Toko faha 47

1 Bokeo gny lelahy dra nanday anahy nagnao amin'gny filira ao amin'gny tepoly, dra nisy rano nikoria boaky ao ambanin'gny tokonam-batrangaran'gny tragno amin'gny asinagnan'gny tepoly--- teo agnoloan'gny tepoly magnatriky gny asinagna--- vo gny rano dra nikoria nagnagny amin'gny ilany asimon'gny tepoly, magnagny an-kavagnan'gny alitara. 2 Dra nandesy niboaky tamin'gny vavahady andrefa zaho vo nagnodidy gny vavahady magnatriky gny asinagna, vo nisy rano nikoria boaky amin'iho vavahady iho tamin'gny ilany asimo. 3 No nagnagny asinagna gny lelahy, dra nisy famolay tegny an-tagnany; nandrefy arivo hakiho izy dra nanday anahy namakivaky rabo ze rano laliky hatregny an-kitrokeliky. 4 Dra nadrefy arivo hakiho ndraiky izy dra nanday anahy namakivaky rano ze rano laliky hantregny am-pokopoko; dra nandrefy arivo hakiho izy dra nanday anahy tamin'gny rano laliky hatregny am-balaha. 5 Bokeo dra nandrefy arivo hakiho hafa izy, fe renirano ze sy afaky niapitako zeho akory niakzasy rano sady laliky sy afaky halomagnosa --- renirano ze sy afaky niapita zeho. 6 Ho gny lelahy taminahy: " Ry zanak'olo, hitaniha se iho?" dra nanday anahy niboaky izy dra napihery anahy tegny amin'gny sisin'gny renirano. 7 No igny nihery igny zaho, dra nisy hazo maro tegny amin'gny sisin'gny renirano dra tegny amin'gny andaniny ilany avo koa. 8 Ho gny lelahy taminahy: "Miboaky magnagny amin'gny faritany asinagna iho rano iho dra m,izoso magnagny Arahaba; mikoria magnagny amon'gny Ranomasin'gny Sira zeho dra hapadio anazy. 9 Vo gny raha managn'ay aby sesehena dra hivelo agny amin'ize handehanan'gny rano; hisy hazandrano maro ao, akory mikoria agny gny rano. Hapadio gny rano masy zeho. Hivelo agny amin'ize handehan'gny renirano gny raha aby. 10 Vo bokeo dra hisanga eo amoron'gny rano gny panzono 'i En-jedy, dra hisy toera fagnamaigna gny harato fanzonoa eo amoron'i En-eglaima. Hisy karaza hazandrano maro ao amin'gny Ranomasin'gny Sira, manahaky gny hamarony gny hazandrano ao amin'gny Ranomasim-be. 11 Fa reo hanohano vo reo heniheninigny Ranomasinigny sira dra sy ho voalio; hamokara sira iny. 12 Egny andafin'io renirano io amy sisiny, amy taliaviny ro, dra hisy karazan-kazo hirisy zay hamokasy sakafo. Gny ravin'ireo dra sy halazo dra gny tegnan'ireo dra sy hizano hitombo. Isam-bola ireo hazo ireo dra hamoa tegnany, satria gny rano laha tao amy fitoera masy dra mivavasy magnagny amin'ireo. Ho hany gny tegnan'ireo, dra gny ravin'ireo dra ho fagnasitrana. 13 Izao gny zakanigny topo Yaveh: Izay gny fomba hizaranao gny tany ho an'ireo foko ro ambinigny folon'Israely: Hanana azara ro i Josefa. 14 Ho zaranao mitovy ze nanandratako gny tagnako vo nianianako fa hame reo razambenao ty tany tihoky dra ho avy lovanao. 15 Tiky gny ho sisintanin'gny tany agny amin'gny ilany andrefa manomboky amin'gny Ranomasim-be mandalo amin'gny lala Heltona, vo hatragny Zedada. 16 Dra hitohy agny Berota gny sisn-tany, hatragny Sibraima, ze eo agnelagnelan'i Damaskosy vo Hamata, vo bokeo hatragny Hazara Hatikona, ze eo agnilan'gny sisin-tanin'i Haorana. 17 Dra hitohy manomboky amin'gny ranomasy hatragny Hazar-enana agny amin'gny fari-tanin'i Damaskosy vo Hamata magnagny andrefa gny sisin-tany. Zeho gny ho sisiny andrefa. 18 Tamin'gny sisiny asainagna, teo agnelagnelan'i Haorana vo Damaskosy vo teo agnelagnelan'i Gileada vo gny tanin'Israely gny Reniranon'i Jordana. Sy mainsy refesiniha hatragny amin'gny sisiny raomaasy asinanga; zeho iaby zeho gny ho sisn-tany asinagna. 19 Bokeo gny sisiny asinagna: gny asimon'i Tamara magnagny amin'ireo ranon'i Meriba Kadesy, gny lohasahan-driakin'i Egypta magnagny amin'gny Ranomasim-Be, vo gny ilany asimo magnatriky gny asimo. 20 Vo gny sisin-tany andrefa gny ho Ranomasim-Be magnagny amin'ize mifanohisy amin'i Hamata. Zeho gny ho ilany andrefa. 21 Amin'izeho fomba zeho gny hizarandrareo tiky tany tiky ho andrareo, ho an'ireo fokon'Israely. 22 Dra hizara reo lova ho an'gny vetandrareo handrareo dra ho an'ireo vahiny eo gnivondrareo, reo ze niteraky zanaky teo agnivondrareo vo reo, mindray amindrareo, manahaky gny olo tera-tanin'Israely. Hagnome lova maro eo amin'ireo fokon'Israely handrareo. 23 Vo gny vahiny dra hindray amin'gny foko eo amin'ireo ze hitobohany. Sy mainsy magnome lova anazy handrareo--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."