Toko faha 7

1 Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 2 " Hanao, ry zanak'olo---zao gny zakan'gny Tompo Yaveh amin'gny tanin'Israely." 'Farany! Avy amin'ireo vaza-tany efasy gny farany. 3 Amizao dra eo aminao gny farany, akory handefa gny hahoriako aminao Zaho, vo hisara anao araky reo fombana; vo hinday reo fahavetavetanao aby eo aminao Zaho. 4 Fa sy hiferegnay anao gny masoko, vo sy hamindra fo anao Zaho. Fa kosa, handesiko eo aminao reo fombanao, vo ho eo agnivonao reo fahavetavetanao, dra ho fatasinao fa Zaho gny Yaveh. 5 Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: Loza! Loza sy misy sahala aminizay! Ingo, ho avy zay. 6 Ho avy vatany gny farany. Nifoha hanohisy anao gny farany. Ingo, avy zay? 7 Ho avy aminao zay monina amin'gny tany gny fiafara rasinao. Avy gny foto; fa mariny gny andron'gny faharava, vo reo tezovohisy dra sy ho faly sasy. 8 Vo sy ho ela dra handraraky gny hahoriako aminao vo hameno gny havignirako aminao Zaho gny fa hisara anao araky reo fombanao vo hinday reo fahavetavetanao aby eo aminao Zaho. 9 Fa gny masoko dra sy hagnety am-pangoraha, vo sy hamindra fo anao Zaho. Araky ze nahinao, gny ho ahiko aminao; vo reo fahavetavetanao dra ho eo agnivonao ka hahafatasy hanao fa Zaho gny Yaveh, gny raiky magnasazy anao. 10 Ingo, gny andro! Ingo, avy zay! Ho avy gny fiafara rasy! Mandrobo gny rasa-kazo, misimoky gny avognavo! 11 Nitombo teo amin'gny rasa-kazon'gny faharasia gny herisetry---sy misy amin'ereo, vo sy misy amin'gny vahoak'ereo, sy misy amin'gny harenany, vo sy misy amin'ireo manan-danzan'ereo haharisy! 12 HO avy gny fotoa; fa mariny gny andro. Ka enga hifaly gny pivily, na gny pivarosy handala, akory eo amin'gny vahoaky aby gby hahoriako! 13 Fa gny Pivarosy dra sy hapihery mandrakizay ze fa lafo, gny bo velo koa ereo, akory manohisy gny vahoaky aby gny fahita. Sy hihery ereo, akory sy misy olo mivelo amin'gny fahotany ho atanzahy. 14 Nisoky gny asiva ereo sady nagnoma gny raha aby, fe sy misy miroso bo hialy; akory amin'gny vahoaky aby gny hahoriako. 15 Gny mesa dra atany agny, vo gny areti-mandripaky vo gny mosary dra ao agnatin'gny tragno be. Ereo ze agny an-saha dra ho fatin'gny mesa, no hanimba ereo ao amin'gny tana kosa gnny mosary vo gny areti-mandripaky. 16 Fa ereo sisa velo sasany dra hilefa boakeo amin'ereo, dra ho agny an-tezovohisy ereo. Manahaky reo voromailala egny amin'gny lohasaha dra hitolokoloko ereo aby--- gny olo kirairaiky nohon'gnyhelony aby. 17 Hiozongozo gny tana aby vo hamely manahaky gny rano gny lohaliky aby, 18 Vo hanao akazo fandala ereo, vo hagnaro andreo gny horohoro; vo ho eo amin'gny tarehy aby gny hegnasy, vo gny fahasola ho amin'gny lohan'ereo aby. 19 Hanoraky gny volafosin'ereo egny amin'gny lala ereo vo gny volamenan'ereo dra hanahaky gny fako. Gny volafosy vo gny volamenan'ereo dra sy ho afaky hagnavosy andreo amin'gny andron'gny hasosoran'i Yaveh. Sy ho voavomzy gny ain'ereo, vo sy ho voky gny hamosarin'ereo, akory gny helony dra nazary vato manafitohy. 20 Amin'gny avognavony gny hangalan'ereo firavany voaravaky, vo amin'ireo gny hanaovan'ireo gny sary fahavetavetan'ereo, vo reo raha maharikorikon'ereo. Noho zay, dra havaliko ho raha maloto aminazy riho raha riho. 21 Boakeo dra hatolosiko ho babo eo an-tagnan'ireo vahiny vo ho babo eo amin'gny rasy fagnahin'gny tany riho raha riho. 22 Dra hamaliky gny tarehiko amin'ereo Zaho gny fa mandoto gny toera sarobidiko ereo; hilisy ao reo dahalo dra handoto anizay. 23 Manaova rozo, akory gny tany dra feno gny fisaran'gny lio, vo gny tana dra feno herisetry. 24 Koa hinday reo rasy fagnahy fatrasy amin'ireo firene Zaho, vo gny fanagnan'ereo gny tragnony, dra hanapisy gny avognavon'gny mahery Zaho, fa ho voaloto reo toera-masin'ereo! 25 Ho avy gny tahosy! Hitalia fiadagna ereo, fe sy hisy zay. 26 Loza miapy loza gny ho avy, vo hisy saho miapy saho. Dra hiotalia fahita boak'amin'gny paminany ereo, fe gny lalana dra ho simba boakeo amin'ireo pisoro vo gny torohevisy boak'amin'ireo zokiolo. 27 Gny pazaka dra handala vo gny andrian-dahy hisiky famoiza-po, gno toa ka hangovisy gny tahosy gny tanan'ireo vahoakin'gny tany. Araky gny fomban'ereo avo gny hanovako anizay amin'ereo! HIsar andreo araky gny fahiny Zaho mandra-pahafatas'ereo fa Zaho gny Yaveh."