Toko faha 2

1 Dra handrareo pisoro, ho andrareo ty lity ty. 2 "Raha sy hiteno handrareo, dra raha sy hametraky anizay ao apondrareo ba hagnomeza voninahisy gny agnarandrareo handrareo," hoy Yaveh toponigny maro, "dra handefa ozon'amindrareo Zaho. Eny vatany, fa nataondrareo tao apondrareo gny litiko. 3 Ingo, hizaka fatrasy gny taranadrareo zaho, dra hagnaparitaky zeziky egny amigny tavadrareo zaho, zeziky avy amigny firavoravoadrareo, dra hangalaky adrareo hiaraky amin'izay izy. 4 Dra ho fatasidrareo fa nandefa io tamidrareo zaho, dra gny fifignekeko dra hitohy amin'ireo Levy,'' hoy Yaveh tompon'ny maro. 5 Gny fifagnekeko taminazy dra fiainana vo fiadagna, dra nameko anazy ireo izy ; nameko tahosy iazy, dra natahosy anahy izy, dra nizoro tamigny tahosy gny agnarako izy. 6 Fapianarana marina no tao am-bavany, dra sy nisy diso teo amigny molony. Nidray tami-piadagna vo tami-pahamarigna taminahy izy dra niamboho tamigny fomba maro tamigny ota. 7 Fa gny molosy gny pisoro dra tokony hagna-pahalala dra gny vahoaky dra tokony hitalia fapianarana avy agny am-bavany, satria pitodra hafas'i Yaveh tompon'ny maro izy. 8 Fa hadrareo dra niala tamigny lalana marina. Nahavy gny maero ho tafitohina amigny fagnaza gny lalana hadrareo. Nandika gny fagneke-pihavavanan'i Levy hadrareo,'' hoy Yaveh tompon'ny maro. 9 ''Noho izay zaho koa, dra fa nanao ho sinosino vo rasy teo alohan'ny vahoaky rehetra, satria sy nitadry gny lalako hadrareo, fa kosa nampiseho fagnakavahana tamigny fapianarana.'' 10 Sy ray tokana avo se gny asika rehetra? sy Zagnahary tokana avo se gny nahary asika? nanaoakory isika olo kiraikiraiky avy gny kely finoaamigny rahalahiny, manirasira gny fagneken'ireo razambesika? 11 Joda dra kely finoa. Zavatra maharikoriko gny nisy tao Israely vo tao Jerosalema. Fa nanirasira gny fitoerana masin'i Yaveh izay tiany i Joda, dra nanambaly gny zanaky vavin'adriamani-kafa. 12 Aoka Yaveh hangalaky ireo lain'i Jakoba ilay izay nanao izay, ilay nifoha vo ilay namaly, na dre ninday fagnatisy ho an'i Yaveh tompon'ny maro aza izy. 13 Atovidrareo avo koa izao: ''Rakofadrareo amigny ranomaso gny alitaran'i Yaveh, amigny fitomagnia vo fisetoa, satria izy dra sy bo mitoliky amin'ilay fagnatisy na mandray izay ami-pankasitrahana avy egny atagnadrareo. 14 Fa hoy hadrareo ho: ''Nanaoakory izy gny sy manao an'izay?'' Satria Yaveh dra vavolombelo teo amidrareo vo gny valy tamigny fahatanoradrareo, tamin'izay naha kely finoa adrareo, dra piara-dia amidrareo vo validrareo tamigny alalan'ny fifagneke aza izy. 15 Sy nambany horaiky se izy ireo, midray amigny pilaky gny fagnahiny? koa nanaoakory hadrareo gny nataony ho raiky? satria izy dra nitalia taranaky avy amin'i Zagnahary. Koa ambeno ao amigny fagnahidrareo gny vatadrareo, dra aza sy matoky gny valin'ny fahatanoradrareo. 16 ''Fa malaiky gny fisarahana zaho,'' hoy Yaveh, Zagnahadr'Israely, ''dra ilay magnaro gny fotafiany amigny herisetra,'' hoy Yaveh tompon'ny maro. ''Dra ambeno ao amigny fagnahidrareo gny fatadrareo dra aza kely finoa.'' 17 Nadreraky an'i Yaveh tamigny zakadrareo hadrareo. Fa hoy hadrareo ho: ''Ahoana gny nadrerahanay anazy?'' Tamigny fizaka ho: ''Izay rehetra manao rasy dra soa eo amason'i Yaveh,'' na hoe:'' Eza gny Zagnahariny gny fahamarina?''