Toko faha 8

1 ahoky aby reo pitariky gny fianakavian'gny razamben'ereo ze nanenga an'i Babylona niaraky taminahy nadrisy gny fanzakan'i Artaksersesy. 2 Amin'gny taranak'i Finehasam dra i Gersona. Amin'gny taranak'i Itamara, dra i Daniela. Amin'gny taranak'i Davida, dra i Hatosy, 3 ze boaky amin'gny taranak'i Sekania, ze boaky amin'gny taranak'i Parosy; vo Zakaria, dra nisy lelahy 150 voatanisa tao amon'gny rakisy gny tetiarany nindray taminazy. 4 Amin'gny taranak'i Pahata-moaba, dra Elihoenay zanadahin'i Zerahia vo nindray taminazy dra nisy ronzato lahy. 5 Amin'gny taranak'i Sekania, dra Beni-Jahaziela vo nindray taminazy nisy telonzato lahy. 6 Amin'gny taranak'i Adina, dra Edeba zanadahin'i Jonatana vo nindray taminazy nisy dimampolo lahy voatanisa. 7 Amin'gny taranak'i Elama, dra Jesaia zanadahin'i Atalia vo nindray taminazy nisy fitopolo lahy voatanisa. 8 Amin'gny taranak'i Sefatia, dra Zebadia zanadahin'i Mikaela dra nindray taminazy nisy valopolo lahy voatanisa. 9 Amin'gny taranak'i Joaba, dra Obadia zanadahin'i Jehiela dra nindray taminazy nisy 218 lahy voatanisa. 10 Amin'gny taranak'i Selomita zanak'i Josifia dra nisy 160 lahy voatanisa nindray taminazy. 11 Amin'gny taranak'i Bebay, dra Zakaria zanadahin'i Bebay dra nisy valo amby ropolo lahy voatanisa nindray taminazy. 12 Amin'gny taranak'i Azgada, dra Johanana zanadahin'i Hakatana dra nisy 110 lahy voatanisa nindray taminazy. Reo ze boaky amin'gny taranak'i Adonikama gny avy taty afara. 13 Tahoky aby gny agnaran'ereo: Elifeleta, Jeiela, Semaia, vo nindray tamin'ereo nisy enipolo lahy. 14 Amin'gny taranak'i Bigvay, dra Otahy vo Zaboda dra nisy fitopolo lahy voatanisa nindray taminazy. 15 Navoriko reo pandeha tao amin'gny lakan-drano ze magnagny Ahva, dra nitoby hateloa teo zahay. Nagnadihady gny vahoaky vo reo pisoro zaho, fe sy nahita taranak'i Levy tao mihisy. 16 Dra napitoka an'i Eliezera, Ariela, Semaia, Elnatana, Jariba, vo Elnatana vo Natana, Zakaria, vo Mesolama--- ze pitariky--- dra an'i Joariba vo Elnatana--- ze papianasy zaho. 17 Magnaraky zeho dra nirahiko ho agny amin'Ido, pitariky agny Kasifia ereo. Nambarako andreo ze ho zaka amin'Ido vo reo havany, reo panopon'gny tepoly mitoboky agny Kafisia, dra gny, so handefasa panopo ho an'gny tragnon'Agnahary ho aminay atiky. 18 Dra nandefa lelahy raiky tokavy ho Serebia, lelahy malina taminay tamin'gny tagna soan'Agnaharinay ereo. Izy dra taranak'i Maly zanadahin'i Levy zanak'Israely. 19 Avy nindray tamin'gny zanadahy vo rahalahy valo amin'gny folo izy. Avy nindray tamin'i Hasabia. Nisy an'i Jesaia, raiky amin'ireo zanadahin'i Merary, nindray tamin'ireo rahalahiny vo gny zanadahin'ereo avo koa ereo, ropolo lahy gny fitambarany. 