Toko faha 3

1 Ingo, Tompo Yaveh tompon'gny maro dra fa piandraikisy vo vasy amin'i Jerosalema vo Joda: dra gny famasia-mofo aby, vo gny famasian-drano aby; 2 gny lelahy mahery, gny pialy, gny pisara, gny paminany, gny pamaky fambara, gny loholo; 3 gny kapitenin'gny dimapolo, gny ponina mana-kaza, gny panolo-say, gny panao asa-tagna za-draharaha, vo gny pimasy knga. 4 " Zatovo avo gny hapetrako ho pitariky andreo, vo reo tanora gny hanapaku eo amin'ereo. 5 Hapahory gny vahoaky, gny kiraikiraiky apahorin'gny hafa, vo gny kiraikiraikyapahorin'gny namany; gny zaza gny hagnaraby gny zokiolo, vo hihandy reo magneva haza rwo nambania. 6 Hangalaky gny rahalahiny ao an-tragnon-drany mihisy aza gny olo raiky dra hizaka ho: ' Mana akazo hanao; meteza ho panapaky anay, dra aoky zao faharava zao ho eo an-tagnanao.' 7 Amin'izay andro zay dra hitabataba izy dra hizaka ho: 'Sy ho pagnasitra zaho; sy mana-mofo zaho na akazo. Sy hanao annahy panapaky gny vahoakinao hanao." 8 Fa lavo Jerosalema, vo nilavo i Joda akory manohisy an'iYaveh gny fizakany vo gny asany, mihansy gny mason'gny voninahisinyu. 9 Gny fagnitian'gny tarehiny dra vavolombelo miapanga andreo; dra ambaran'ereo manahaky an'i Sodoma gny fahotany; sy mbo hhavoniny zay. Loza ho anazy regny! Fa nahatateraky loza be ho andreo avo izy. 10 Zakaogny olo-mary fa sy hagnino, fa hihina gny vokasy gny asany ereo. 11 Loza ho an'gny rasy fagnahy! Fa ho rasy gny hahazo anazy, fa gny valin'gny asan'gny tagnany gny hahy aminazy. 12 Ry oloko--akizy gny papahory andreo, vo apela gny manzaka eo aminazy. Ry oloko, rep ze mitariky andrareo dra mamipivio lala andrareo sady mapisafotofoto lala-kandehanandrareo. 13 Misanga nohon'gny fiapanga Yaveh, misanga hiapanga gny olo Izy. 14 Ho avy amin'gny fisara hanohisy reo loholon'gny olony vo reo pitarikiny Izy ho: " Namotiky gny tamim-boaloboky handrareo; ao an-tragnondrareo ze voaroba aby tamin'gny mahatra. 15 Nagnino handrareo gny manorotoro gny oloko sady manosiosy gny tarehin'gny mahatra?" Zay gny fagnambaran'i Tompo Yaveh tompon'gny maro. 16 Zay gny zakan'i Yaveh akory mirehareha gny zanaky apelan'i Ziona, mandeha amin'gny loha mihesikesiky, sady mangariky amin'gny masony, mikatrapokatrapoky am-pandrehana no mapikorisakorisaky amin'gny tombony, 17 noho zay dra hapisy arety manakom-pery eo an-dohan'gny zanaky apelan'i Ziona gny Tompo, dra hahin'i Yaveh sola ereo. 18 Amin'izay andro zay dra hangalaky reo firavaky gny ranzo soa tarehiny, reo fehilohany, reo fihaingoa sari-vola, 19 reo kavi, reo rozontagna, vo reo voaly; 20 reo saron-doha, reo rozon-kitro, reo fehin-troky, vo reo vata fasia ranomagnisy, vo reo ravaky manday vinta gny Tompo. 21 Ho alany reo perasy vo reo kavin'oro; 22 reo akazo lava fanaova lanogna, reo kapoty, reo voaly, reo perasy keliky; 23 reo fitarasy keliky, reo atin'akazo rongony fosy maliniky, reo hengon-doha, vo reo firakofa. 24 Hamemboa gny ho solon'gny ranomagnisy mamerovero; vo taly gny ho solon'gny fehin-troky; loha sola gny ho solon'gny soa-hogo; vo lamba fandala gny ho solon'gny akazo lava; vo fitomboky mahama ho solon'gny hasoa. 25 Ho lavon'amesa gny lelahindrareo, sady ho lagny agn'aly gny lelahy maherindrareo. 26 Hitomagny gny vavahadin'i Jerosalema ka handala; dra ho reriky izy sady hidaraboky amin'gny tany.