Toko faha 5

1 " Boakeo hanao, ry zanak'olo, mangala mesa maragnisy manahaky gny fagnarata volombava ho anao, dra apandalovy amin'gny lohanao vo gny volombavanao gny fagnarata, boakeo alao gny mizana bo handanza vo hagnasaraha gny volonao. 2 Oroy amin'gny afo eo agnivon'gny tana gny apahatelon'izay gny fa tateraky reo andron'gny fahirsno, vo alao gny apahatelon'gny volo ka tapaho amin'gny mesa magnodidy gny tanan'aby zay. Dra aparitaho amin'gny rivosy gny apahatelon'izay, dra hamoaky mesa hagnezeha reo vahoaky Zaho. 3 Fa mangala isam-bolo kelikeliky amin'ireo ka fotory amin'gny sisin'akazonao reo. 4 Boakeo dra mangala volo maromaro kokoa dra atoraho eo agnivon'gny afo zay; fa hisy afo hiboaky boakeo ho agny amin'gny akohonan'Israely aby." 5 Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: " Tiky gny Jerosalema eo agnivon'ireo firene, zay nametrahako anazy, vo nagnodidiako anazy tamin'gny tany hafa. 6 Kanefa nanda gny lalako tamim-paharasia mihoasy ze anagnan'gny firene izy, vo gny liliko mihoasy reo tana ze magnodidy anazy. Fa nanda gny fisarako gny vahoaky sady sy nandeha tamin'gny lalako." 7 Noho zay dra zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: " Akory hanao manahira kokoa noho reo firene ze magnodidy anao vo sy nandeha tamin'gny lalako na niasa araky gny liliko, na niasa arak'ireo lilin'gny firene ze magnodidy anao," 8 noho zay dra zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: "Ingo! Hiasa hanohisy anao Zaho. Hagnatateraky fisara eo agnivonao Zaho ba ho haten'ireo firene. 9 Hahiko aminao ze sy bo nahiko vo gny sahala amin'izay dra sy hahiko sasy, noho reo asa maharikorikonao aby. 10 Noho zay dra hihina gny zanaky eo agnivon'gny ray, vo reo zanaky hihina gny babany, akory hagnatateraky fisara eo amindrareo Zaho sady hapiely andrareo aby ze tavela ho amin'gny lala aby. 11 Noho zay, gny bo velo koa Zaho---zay gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh---zay dra akory nandoto gny fitobohako masy vatany hanao mindray amin'ireo raha maharikoriko vo reo asandrareo maharikoriko aby, fa Zaho mihisy gny hapihe isa andrareo; sy hana feregnay amindrareo gny masoko, vo sy hissisy andrareo Zaho. 12 Gny apahatelondrareo dra ho fatin'gny arety mandripaky, vo ho fatin'gny mosary eo agnivonao ereo. Gny apahatelony dra ho azeran'gny mesa magnodidy anao. Vo boakeo dra hagnaparitaky gny apahatelony amin'gny lala aby egny Zaho, vo hagnaboaky mesa hagnenzeha andreo avo koa. 13 Vo dra ho tateraky gny hahoriako, dra hahavy gny hahoriako eo amin'ereo Zaho ba hizano. Ho afa-po Zahi, dra ho fatan'ereo fa Zaho, Yaveh, dra fa niresaky tamim-pahasosora gny fa nahatateraky gny hahoriako tamin'ereo Zaho. 14 Hahiko ho faharava vo fahafaham-baraka eo amin'gny firene magnodidy anao hanao eo amason'gny olon'aby ze mandalo. 15 Dra hazary raha fagnameloha vo fagnirasira ho an'gny olo hafa i Jerosalema, fapitandrema vo fapihorohoroa ho an'ireo firene ze magnodidy andrareo. Hagnatateraky gny fisara hanohisy anao am-pahoria vo am-pahavignira, vo am-pizaka fatrasy Zaho---Zaho, Yaveh dra fa nizaka anizay! 16 Handefa sipiky fatrasin'gny mosary hanohisy andrareo Zaho zay hazary antony hanimbako andrareo. Fa hapitombo gny mosary eo amindrareo Zaho sady hanapaky gny famasia mofondrareo. 17 Handefa mosary vo loza hanohisy andrareo Zaho ka sy hanan-zanaky handrareo. Gny areti-mandripaky vo gny lio dra handalo amindrareo, vo handay gny mesa hamely andrareo Zaho--- Zaho, Yaveh, gny fa nizaka anizay."