Toko faha 6

1 Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2 " Ry zanak'olo, ahivo magnatriky an'ireo tezovohis'Israely gny tarehinao dra mifata amin'ereo. 3 Zakao ho: 'Ry tezovohis'Israely, tenoy gny zakan'gny Tompo Yaveh! Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh amin'ireo tezovohisy vo amin'ireo havoa, amin'ireo lakan-drano, vo amin'ireo lohasah: Ingo! Manday mesa manohisy andrareo Zaho, sady handrava reo fitoboha abondrareo. 4 Dra ho lao reo alitarandrareo vo ho rava reo andrindrareo, sady hariako magnolloa reo sapin'ereo gny fatindrareo. 5 Hametraky gny fatin'gny zanak'Israely eo agnoloan'gny sapin'ereo Zaho, sady hagnaparitaky gny taolandrareo magnodidy gny alitarandrareo. 6 Ndre eza ndre eza ipetrahandrareo, dra ho foa reo tana sady haonga reo fitoboha abo, dra ho foa gny alitarandrareo sady ho lao. Dra ho potiky ereo sady hazavo, hahomaky reo andrindrareo vo ho fafa reo asandrareo. 7 Ho lavo eo agnivondrareo gny faty dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh. 8 Fa hihazo sisa eo amindrareo Zaho, vo hisy sasany ho tafasoaky amin'gny mesa eo amin'gny firene, gny fa miely eraky gny tana handrareo. 9 Boakeo ereo ze nilefa hamesivesy Anahy eo amin'ireo firene ze hihazoa andreo ho babo, fa Zaho dra malahelo tamin'gny fivalibalihan'gny fon'ereo ze nivaliky taminahy, vo tamin'gny mason'ereo ze nizangazanga nagnaraky reo sapin'ereo. Dra hapiseho rikoriko egny amin'gny tarehin'ereo tamin'gny faharasia ze nahin'ereo niaraky tamin'gny fahavetavetany aby ereo. 10 Ka dra ho fatan'ereo fa Zaho gny Yaveh. Zay gny atony nizakako fa handay taho rasy tahoky eo amin'ereo Zaho. 11 Gny Tompo Yaveh mizaka izao: Mitehafavo azadony gny tombondrareo! Zakao ho: 'Indrisy!' nohon'gny fahavetaveta rasin'gny akohonan'Israely aby! Fa hazeran'gny mesa, mosary, vo areti-mandripaky ereo. 12 Ze lavisy dra ho fatin'gny areti-mandripaky, vo gny mariny hazeran'gny mesa. Reo sisa vo bo velo dra ho fatin'gny mosary. Hagnatateraky gny hahoriako amin'ereo amin'gny alalany Zaho. 13 Dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh, gny fa gny fatin'ereo gny hipasy eo amin'gny sapin'ereo, magnodidy gny alitaran'ereo, egny amin'gny tany havoa aby---ambonin'ireo tezon'gny tezovohisy aby, vo ambanin'gny hazo misandrahaky aby vo hazo terebinta matevy---reo toera ze nagnoroan'ereo ditin-kazo magnisy ho an'ireo sapin'ereo aby. 14 Hamely amin'gny tagnako Zaho sady hametraky gny tany ho lao vo foa, boakagny amin'gny tany efisy ka hatragny DIbla, manera gny toera aby ze itobohan'ereo. Dra ho fatan'ereo fa Zaho gny Yaveh."