Toko faha 4

1 "Fa hanao, ry zanak'olo, managala biriky ho anao dra atoboho eo anoloanao zay. Bakeo dra atovy sokisy eo amin'izay gny tanan'i Jerosalema. 2 Dra manova fahirano hameleza anizay, vo magnoregna fefy hanohisy anizay. Manangana tovon-tany fanafiha hamely anizay vo mametraha toby magnodidy anazy. Ametraho andry vy fandrava magnodidy aanizay. 3 Boakeo dra mangala lapoaly vy ho anao dra apesao ho sahala gny fefy vy eo agnelagnelanao vo gny tana zay dra apagnatreho anizay gny tarehinao, fa hahy fahirano zay, vo hanao gny hanao fahirano anizay. Zay gny ho famatara amin'gny akohonan'Israely. 4 Boakeo, mandria amin'gny ilany akavianao dra apetraho eo amin'izay gny fahotan'Israely; hanao gny handay gny fahotan'ereo mandrisy gny isan'gny andro handrianao hanohidy gny akohon'Israely. 5 Zaho mihisy gny manaendry andro raiky bo hanehoa gny tao kirairaikin'gny famaiza andreo ho anao: 390 andro! Zay fomba zay, gny handesanao gny fahotan'gny akohonan'Israely. 6 No fa fenonao reo andro reo, dra mandria fagnindrony amin'gny ilanao havagna, fa handay gny fahotan'gny akohonan'i Joda mandrisy gny efapolo andro hanao. Manondro andro raiky ho an'gny tao kiraraiky ho anao Zaho. 7 Atodiho magnatriky an'i Jerosalema zay ahy fahirano gny tarehinao, dra maminania hanohisy anazy amin'gny sandrinao sy misaro. 8 Fa ingo! Mametraky fatora amiano Zaho bo sy hibadibadihanao amin'gny ilany raiky ho amin'gny hafa mandra-pahafenonao gny andro fahiranonao. 9 Mangala varim-bazaha, vary hordea, saramaso,tsiasisa, apemba, vo spelta ho anao; apetraho ao agnaty fagnisia raiky avo reo vo manova mofo ho anao araky gny isan'gny andro ze handrianao amin'gny ilanao. Mandrisy gny390 andro gny hihinananao anizay. 10 Gny hany ze hohaninao dra ho lanzan'gny sekely ropolo isan'andro, dra hohaninao amin'gny fotoa voatondro isan'andro aby zay. 11 Dra hino rano hanao, ze nafatry tamin'gny apehenin'gny hina, vo hinominao amin'gny fotoa voatondro avo koa zay. 12 Hohaninao manahaky gny mofomamy vita amin'gny vary hordea zay, fe ho indazinao amin'gny hita dikin'olo amason'ereo eo!" 13 Fa ho Yaveh ho: " Midika zay fa gny mofo ze hohanin'gny vahoakin'Israely dra haloto, agny amin'ireo firene za handroahako andreo." 14 Fa ho zaho ho: " Indrisy, ry Tompo Yaveh! Sy bo naloto mihisy zaho! Sy bo nihina na raha maty na raha matin'gny biby, nanomboky tamin'gny fahatanorako ka hatramin'izao zaho, vo sy bo nilisy gny vavako dny hena maloto!" 15 Dra ho Izy taminahy ho: "Ingo! Nomiakotain'agnomby hanao ho solon'gny dikin'olo bo hahafahanao mikarakara gny mofonao eo amin'izay." 16 Ho avo koa Izy taminahy ho: "Ry zanak'olo! Ingo! Tapahiko gny famasia mofo ao Jerosalema, dra hihina mofo ao apizara anizay amin'gny tahosy ereo sady hino rano apizara anizay amin'gny fangovita. 17 Akory hizaly mofo vo rano ereo, dra hihorohoro amin'gny rahalahiny gny olon'aby vo hihavelo nohon'gny helok'ereo."