Toko faha 9

1 Nofa vita reho raha reho, dra nagnato anahy rei manam-pahefa dra nanao ho: "Gny vahoakin'Israely, reo pisoro, vo reo Levita dra sy nagnasaraky gny vatan'ereo tamin'ireo olo boaky agny an-tany hafa vo gny fahavetavetany: dra reo Kananita, Hitita, Perizita, Jebosita, Amonita, Moabita, Egyptiana vo Amorita. 2 Fa nalan'ereo gny sasany tamin'ireo zanany apela vo zanany lelahy, dra nafangaron'ereo tamin'gny vahiny gny vahoaky masy, dra reo manam-pahefa vo reo pitariku gny volohany tamin'izeho sy fahatokia zeho." 3 Nofa nahare anizeho zaho, dra nandrovisy gny fitafiako vo gny akazo lavako dra nagnombosy gny volon-dohako vo gny volom-bavako, dra nitoboky, torotoro. 4 Reo aby ze nangorohoro tamin'gny zakan'Agnaharin'Israely mahakasiky anizeho sy fahatokia zeho dra nivory teo aminahy no igny nitoboky am-pahamegnara hatramin'gny fagnatisy hariva igny zaho. 5 Fa tamin'gny fagnatisy hariva dra niary boaky tamin'gny toeran'gny fahafaham-barakako tamin'gny fitafiako vo gny akazo lavako rovisy, dra nandohaliky dra namelasy gny tagnako amin'i Yaveh Zagnahariko. 6 Ho zaho ho: "Zagnahary o, megnasy sady mangahiahy gny hanondrosy gny tarehiko eo aminiha zaho, fa miakasy mihoasy gny lohanay gny helokinay, vo gny fahamelohanay mihobo hatragny an-dagnisy. 7 Nanomboky tamin'gny andron;gny razambenay mandraka'androany dra tao agnaty fahameloha lahibe zahay. Tao agnatin'gny helokinay zahay, reo pazakanay, vo reo pisoronay gny nanolosy ho eo an-tagnan'ireo pazakan'itiky zoa totolo izao tiky, ho eo amin'gny mesa, ho eo amin'gny fahababoa, ho eo amin;gny babo vo gny tarehy mangahiahy, manahaky anay androany. 8 Amizao se tao agnaty fotoa fohiky, dra avy taminay gny indrafo boaky amin'i Yaveh Zagnaharinay so hanenga sisa velo eo aminay dra hagnome anay fifikira eo amin'gny fitoerany masy. An'gny Zagnaharinay gny magnazava gny masonay vo magnome fiatoa keliky amin'gny fagnandevoza anay. 9 Fa andevo zahay, fe sy nagnaligno anay gny Zagnaharinay fa nanitasy gny faneke mahatoky taminay. nanao anizeho tao amason'gny pazakan'o Persia Izy so hagnome hery vao ho anay, so hafahanay magnory gny tragnon'gny Zagnaharinay ndriky dra hananga gny faharavany. Nanao anizeho Izy so hagnomeza fefy ferova ho anay ao Joda vo Jerosalema. 10 Fa amizao koa, ry Zagnaharina, ino gny azaonay ambara afaran'izao? Nagnaligno reo liliniha zahay, 11 dra gny lily ze nomeniha reo paminany panoponiha, nofa nizaka Hanao ho: "Tihoky tany ze hilirandrareo ho fanagnandrareo tihoky dra tany maloto. Voaloton'gny olon'istiky tany tiky tamin'gny fahavetavetan'ereo zeho. Nifenon'ereo gny fahaloton'ereo hatragny amin'gny ilany raiky dra hatragny amin'gny hafa zeho. 12 Amizao se, ka ome gny zanak'ereo lelahy vo gny zanakereo apela; ka mangalaky gny zanak'ereo apela ho an'gny zanadahindrareo, vo ka mitalia fihavagna na fagnapia amin'ereo, so hatazaky handrareo dra hihina gny soa boaky amin'gny tany, dra hahavy gny zanandrareo ho tampon'izeho amin'gny fotoa aby." 13 Ry Yaveh, Zagnaharin'Israely, mary Hanao, fa masaiky zahay gny sisa velo amin'izao androany zao. Ingo! Tahoky zahay eto agnatrehaniha amin'gny fahamelohanay, fa sy misy afaky hizoro eo agnatrehaniha nohon'gny amin'izeho. 14 tokony handika reo liliniha ndraiky se zahay dra hifanambaly amin'ireo vahoaky vetaveta reo? Sy ho ory se hanao dra handripaky anay so sy hisy ho tavela, sy hisy raiky ho tafilefa? 15 Ry Yaveh, Zagnaharin'Israely, mary Hanao, fa masaiky zahay gny sisa velo amin'izao androany zao. Ingo! Tahoky zahay eto agnatrehaniha amin'gny fahamelohanay, fa sy misy afaky hizoro eo agnatrehaniha nohon'gny amin'izeho.