Toko faha 2

1 Ho Izy taminahy ho: " Ry zanak'olo, misangana; vo dra hizaka aminao Zaho." 2 Tafaran'izay, gny mbo nizaka taminahy Izy, dra nilisy tao agnatiko gny Fagnahy dra napisanga anahy, dra reko Izy mizaka aminahy. 3 Ho Izy taminahy ho: " Ry zannak'olo, mandefa anao ho agny amin'gny vahoakin'Israely Zaho, agny amy reo firene pikomy ze nikomy taminahy---ndre ereo ndrereo razambeny dra samy nanota taminahy mandrak'androany! 4 Mana endriky maheriloha vo fatrasy fo reo taranak'ereo. Magniraky anao ho agny amin'ereo Zaho, dra hizaka amin'ereo hanao ho: ' Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh.' 5 Ndre ereo hiteno ndre ereo sy hiteno. Taranaky pikomy ereo, nefa farafahakeliny ereo hahalala fa paminany gny teo amin'ereo. 6 Hanao, ry zanak'olo, ka matahosy andreo na gny zakan'ereo. Ka matahosy, ndre dra misy silo aza hanao vo ndre dra miay mindray amin'gny maingoky aza hanao. Ka mifezaky amin'ny zakan'ereo na reki-tahosy amin'gny tarehin'ereo, akory taranaky pikomy ereo. 7 Fe hanao hizaka amin'ereo gny zakako, na hiteno ereo na sia, akory pikomy fatrasy ereo. 8 Fa hanao, ry zanak'olo. tenoy ze zakako anao. Ka ba pikomy manahaky rgny taranaky pikomy regny. Sokafy gny vavanao dra hano ze fa omeko anao! 9 Boakeo dra nagnety zaho, vo nisy tana nisosy teo aminahy; nisy horonan-taratasy voasorasy tao agnatin'izay. 10 Novelariny teo agnatrehako zay; samby voasorasy aby ndre gny anoloa ndre gny ambaliky, vo gny voasorasy teo amin'izay dra fitaregna, fandala, vo loza.