Toko faha 44

1 Dra nanday anahy nihery tagny amin'gny vavahady ivelan'gny fitoera masy ze magnatriky miasinagna gny lelahy; nihidy fatrasy zeho. 2 Ho Yaveh taminahy ho: "Voatombo-kase iho vavahady iho; sy ho vaosokasy zeho. Sy hisy olo handalo eo amin'izeho, gny nandalo tamin'izeho, ka dra voahily fatrasy zeho. 3 Gny panapak'Israely dra hipetraky amin'izeho so hihinan-kany eo agnoloan'i Yaveh. Hilisy amin'gny lalan'gny lavarangan'gny vavahady izy dra hiboaky amin'igny lala igny avo." 4 Bokeo dra nandesiny tamin'gny lalan'gny vavahady avarasy ze magnatriky gny tragno zaho. Dra nagnety zaho dra ingo, gny voninahis'i Yaveh nameno gny tragnon'i Yaveh, dra nikarapoky niankohoky zaho. 5 Dra ho Yaveh taminahy ho: "Ry zanak'olo, mandiniha soa dra magnetia amin'gny masoniha vo mitenoa amin'gny sofiniha gny amin'ize iaby fa ambarako aminiha, vo gny lily aman-sipikin'izeho aby . Saino gny mahakasikin'gny filira vo gny fiboaha ao amin'gny tragno. 6 Dra zakao amin'ire ze pikomy, gny hasaveregnan'Israely ho: 'Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Aoky ho apy andrareo reo asa maharikorikondrareo aby, ry hasaveregnan'Israely--- 7 ze nandesandrareo vahiny sy mifora vo sy mifora nofo so ho ao amin'gny fitoerako masy, magnirasirasy gny tragnoko, no nanolosy sakafo ho Anahy handrareo, sabora vo lio--- nanapaky gny fanekem-pihavagnako tamin'ireo fihesikindrareo maharikoriko aby handrareo. 8 Sy nagnatateraky reo adidindrareo momban'gny rahako masy handrareo, fa nanendry olon-kafa handrareo so hangala reo adidindrareo, vo nanendry andreo so hikarakara gny fitoerako masy. 9 Ho gny Tompo Yaveh ho: Sy misy vahiny, sy voafora fo vo nofo, boaky amin'ize mony eo amin'gny vahoakin'Israely, afaky hilisy eo amin'gny fitoerako masy. 10 Amizao dra nagnalavisy Anahy reo Levita--- nirerirey niala taminahy ereo, magnara-dia reo sapiny --- fa hagnefa gny amin'gny fahotan'ereo ereo. 11 Panopo ao amin'gny fitoerako masy ereo, miamby gny vavahadin'gny tragno vo manopo ao amin'gny tragno sady mamono gny fagnatisy oroa vo gy soron'gny vahoaky ereo, dra hizoro magnoloa gny vahoaky ereo dra hanopo andreo. 12 Fe noho ereo fa nagnatateraky gny soron'ereo naoloa reo sapiny, dra nazary vato manafintohy eo agnoloako nohon'gny ota tamin'gny vahoakin'Israely ereo, Noho zeho dra hasangako gny tagnako hifata fifata hanohisy andreo --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- handay gny saziny ereo. 13 Sy hagnato mariny Anahy so hiasa manahaky gny pisoroko na hagnato ze mety ho rahako masy ereo, reo raha masy loasy. Fe koa, handay gny fahafaham-barakany gny heloky gny asa maharikoriko ze nahiny ereo. 14 Fa hapetrko ho piamby gny asa ao amin'gny tragni ereo, gny amin'gny adidin'izeho iaby vo ze iaby ahy agnatin'izeho. 15 Dra reo Levita pisoro, dra reo zanak'i Zadoka ze nagnatateraky gny alin'gny fitoera masy no nirerirery niala taminahy gny vahoakin'Israely--- hagnato mariny Anahy ereo so hanopo Anahy. Hisanga magnoloa Anahy ereo so hanolosy gny sabora vo gny lio--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 16 Ho avy ao amin'gny fitoerako masy ereo; hagnato gny labasiko so hanopo Anahy ereo dra hagnatateraky reo adidiny Aminahy. 17 Noho zeho nofa magnato gny vavahadin'gny kianza agnatiny ereo, dra mila mitafy rongony fosy, akory ereo sy mahazo milisy mindray amin'gny volon'agnondry ao agnatin'gny vavahadin'gny kianza agnatiny vo gny tragnon'izeho. 18 Tokony hisy hamna rongony fosy gny lohan'ereo vo atin'akazo rongony fosy eo amin'gny valahany. Aoky ereo sy hitafy akazo ze mapahadigniry andreo. 19 Nofa hiboaky ho eo amin'gny kianza ivelany ereo, ho eo amin'gny kianza ivelany so handeha ho agny amin'gny vahoaky, dra aoky hangalaky gny akazo ze nisikinany tamin'ereo nanopo; aoky ho alan'ereo zeho dra hapetrak'ereo ambany ao amin'gny efisy masy, dra sy hanenga olon-kafa ho masy amin'gny fikasoha gny akazony miavaky ereo. 20 Dra aoky ereo sy hanaratry gny lohen'ereo na hanenga gny volon'ereo hiraviravy an-kahalalaha, fa aoky ereo hikarakara gny volon-dohan'ereo. 21 Sy tokony hisy pisoro hino divay no magneo amin'gny kianza agnatiny, 22 na hangala panday vata na apela nisara-baly ho valiny, fa viriziny boaky amin'gny hasaveregnan'Israely avo na panday vata ze nanambaly pisoro teo aloha. 23 hapianasy gny oloko gny fahasambihafa eo amin'gny masy vo sy masy ereo; hapahafatasy andreo gny maloto amin'gny malio ereo. 24 Amin'gny fifandira gny hisangana'ereo hisara mindray amin'ireo liliko; aoky ho mary ereo. Hitandry gny lalako vo reo liliko ereo amin'gny fanasa aby, sady hakalaza gny Sabatako ereo. 25 Sy handeha agny amin'gny fatin'olo so ho lasa maloto ereo, no sy ho ra na renin'ereo zeho, zanadahy na zanakaepla, rahalahy na anabavy ze sy bo nindray nandry tamin'gny lelahy; no sy zeho, hanzary maloto ereo. 26 Afaran'gny mapaloto gny pisoro, dra hagnisa hafitoa ho anazy izy. 27 Amin'gny andro ze ilirany ao amin'gny toera masy, ao amin'gny kianza agnatiny so hanopo ao amin'gny toera masy, dra aoky handay fagnatisy nohon'gny ota aho anay izy--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 28 Zeho gny ho lovan'ereo: Zaho gny lovan'ereo, dra aoky handareo sy hagnome fanagna eo amin'Israely ho andreo; Zaho gny ho fanagnan'ereo! 29 Hihina gny fagnatisy hohany ereo, gny fagnatisy nohon'gny ota, gny fagnatisy nohon'gny heloky, vo ze iaby feno fanoloram-bata ho an'i Yaveh ao Israely, dra ho andreo. 30 Gny soa loasy amin'ireo voloham-bokasy amin'gny raha aby vo gny fandrambesa anzara aby, ndre ino ndre ino abyy amin'gny fandrambesandrareo anzara aby dra ho an'gny pisoro, vo hagnome gny soa loasy amin'gny fagnatisy sakafondrareo ho an'gny pisoro handrareoso hitoeran'gny fitahia ao an-tragnondrareo. 31 Reo pisoro dra sy hihina fatim-biby na biby voaviravira, na voro na biby.