Toko faha 4

1 Fa ingo, ho avy gny andro toy gny fatana, aby lasa moloso ireo pirehareha vo panao rasy aby. Ho avy gny andro agnoro anazy ireo, ''hoy Yaveh tompon'ny maro, dra, ''dra hagnenga izay ho sy hisy faka vo rasany izay. 2 Fa ho adrareo izay matahosy gny agnarako, gny masoandron'ny fahamarinana dra hiposaka midray amigny fagnasitragna egny amin'ireo elany. Hiboaky hadrareo, dra hidikosy manahaky gny zanak'agnomby avy ao amigny fihinanam-bilona. 3 Amin'izay andro izay dra hagnisakisaky gny rasy hadrareo, satria ho levona ambanin'ny faladian-dombotrareo izy ireo amigny andro izay hiasako,'' hoy Yaveh tompon'ny maro. 4 Tadidio gny fapianaran'i Mosesy panopoko izay nameko anazy tagny Horeba ho an'Israely aby, ireo didy vo fisipiky. 5 Ingo, hagniraky an'i Elia paminany zaho mialohan'ny fiavian'ilay andro lahibe vo mapatahos'i Yaveh. 6 Hagnery gny fan'ny ray ho amigny zanaky izy, dra gny fon'ny zanaky ho amin'ireo babany, ba sy hiaviko dra hamelezako gny tany amigny faharavana tanteraky.''