Toko faha 3

1 Dra ho Izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, ze hitanao, dra hano. Hano tiky horonan-taratasy tiky, dra mandehana dra mizaka amin'gny akohon'Israely." 2 Dra nanokasy gny vavako zaho, dra nofahanany an'izay horonan-taratasy zay. 3 Ho Izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, visigno gny trokinao dra fenoy amin'itiky horonan-taratasy ze nomeko anao tiky gny vavafonao!" ka dra nihina anizay zahi, dra mamy manahaky gny tately teo am-bavako zay. 4 Dra ho Izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, mandehana agny amin'gny akohonan'Israely dra zakao amin'ereo gny zakako. 5 Fa sy halefa agny amin'gny vahoaky hafa fizaka hanao na fizaka sarosy, fa agny amin'gny akohonan'Israely--- 6 sy agny amin'gny firene lahibe ze hafahafa fizaka vo sarosy fizaka ze sy ho azonao gny fizakany! Gny nandefa anao tagny amin'ereo Zaho, dra ho niteno anao ereo. 7 Fa gny zanak'Israely dra sy mbo vono gny hiteno anao, akory sy vonon-kiteno Anahy ereo. Noho zay gny zanak'Israely aby dra mafy handry vo fatram-po. 8 Ingo! Fa nagnamafy gny tarehinao manahaky reo tarehiny Zaho vo gny handrinao ho fatrasy manahaky gny handrin'ereo. 9 Nahiko manahaky gny diamondra gny handrinao, fatrasy noho gny afovato! Ka matahosy andreo handrareo na hakivin'gny tarehiny, akory taranaky pikomy ereo." 10 Dra nizaka taminahy izy ho: " Ry zanak'olo, reo zaka aby ze zakako aminao---rambeso ao aponao reo vo hatongilagno amy reo gny sofinao! 11 Boakeo mandehana agny amin'ireon babo, agny amin'ireo vahoakinao, dra mizaka amin'ereo. Zakao amin'ereo ho: ' Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh, ' na hiteno ereo na sia." 12 Dra nanenga anahy gny fagnahy, dra nahare gny feon'gny horohoron-tany lahibe tafarako tao zaho: " Hisaora ane gny voninahis'i Yaveh boakeo amin'gny fitoerany!" 13 Zay dra feon'gny elas'ireo raha-managn'ay no mifapikasoky ereo, vo feon'gny horohoron-tany lahibe. 14 Nagnenga anahy gny faganahy dra nanday anahy, dra nandeha araky gny faisin'gny hahorian'gny fagnahiko zaho, fa gny tagnan'i Yaveh dra nanindry anahy tamin-kery! 15 Dra nagnagny amin'ireo babo tagny Telabiba zay nonina amin'gny moron'gny ony Kebara zaho, dra nizano teo amin'ereo nandrisy gny fito andro, ka heniky gny fahatalanzoa zaho. 16 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh tafaran'gny hafitoa, manao ho: 17 " Ry zanak'olo, nahiko ho piamby ho an'gny akohonan'Israely hanao, dra mitenoa gny zaka boak'amin'gny vavako, dra omeo andreo reo fapitandremako. 18 Gny fa mizaka amin'gny rasy faganahy zaho ho: ' Ho faty vatany hanao' vo sy napitandry na mizaka fapitandrema gny rasy fagnahy mahakasik'ireo asarasiny bo ahafahany miay hanao--- dra ho faty nohon'gny fahotany gny rasy fagnahy,fa ho takeko amin'gny tagnanao gny liony. 19 Fa no napitandry gny rasy fagnahy hanao, ka sy miala amin'gny faharasiany na amin'ireo asa rasiny izy, dra ho faty amin'gny fahotany izy, fa hahavonzy gny ainao avo hanao. 20 No mivaliky amin'gny fahamarignany gny olo-mary raiky vo manao gny sy rariny, vo hametrahako vato fanafitohigna eo agnoloany, dra ho faty ereo. Akory sy napitandry anazy hanao, dra ho faty ao amin'gny fahotany izy, vo sy ho saroviko reo asa mary ze notaterahiny, fa takeko amin'gny tagnanao gny liony. 21 Fa no mapitandry gny olo-nary hanao ba hisahasy amin'gny fahota ka sy hagnota sasy izy, dra hiay vatany izy akory napitandremy; dra hahavonzy gny ainao avo hanao." 22 Ka teoaminahy gny tagnan'i Yaveh, dra ho Izy taminahy ho: " Misangana! mandehana miboaky agny amin'gny lohasaha, dra hiresaky aminao agny Zaho! 23 Nisanga zaho dra nandeha niboaky tagny amin'gny lohasaha, dra nitoesy teo gny voninahis'i Yaveh, manahaky gny voninahisy zay hitako marin'gny Lakan-drano Kebara teo; dra nagnondriky gny tarehiko zaho. 24 Nagnato anahy gny faganhy ka napisanga anahy tamin'gny tomboko; dra niresaky taminahy izy, nizaka taminahy ho: " Mandehana dra hilio ao an-tragnonao gny tegnanao, 25 fa amizao, ry zanak'olo, hametraky taly eo aminao ereo sady hamatosy anao ka sy afaky gny hiboaky ao amin'ereo hanao. 26 Hapiraketiko amingny lagnilagninao gny lelanao, ka hazary moa hanao, ka sy afaky hizaka fatrzsy andreo, akory taranaky pikomy ereeo. 27 Fa gny fa miresaky aminao Zaho, dra ho sokafako gny vavanao ka hizaka amin'ereo hanao ho: " Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: 'Gny raiky ze mahare dra hahare; gny raiky ze sy miteno dra sy hiteno, akory taranaky pikomy ereo!"