisy hadrareo,'' hoy Yaveh tompon'y maro. 13 Nahery taminahy gny zakadrareo,'' hoy Yaveh.''Singy hoy hadrareo ho: ''Ino gny nifapizakanay manohisy anao?'' 14 Hoy hadrareo ho: '' Sy taliavy gny manopo an'in Zagnahary. Ino gny tombosoasika raha nitadry ireo fangatahiny isika nandeha tam-pisaonana teo agnatrehan'i Yaveh tompon'ny maro? 15 Dra ankehitriny isika mitoka gny pirehareha ho sambasy. Sy mahomby fosiny ireo panao rasy, fa misapa an'i Zagnahary misoaky mihisy.''' 16 Avy eo dra nifapizaka ireo izay natahosy an'i Yaveh. Nifatoky soa Yaveh dra niteno, dra nosoraty teo alohany gny boky fahasiarova mambon'ireo natahosy an'i Yaveh vo nagnome voninahisy gny agnarany. 17 Hon'Ahy izy ireo'' hoy Yaveh tompon'ny naro, ''Fanagnako sarobidy, amigny andro izay hiasako. Hiatra anazy zaho, manahaky gny olo raiky miatra gny zanany lahy izay manopo anazy. 18 Dra hagnavaky gny olomarina vo gny rasy fagnahy draiky hadrareo, eo amin'izay manompo an'i Zagnahary vo izay manompo anazy.