20 Amin'ireo ze nitendre hanopo ao an-tepoly, ze nomen'i Davida vo reo manam-boninahiny so hanopo an'ireo Levita dra: 220, samby nitendre tamin'gny agnarany aby. 21 Dra nagnambara fifadian-kany tao amin'gny Lakan-drano Ahava zaho so hagnetry gny vatanay eo agnatrehan'Agnahary, so hitalia lala-mahisy boaky Aminazy ho anay, gny zaza madinikinay, vo reo fanagnanay aby. 22 Megnasy gny hangataky tafiky na pitikisy sovaly tamin'gny pazaka so hiaro anay amin'ireo fahavalo tagny an-dala zaho, akory fa nizka tamin'gny pazaka zahay ho: 'Gny tagnan'Agnaharinay dra eo amin'gny iaby ze mitalia Anazy amin'gny soa, fa hny heriny vo gny hahoriany dra eo amin'gny iaby ze magnligno Anazy.' 23 Dra nifady hany sady nitalia an'Agnahry mahakasiky anizeho zahay, dra niangavy taminazy. 24 Magnaraky anizeho dra nifanty lelahy ro ambin'gny folo amin'ireo manam-boninahisy gny fisorona zaho: Serebia, Hasabia, vo folo tamin'gny rahalahin'ereo. 25 Nandaza volafosy, volamena, vo raha vo fagnatisy ho an'gny tragnon'Agnahary ze natolosy gny pazaka, reo panolo-sainy vo manam-boninahiny, vo reo ze natolosy gny Israely aby maimaim-poa ho anazy zaho. 26 Dra nandanza taleta volafosy 650, taleta raha volafosy zato, taleta volamena zato, 27 lasety volamena ropolo ze nisanda darika arivo, vo fanaky saba ro nangira ro soa ze sarobidy manahaky gny volamena teo am-pelantagnan'ereo zaho. 28 Dra ho zaho tamin'ereo ho: 'Natoka ho an'i Yaveh handrareo, vo tahoky raha tahoky avo koa, vo gny volafosy vo gny volamena dra fagnati-sitrapo ho an'i Yaveh, Zagnahary gny razambendrareo. 29 Embeno reo dra tandremo mandra-panzandrareo zeho eo agnatrehan'gny manam-boninahisy gny fisorogna, Levita, vo reo pitariky gny fokon-drazan'Israely agny Jerosalema ao amin'ireo efisy gny tragnon'Agnahary." 30 Nagneky gny volafosy, volamena, vo reo raha voalanza reo pisoro vo reo Levita so handay anizeho agny Jerosalema, ao an-tragnon'gny Zagnaharinay. 31 Niboaky boaky tao amin'gny Lakan-dranon'i Ahava zahay tamin'gny andro faharo ambin'gny folon'gny vola volohany so handeha ho agny Jerosalema. Teo aminay gny tagnan'gny Zagnaharinay; niaro anay tamin'gny tagnan'gny fahavalo vo reo olo ze nagniry gny hanafiky anay tapoky tegny an-dala Izy. 32 Dra nilisy tagny Jerosalema zahay dra nitoesy tao nandrisy gny hateloa. 33 Vo tamin'gny andro fahaefasy dra nilanzay tao an-tragnon'gny Zagnaharinay teo an-tagnan'i Meremota zanadahin'i Oria pisoro gny volafosy, volamena, vo reo raha, dra nidray taminazy Eleazara zanadahin'i Finehasa, Jozabada zanadahin'i Jesoa, vo Noadia zanadahin'i Biony gny Levita. 34 Voafarisy gny isa vo gny lanzan'gny raha aby. Nisorata aby gny Lanza aby tamin'izeho fotoa zeho. 35 Reo olo ze nihery boaky amin'gny fahbaboa, gny olo voasesy tagny, dra nanolosy fagnatisy oroa ho an'gny Zagnaharin'Israely: agnomby ro ambin'gny folo ho an'Israely aby, Agnondry lahy eny amby sivifolo, zanak'agnondry fito amby fitopolo, vo aosy ro ambin'gny folo ho fagnatisy nohon'gny fahota. Fagnatisy oroa ho an'i Yaveh reo iaby reho. 36 Dra nomen'ereo ho an'ireo manam-boninahisy gny pazaka ambony vo reo governora tagny amin'gny Farisy Andafin'gny Ony gny lalagnal'gny pazaka, dra nagnapy gny vahoaky vo gny tragnon'Agnahary ereo.