Toko faha 10

1 No bo nivavaky vo nieky heloky i Ezra, dra nitomagny izy dra niankohoky teo agnoloan'gny tragnon'Agnahary. Lelahy Israelita, zaza amin'apela maro be gny nitangoro teo aminazy, fa nitomagny fatrasy dra fatrasy reo olo. 2 Ho i Sekania zanadahin'i Jehiela taranak'i Elama tamin'i Ezra ho: " Fa sy nahatoky tamin'Agnaharinay zahay dra nanambaly reo apela hafa firene baoky tamin'gn vahoakin'ireo tany hafa. Fe ndre dra eo aza zeho, dra bo misy fagnatena ho an'Israely. 3 Dra aoky zahay ghanao fifaneke amin'gny Zagnaharinay so handroaky reo apela aby vo reo zanany araky reo toromariky gny Tomp vo gny toromarik'ireo ze nihorohoro tamin'ireo lilin'Agnaharisika, dra aoky zeho ho tateraky araky gny lalagna. 4 Misangana, fa zeho raha zeho dra ho taterahiniha, vo zahay dra mindray aminiha, Mahereza dra ahivo zeho." 5 Dra nisanga i Ezra dra nasany napagnategna reo manam-boninahisy gny fisorogna, reo Levita, vo gny Israely aby so hanao sahala anizeho. Koa dra nanao fifata magnetriketriky izy aby. 6 Bokeo nisanga boaky teo agnoloan'gn tragnon'Agnahary i Ezra dra nandeha tao amin'gny efis'i Johanana zanadahin'i Eliasiba. Sy bo nihina mofo na nino rano izy, akory nandala gny hakelikin'gny finoan'ireo ze fa tao amin'gny fahbaboa izy. 7 Dra nandefa zaka tagny Joda vo Jerosalema ho an'ireo olo nihery boaky tagny an-sesitany ereo so hivory ao Jerosalema. 8 Ze iaby sy avy tao agnatin'gny telo andro araky reo toromariky boaky amin'ireo manam-pahefa vo loholo dra nala tamin'ereo gny fanagnan'ereo aby sady nala sy ho ao amin'gny fikambanam-ben'ireo ze nihery boaky agny an-sesitany. 9 Dra nivory tao Jerosalema nandrisy gny telo andro gny lelahy boaky agny Joda vo Benjamina aby. Zeha dra tamin'gny vola fahasivy vo tamin'gny andro faharopolon'gny vola. Nizoro teo amin'gny kianza malalaky nagnoloa gny tragnon'Agnahary gny olon'aby sady nangitakitaky noho gny zaka vo gny ora. 10 Nisanga i Ezra pisoro dra nizaka ho: "Fa namadiky handareo. Nanambaly reo apela hafa firene handrareo dra napitombo gny helok'Israely. 11 Fa amizao dra miansa an'i Yaveh, Zagnaharin'ireo razambendrareo, dra ahivo gny sitrapony. Misaraha amin'gny olo tompon-tany vo amin'ireo apela hafa firene." 12 Namaly tamin'gny feo abo gny fivondrogna aby ho: "Hanao araky ze nizakaniha zahay. 13 Ndre zeho aza, maro reo olo, vo vanim-potoan'gny ora zeho. sy mana hery hizoro etiky ivelany zahay, vo zeho dra sy asa raiky na ro andro avo, akory fa nanao heloky lahibe tamin'izeho raharaha zeho zahay. 14 Dra aoky gny panapakay hisolo-vata gny fiangona aby. Aoky ze nanenga reo apela boaky amin'gny firene hafa hitoboly amin'gny tanasika ho avy amin'gny fotoa ze ho tondro mindray amin'ireo loholon'gny tana vo reo pisara ao amin'gny tana mandra-pialan'gny firehetan'gny hahorian'gny Zagnaharisiska amisika." 15 Nanohisy anizeho i Jonatana zanadahin'i Asahela vo Jahaza zanadahin'i Tikva, dra nanoha andreo i Mesolama vo Sabetahy Levita. 16 Dra nanao anizeho reo olo nihery baoky tagny an-sesitany. Ezra pisoro dra nifily reo lelahy, reo pitariky tao amin'ireo foko vo fianakavian'ireo razamben'ereo--- tamin'gny agnaran'izy aby, dra nandiniky gny raharaha tamin'gny andro volohany tamin'gny fahafolon'gny vola ereo. 17 Tamin'gny andro volohany tamin'gny vola volohany dra nahavita namatasy ze lelahy nindray nitoboky tamin'gny apela hafa firene ereo. 18 Nisy tamin'ireo taranak'ireo pisoro gny nanambaly apela hafa firene. Tamin'gny taranak'i Jesoa zanadahin'i Jozadaka vo reo rahalahiny dra nisy an'i Mahaseia, Eliezera, Jariba, vo Gedalia. 19 Koa dra tapa-kevisy gny handroaky reo valiny ereo. Akory meloky ereo, dra nanolosy agnondry lany tamin'ireo agnondriny ereo nohon'gny helok'ereo. 20 Tamin'ireo taranak'Imera dra: i Hanany vo Zebadia. 21 Tamin'ireo taranak'i Harima: i Mahaseia, Elia, Semaia, Jehiela, vo Ozia. 22 Tamin'ireo taranak'i Pasora: i Elioenay, Mahaseia, Ismaela, Netanela, Jozabada, vo Elasa. 23 Tamin'ireo Levita dra: i Jozabada, Simey, Kelaia--- zay, Kelita, Petahia, Joda. 24 Tamin'ireo pihira: i Eliasiba. Tamin'ireo piamby vavahady dra: i Saloma, Talema, vo Ory. 25 Tamin'ireo Israelita sisa--- tamin'ireo taranak'i Parosa dra: i Ramia, Jizia, Malkia, Miamina, Eleazara, Malkia, vo Benaia. 26 Tamin'ireo taranak'i Elama dra: i Matania, Zakaria, Jehiela, Abdia, Jeremota, vo i Elia. 27 Tamin'ireo taranak'i Zato dra: i Elioenay, Eliasiba, Matania, Jeremota, Zabada, vo Aziza. 28 Tamin'ireo taranak'i bebay dra: i Johanana, Hanania, Zabay, vo Atlay. 29 Tamin'ireo taranak'i bany dra; i Mesolama, Maloka, Adaia, Jsoba, vo Seala Jeremota. 30 Tamin'gny taranak'i Pahata Moaba dra: i Adna, Kelala, Benaia, mahaseia, Matania, bezaiela, Binoy, vo Manase. 31 Tamin'gny taranak'i Harima dra; i Eliezera, Jisia, Malkia, Semaia, Simeona, 32 Benjamina, Maloka, vo Semaria. 33 Tamin'gny taranak'i Hasona dra: i Matenay, Matata, Zabada, Elifeleta, Jeremay, Manase, vo Simey. 34 Tamin'gny taranak'i Bany dra: i Maday, Amrama, Oela, 35 Benaia, Bedeia, Keloho, 36 Vania, Meremota, Eliasiba. 37 Matania, Matenay, vo Jasao. 38 Tamin'gny taranak'i Binoy dra: i simey, 39 Selemia, Natan,adaia, 40 Maknadebay, Sasay, Saray, 41 Azarela, Selemia, Semaria, 42 Saloma, Amaria, vo i Josefa. 43 Tamin'gny taranak'i Nebo dra: i Jeiela, Matitia, Zabada, Zebina, Ido, Joela, vo Benaia. 44 Reho aby reho dra nanambaly apela hafa firene dra nanan-zanaku tamin'gny sasany tamin'ereo.