Toko faha 5

1 Engao zaho hihira ho an'gny malalako soa, hiran'gny malalako mikasikin'gny tanim-boalobokiny. Nana tanim-boaloboky teo amin'gny havoa tena lonaky gny malalako soa. 2 Nasainy zeho, nafindrany reo vato, dra namboly zeho tamin'gny karazam-boaloboky tena soa izy.Nananga tilikambo teo agnivon'izeho izy, sady koa nananga famiazan-mboloboky. Niamby anizeho izy hamokasy voaloboky, fe voalobo-drasy avo gny namoha. 3 Vo amizao, gny ponin'i Jerosalema vo gny olon'i Joda, dra misara anahy vo gny tanim-boaloboko. 4 Ino koa gny tokony nahy tamin'gny tanim-boaloboko, ze mbo sy vitano taminazy? Ombia gny nisiry zeho so hamokasy reo voaloboky zaho, nagnino gny namokasy voalobo-drasy zeho? 5 Vo zeho ho zakako andrareo ze hahiko amin'gny tanim-boaloboko: Halakko gny fefy, havaliko ho ahisy anizeho, dra ho ravaiko gny fefiny, vo ho voahisaky zeho. 6 Ho simbasimbaiko zeho, dra sy ho voarakosy na voakarakara. Fe koa, reo hery vo reo silo gny hisimoky. Ho bekoiko avo koa gny raho sy hisaro eo aminazy. 7 Fa gny tanim-boalobok'i Yaveh Tompon'gny maro gny tarana'Israely, vo gny lelahin'i Joda gny voly tiany; niamby gny rariny izy, kay, famonoa gny nisy; gny fahamarigna, kay, fihiakin'gny fitaraigna gny solon'izeho. 8 Loza ho an'ireo ze mapifandray gny isan-tao, ze mapifandray gny isan-saha, ambarapaha-sy misy efisy tavela, dra handrareo raiky gny sisa hitoesy eo amin'gny tany! 9 Ho Yaveh Tompon'gny maro taminahy, fasange maro gny ho foa, ndra dra lahibe sady soa aza, sy misy pitoboky. 10 Fa bata raiky monza gny ho vokasy gny voaloboky folo zemeba, vo efaha raiky monza gny ho vokasy gny vihindraha raiky homera. 11 Loza ho an'ireo ze mifoha vo mangiran-drasy so hahazo raha inomy mahery, reo ze mizano amin'gny hariva mandra-pahamamon'gny divay andreo. 12 Nanasa tamin'gny harpa, lokanga, vo apongatapaky, gny sodina, vo gny divay ereo, fe sy nihevisy gny asan'i Yaveh ereo, na koa nihevisy reo raha vitam'gny tagnany. 13 Koa fa lasa-ko babo nohon'gny sy fahapian'gny fahazavan-sy gny oloko; ho resy reo pitariky maeva haza andreo, dra sy hisy ho inomy reo vahoakiny. 14 Dra fa nahin'gny Fiaignan-sy hita ho lahibe gny homany dra nisokafany misagnasagna gny vavany; dra nizoso tagny amin'gny Fiaignan-sy hita, reo sangany, gny vahoaky, reo pitarikiny, vo reo papiseo vo reo ze faly teo amin'ereo. 15 Gny olo dra sere hiankohoky, vo gny olombelo dra hahetry; gny mason'gny avo dra hazoso. 16 Yaveh Tompon'gny maro dra hisondrosy amin'gny fisarany, vo gny Zagnahary Gny Masy haneho gny vatany ho masy amin'gny alalan'gny fahamarignany. 17 Vo gny agnondry dra hifaha manahaky gny egny amin'gny tanim-bilony avo, vo tao amin'gny korota, reo zanak'agnondry dra hihina manahaky gny vahiny. 18 Loza ho an'ireo ze mitari-keloky amin'gny kofehy sy misy ila anazy vo ze mitarik'ota manahaky gny ho amin'gny talin-sarety zeho. 19 Loza ho an'ireo ze mizaka ho : "Aoky handondo Zagnahary, aoky hiasa malaky Izy, so ahafahasika mahita gny fisehon'izeho; dra aoky ho avy gny fikasan'Gny Masin'Israely, so hafatarasika andreo." 20 Loza ho an'ireo ze mizaka gny rasy ho soa, vo soa ho rasy; ze magnambara gny ezy manahaky gny mazava, vo gny mazava manahaky gny ezy; ze mizaka gny mafaisy ho mamy, vo gny mamy ho mafaisy! 21 Loza ho an'ireo ze hendry eo amasony avo, dra malina amin'gny fahazavan-sainy avo! 22 Loza ho an'ireo ze tompon-daka amin'gny finoma divay, vo tompony amin'gny fangaroa fino mahery; 23 ze magnome signy gny rasy fagnahy ho amin'gny fagnefa, vo manaisotry gny sy manan-signy amin'ireo mariny! 25 Dra noho zeho gny hahorian'i Yaveh dra nirehisy amin'ireo olony. Fa naninzisy gny tagnany manohisy andreo sady fa magnasazy andreo Izy. Hangitakitaky reo tendrombohisy, vo gny faitn'ereo dra manahaky gny fako egny am-dala. Amin'izeho raha aby zeho, dra sy boo miafa gny hahoriany; fe koa, bo hihinzisy avo gny tagnany. 26 Dra hananga fagneva famatara ho an'ireo firene lavisy Izy dra hisioky ho an'ireo agny am-paran'gny tany. Ingo, ho avy malaky dra avy hatragny ereo. 27 Sy misy rokaky na tafitohy amin'ereo; sady sy misy randreha na matory. Na mivaha gny fehi-trokin'ereo, na tapaky gny fehin-kapany. 28 Maragnisy gny zana-sipikiny sady mienza gny sipikiny aby; gny kitro-sovalin'ereo dra manahaky gny afovato, gny kodiaran-kalesiny manahaky gny tafio-drivosy. 29 Gny fierosiny dra manahaky gny liona; dra hierosy manahaky gny zana-diona ereo. Dra hierosy vo hisambosy gny haza ereo dra hitaritaiky anizeho, dra sy hisy hamonzy. 30 Amin'izeho andro zeho dra hierosy hanohisy gny haza manahaky gny fierosin'gny ranomasy ereo. No misy olo magnety gny tany, dra hahita hezy vo fizalia izy; ndre dra ho mezin'gny raho aza gny hazava.