Toko faha 6

1 Tamin'gny tao nahafatesan'i Ozia pazaka, dra nahita gny Tompo nitoboky teo amin'gny seza fiandriana zaho; sady abo gny ambony Izy, dra nameno gny tepolu gny moron'akazo lavany. 2 Teo amboninu dra nisy serafima; samby nana elasy any aby; gny ro nisafosy gny tarehiny, gny ro hafa nisafosy gny tombonuy, vo gny ro nitilignany. 3 Nifapitoka ereo dra nanao ho: "Masy, masy, masy, i Yaveh Tompon'gny maro! Zao totolo zao dra feno gny voninahisiny." 4 Nihozongozo tamin'gny feon'ireo ze mitaray gny fotos'ireo tokonam-batrangara, dra feno setroky gny fasange. 5 Dra ho zaho ho: " Loza! Very zaho akory lelahy maloto sogny zaho, dra niay teo amin'gny vahoaky maloto sogny, akory gny masoko dra fa naita gny Pazaka, Yaveh, Yaveh tompon'gny maro!" 6 Boakeo dra nisy raiky tamin'ireo serafima nitily teo aminahy; nisy bain'afo tegny an-tagnany, ze nalany nindray tamin'gny tandra tegny amin'gny alitara. 7 Nikasiky gny sogniko tamin'izeho izy dra nizaka ho: "Ingo, nikasiky gny sogniniha tiky; afaky gny helokiniha, dra voavela gny fahotaniha." 8 Nahare gny feon'gny Tompo zaho nanao ho:"Ia gny tokony hirahiko; ia gny handeha ho asika?" Dra ho zaho ho: "Tihoky zaho; hiraho zaho." 9 Ho Izy ho: Mandehana dra zakao reo vahoaky reo ho: 'Tenoy, fa ka tarkary; atio, fa ka mamatasy.' 10 Hafatraro gny fon'iho vahoaky iho, dra ahivo maregny gny sofin'ereo, vo ahivo poaky gny mason'ereo. No sy zeho dra mety hahita amin'gny masony iereo, hahare amin'gny sofiny, vo hahay amin'gny fon'ereo, dra boekeo hiova dra ho sitra." Dra ho zaho," Tompo o, mandra-pombia seky?" Dra ho izy, 11 Dra ho zaho ho: "Ry Taompo, mandra-pombia?" Namaly Izy ho: "Mandra-pahafoan'gny tana, dra sy hisy pony, vo fasange sy hisy olo, vo gny tany ho lao vatany, 12 dra Yaveh hapandeha lavisy gny olo, dra ho be gny lao ao amin'gny tany. 13 Ndre gny apaha-folon'gnhy olo tavela ao aminizeho aza, dra ho potehy ndraiky; manahaky gny terebinta vo oka nitapahy dra misy ransany tavela, vo vihy masy dra ao amin'gny fotony."