Toko faha 4

1 Amin'izeho andro zeho hisy apela fito hita lelahy raiky dra hizaka ho: "Gny sakafonay avo gny hohaninay, gny fitafianay avo gny hotafianay. Fa aoky zahay hangalaku gny agnaraniha hangala gny hegnasinay." 2 Amin'izeho andro zeho gny sapan'i Yaveh dra hafinarisy sady be voninahisy, vo gny vokatrin'gny tany dra hasiro sady hafinarisy ho an'ireo sisa velo agny Israely. 3 Fa ze tavela agny Ziona vo ze sisa tavela agny Jerosalema dra hotokavy ho masy, gny kiarikiraiky ze voasorasy ho velo agny Jerosalema. 4 Hitranga zeho nofa hanasa gny fahaloton'ireo zanaky apelan'i Ziona gny Tompo, dra hanasa gny lio ze mandoto hatramin'gny agnivon'i Jerosalema, amin'gny alalan'gny fagnahin'gny fisara vo gny fagnahin'gny afo mirehisy. 5 Dra eo ambonin'gny fitoeran'gny tendrombohis'i Ziona manotolo vo eo amin'gny toeran'gny fiangonany, Yaveh dra hamoro raho vo setroky amin'gny andro, dra famirapiratan'gny afo mirehisy amin'gny hariva; vo ho safosy ambonin'gny voninahisy aby zeho. 6 Ho alokaloky felofa amin'gny hafana zeho amin'gny andro, vo ho felofa vo ho ferova amin'gny tafiosy vo gny ora.