Toko faha 46

1 Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Gny vavahadin'gnyu kianza agnatiny, magnatriky gny asinagna, dra hakatoky mandrisy gny eny andro amin'gny fiasa, fa hosokafa koa zeho amin'gny Sabata, vo amin'gny andron'gny voloham-bola. 2 Hilisy gny ivelan'gny kianza amin'gny lalan'gny vavahady vo gny lavaranga boaky agny ivelan'izeho gny andriandahy, dra hisana magnoloa gny tolam-batrangaran'gny vavahady agnatiny no bo manao gny fagnatisiny oroa vo gny fagnati-pihavagna gny pisoro. Dra hagnome voninahisy eo an-tokonam-batrangaran'gny vavahady agnatiny izy dra hiboaky, fa sy hakatoky gny vavahady m,andra-pahariva. 3 Gny vahoakin'gny tany avo koa dra manopo eo agnatrehan'i Yaveh eo amin'gny filira amin'iho vavahady iho amin'gny Sabata vo reo voloham-bola. 4 Gny fagnatisy oroa ze atolosy gny andriandahy ho N'i Yaveh amin'gny andro Sabata dra zanak'agnondry eny sy misy kiema vo osy lahy sy misy kilema. 5 Gny fagnatisy vary mindray amin'gny osy lahy dra ho efaha raiky, vo gny fagnatisy vary minadray amin'gny zanak;agnondry dra ze iriny ome, vo dililo raiky hina isaky gny vary raiky efah. 6 Amin'gny andron'gny voloham-bola dra aoky izy hanolosy agnomby sy misy kilema boaky amin'gny andian'agnomby, zanak'agnondry eny, vo aosy lahy sy manan-kilema. 7 Aoky izy hanao fagnatisy vihy raiky efaha isam-batotr'agnombalahy, vo raiky efaha ho an'gny agnondry lahy, vo ze iriny ho an'ireo zanak'agnondry, vo dililo raiky hina isan'efaham-bary aby. 8 Nofa milisy amin'gny vavahady vo gny lavarangany gny andriandahy, dra aoky izy hiala amin'gny lala nandehany avo. 9 Fa nofa avy eo agnatrehan'i Yaveh amin'ireo firavravoa voatondro gny olon'gny tany, ndre ia ndre ia milisy amin'gny vavahady avarasy so hanopo dra aoky hiboaky amin'gny vavahady asimo; vo ndre ia ndre ia milisy amin'gny vavahady asimo dra aoky hiboaky amin'gny vavahady avarasy. Sy miay olo afaky mihery agny amin'gny vavahady ze nilirany, fa sy mainsy miboaky mahisy izy. 10 Aoky ho eo agnivon'ereo gny andriandahy; nofa milisy ao ereo, dra sy mainsy milisy izy, vo nofa miala ereo, dra sy mainsy miala 11 Ao amin'ireo firavoravoa, aoky ho efaham-bary raiky isam-batos'agnombilahy vo efaha isan'agnondry lahy gny fagnatisy vary, vo ndre ino ndre ino iriny ome mindray amin'ireo zanak'agnondry, vo dililo raiky hina isan-kefaha. 12 Nofa magnome fagnatisy an-sitrapo gny andriandahy, nafagnatisy oroa na fagnati-pivavaha ho an'i Yaveh, dra ho sokafa ho anazy gny vavahady ze magnatriky gny asinagna. Hanolosy gny fagnatisiny oroa na gny fagnati-pihavagnany manahaky gny ahiny isan'andro Sabata izy. Bokeo dra sy mainsy hiboaky izy, vo afaran'gny hiboahany dra hakatoky gny vavahady. 13 Fagnapin'izeho, hagnome zanak'agnondry sy misy kilema eritao ho fagnatisy oroa ho an'i Yaveh isan'andro hanao; hanao zeho isaky maray hanao. 14 Hagnome fagnatisy vary miaraky amin'izeho isaky maray hanao, gny apahaheny amin'gny efaha vo apahatelon'gny dililo raiky hina so handemana gny koban'gny fagnatisy vary ho an'i Yaveh, araky gny lalagna maharisy. 15 Hikarakara gny zanak'agnondry, gny fagnatisy vihy, vo gny dililo isaky maray, fagnatisy oroa maharisy ereo. 16 Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: No magnome fagnomeza ho an'gny raiky amin'ireo zanadahiny gny andriandahy, lova zeho. Ho fanagnan-zanany zeho, lova zeho. 17 Fa no magnome fagnomeza boaky amin'gny lovany ho an'gny raiky amin'ireo panopony izy, dra ho an'gny panopo zeho ambara-pahavin'gny tao fahafaha, vo bokeo dra hihery agny amin'gny andriandahy zeho. Reo lovany dra ho an'ireo zanadahiny vatany. 18 Sy hangalaky gny lovan'gny olo amin'gny zara-taniny avo gny andriandahy; sy mainsy hagnome boaky amin'gny zara-taniny ho an'ireo zandahiny izy so sy hielezan'ireo oloko, reo olo kiraikiraiky boaky amin'gny zara-taniny avo."' 19 Vo bokeo nanday anahy teo amin'gny filira teo amin'gny vavahady magnagno amin'ireo efisy masin'ireo pisoro gny olo, ze nagnatriky gny avarasy dra ingo! Nisy toera tagny andrefa. 20 Ho izy taminahy ho: "Tiky gny toera ze sy mainsy hahandroan'ireo pisoro gny fagnati-pagnoregna vo fagnatidy nahon'gny ota dra ze sy mainsy hagnedasan'ereo gny fagnatisy vihy. Sy tokony handay fagnatisy ao ivelan'gny kianza ereo, fa bokeo dra ho hamasigny gny vahoaky. 21 Bokeo dra nanday anahy tagny amin'gny kianza ivelany izy dra nandesiny tagny amin'gny zorony efas'izeho kianza zeho zaho, dra hitako fa nisy fisara hafa tamin'gny zoron'gny kianza aby. 22 Amin'ireo zorony efasy gny kianza ivelany dra nisy kianza keliky efasy, efapolo hakiho gny halavany vo telopolo gny velarany. Refy mitovy aby ho an'ireo kianza efasy aby. 23 Misy toera nahy tamin'gny vato nagnodidy gny efasy tamin'ereo, vo gny fata fandrahoa dra tao amban'gny laharam-bato. 24 Ho gny lelahy taminahy ho: "Reo gny toera ze hahandroan'gny panonon'gny tepoly gny soron'gny vahoaky."