Toko faha 45

1 Nofa miloka so hizara gny tany ho lova handrareo, dra aoky hanao fagnatisy ho an'i Yaveh; iho fagnatisy iho dra ho zara masin'gny tany, dimy arivo sy ro aly hakiho gny halavany, vo ray aly hakiho gny sakany. Ho masy zeho, gny farisy aby magnodidy anizeho. 2 Bokeo amin'izeho dra hisy efa-zoro ze mirefy dimanzato hakiho tora-dro magnodidy gny toera masy, mindray amin'gny rafisy magnodidy ze mirefy dimapolo hakiho gny sakany. 3 Bokeo amin'iho fotoa iho gny handrefesaniha apahany raiky ze dimy arivo sy ro aly hakiho gny halavany vo ray aly gny sakany; 4 ho fitoera masy zeho, gny toera masy indrindra. Ho toera masy ao amin'gny tanin'ireo pisoro ze manopo an'i Yaveh zeho, ze nagnati mariny an'i Yaveh bo hanopo Anazy. Ho toeran'gny tragnon'ereo zeho sady farisy masy ho an'gny toera masy. 5 Dra ho dimy arivo sy ro aly hakiho gny halavany vo ray aly gny sakany, vo ho tanan-dahibe ho an'ireo Levita ze manopo ao amin'gny tragno zeho. 6 Hanondro farisy ho an'gny tana hanao, diny arivo hakiho gny sakany vo dimy arvo sy ro aly gny halavany, zeho dra ho eo agnilan'gny farisy voatoka ho an'gny toera masy; zeho tana zeho dra ho an'gny hasaveregnan'Israely. 7 Gny tanin'gny andriandahy dra ho eo amin'gny andaniny ro an'gny farisy voatoka ho an'gny toera masy vo gny tana. Ho eo amin'gny andrefany vo eo amin'gny asinagnany zeho. Gny halavany dra hitovy amin'gny halavany raiky amin'ireo apahany ireo, boaky agny andrefa magnagny asinagna. 8 Zeho tany zeho dra ho fanagnan'gny andriandahy agny Israely. Reo andriandahiko dra hapaory gny vahoakiko sasy; fe koa, hagnome gny tany ho an'gny hasaveregnan'Israely, ho an'gny fokon'ereo. 9 Gny Tompo Yaveh dra mizaka zeho: Apy zeho, ry andriandahin'Israely! Alao gny herisetra vo gny fifandira; manaova gny rariny vo gny fahamarigna! Hialao gny fandroasaniha gny vahoakiko! ---- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 10 Aoky handrareo hana mizana mary, efaha mary, vo bata mary! 11 Gny efaha vo gn bata dra hitovy fatra, so ho apahafolon'gny homera gny bata raiky; gny efaha dra ho apahafolon'gny homera raiky. Gny fandrefesa anazy reho dra hitovy amin'gny homera. 12 Gny sekely raiky dra ho ropolo gera; gny sekely enipolo dra ho mina raiky ho andrareo. 13 Zehi gny fandrambesa anzara sy mainsy asehondrareo: gny apaha-enin'gny efaha raiky isaky gny homeram-bary tritiky aby, vo hagnome apaha-enin'gny efaha raiky isaky gny homeram-bary hordea handrareo. 14 Gny lalagnan'gny fagnatisy dililo dra apaha-folon'gny bata raiky isaky gny kora (zay bata folo), na isaky gny homera raiky, akory gny homera raiky dra bata folo avo koa. 15 Agnondry na osy raiky amin'gny agnondry aman'osy isaky gny biby ronzato aby boaky amin'gny farisy lonak'Israelu gny hapesa amin'gny fanaova fagnatisy oroa na fagnati-pihavagna hanaova fagnavota gny vahoaky --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 16 Gny vahoaky aby aeo amin'gny tany dra hanao zeho fandrambesa anzara zeho ho an'gny andriandahy agny Israely. 17 Ho andraikisy gny andriandahy gny mamasy reo biby ho amin'ireo fagnatisy oroa, reo fagnatisy hohany, vo reo fagnatisy iomy amin'gny firavoravoa vo gny fakalaza gny vola vaovao, vo amin'gny andro Sabata--- gny firavoravoa fa voatondron'gny taranak;Israely aby. Hamasy amin'ireo fagnatisy nohon'gny ota izy, reo fagnatisy bihy, reo fagnatisy oroa, vo reo fagnati-pihavagna ho amin'gny fagnavota ho an'gny hasavregnan'Israely. 18 Gny Tompo Yaveh mizaka zeho: Amin'gny vola volohany, amin'gny andro volohan'gny vola, dra hangal agnomby lahy sy misy kilema boaky amin'gny agnomby hanao dra hanao fagnatisy gny ota ho an'gny fitoera masy. 19 Gny pisoro dra hangalaky gny sasany amin'gny lion'gny fagnatisy nohon'gny ota dra hametraky anizeho eo amin'gny tolam-batrangaran'gny trano vo egny amin'gny sisin'ireo zorony efasy gny sisin'gny alitara, vo egny amin'gny tolam-batrangaran'gny kianza agnatiny. 20 Ho ahiniha isaky gny fahota sy nahy na tamin'gny sy fahalalan'gny olo raiky zeho amin'gny andro fahafiton'gny vola; hagnavosy gny tepoly hanao amin'izeho 21 Amin'gny vola fahadimy amin'gny andro fahaefasy ambin'gny folon'gny valoa, dra hisy firavoravoa ho andrareo, firavoravoa hafitoa. Hihina mofo sy misy lalivay hanao. 22 Amin'iho andro iho, gny andriandahy dra hagnoma agnomby lahy raiky ho fagnatisy nohon'gny ota ho an'gny vatany vo ho an'gny vahoaky aby amin'gny tany. 23 Mandrisy gny firavoravo hafitoa, gny andriandahy dra hagnoma fagnatisy oroa ho an'i Yaveh: agnomby lahy fito vo agnondry lahy sy misy kilema sito isan'andro mandrisy gny hafitoa, vo osy lahy raiky isan'andro ho fagnatisy nohon'gny ota. 24 Bokeo gny andriandahy dra hanao fagnatisy hohany araiky vo raiky efaha isaky gny agnondry lahy mindray amin'gny dililo hina raiky gny efaha. 25 Amin'gny vola fahafito amin'gny andro fahadimy ambin'gny folon'gny vola, agny amin'gny firavoravoa, dra hanao fagnatisy mandris'ireo fitoa andro ireo gny andriandahy: fagnatisy nohon'gny ota, fagnatisy oroa, fagnatisy hohany, vo fagnatisy gny dililo.