Toko faha 2

1 Reo raha hitan'i Isaia zanak'i Amoza tao agnaty, mahakasiky an'i JOda vo Jerosalema. 2 Amin'gny andro farany gny hagnorena tendrombohisin'gny tragnon'i Yaveh ho tendrombohisy abo vatany, dra hisanga eo ambonin'gny havona, vo reo firene aby hikoria ami n'izay. 3 Olo maro gny ho avy dra hizaka ho: "Avia, ndao sika hiakasy egny an-tendrombohis'i Yaveh, mbo hahafahany mapianasy gny sasanyamin'ireo lalany amisika, vo mbo handehanasika amin'gny lalany." Fa gny lalana dra hiboaky boakao Ziona, vo gny zakan'i Yaveh noakagny Jerosalema. 4 HIsara eo amin'ireo firene Izy sady hagnome fanapahan-kevisy ho an'ireo olo maro be; hanorotoro gny amesany ereo ho lelan'agnady, vo gny lelan'afon'ereo ho fanatezam-boaloboly; gny firene sy hanondrosy gny amesany hanohisy firene, na hiofa ho amin'gny ady. 5 Ry akohonan'i Jakoba, avia, dra aoky sika handeha amin'gny fahazavan'i Yaveh. 6 Fa nanenga gby olondrareo handrareo, ry akohonan'i Jakoba, akory fenon'gny fomban'gny asignana ereo sady pamaky fambara sahala reo Filistina, dra nifandray tagna tamin'gny zanaky gny vahiny ereo. 7 Feno volafosy vo volamena gny tanin'ereo, sady sy misy fetra gny hareny; feno sovaly avo koa gny tanin'ereo, vo sy misy fetrany gny kalesiny. 8 Feno sapy gny asan'gny tagnany avo, raha zay nahin'gny rasa-tagnany avo ereo. 9 Hiakohoky gny vahoaky, vo gny olo hilavo; noho zay ka mananga andreo. 10 Mandehana agny amin'gny toera feno vato dra mivonia amin'gny tany amin'gny horohoron'i Yaveh vo amin'gny voninahisy gny fiandrianany. 11 Gny fiandrandran'gny mason'gny olo dra hahetry, vo reo olo mirehareha dra hitiky, vo Yaveh raiky gny hasandrasy amin'izay andro zay. 12 Fa hisy gny andron'i Yaveh tompon'gny maro hanohisy gny olo aby ze mirehareha vo misandrasy, sady manohisy gny olon'aby ze miavognavo--- 13 sady manohisy reo sederan'gny Libanona aby zay ambony sady nasandrasy, sady manohisy reo hazo terebintan'i Basana aby. 14 Fa hanohisy reo tendrombohisy abo aby zay andron'i Yaveh tompon'gny maro zay, sady hanohisy reo havoa aby ze fa nasandrasy, 15 sady manohisy reo tilikambo abo, vo manohisy reo fefy sy mety rava, 16 sady manohisy reo sambon'gny Tarsisy aby, vo manohisy reo sambo soa tarehy aby. 17 Gny fireharehan'gny olo dra hahetry, vo gny havognavon'gny olo dra ho lavo; Yaveh raiky avo gny hasandrasy amin'izay andro zay. 18 Ho levo tateraky reo sapy aby. 19 HAndeha agnaty lavakin'gny tany, noho gny horohoron'i Yaveh, vo noho gny voninanhisin'gny fiandrianany, no fa misanga hapihorohoro gny tany Izy. 20 Hanipy reo sapy volafosy vo volamena gny olo amin'izay andro zay zay mahin'ero ho tompoy---hanipy reo agny amin'gny voalavo vo ramanavy ereo. 21 Handeha agnaty lavaky eo amin'gny vato gny vahoaky sady an-sefasefakin'gny harambato, noho gny horohoron'i Yaveh vo noho gny voninahisin'gny fiandrianana, no fa misanga hapihorohoro gny tany Izy. 22 Asaharo gny fahatokia gny olo, ze eo amin'gny vavorony gny fofon'ainy, fa ino gny hagnapian'izay?