Toko faha 43

1 Bokeo gny lelahy nanday nahay teo amin'gny vavahady ze nisokasy niasinagna. 2 Ingo! Avy boaky agny asinagna gny voninahisin'gny Zagnaharin'Israely; manahaky gny feon'gny rano maro gny feony, dra namirasy gny voninahisy gny tany. 3 Zeho dra raky gny fisehoan'gny fahita ze hitako, araky gny fahita ze hitako no avy handrava gny tana Izy, vo reo fahita dra manahaky gny fahita ze hitako tao amin'gny Lakan-dranon'i Kebara--- vo niankohoky tamin'gny tarehiko zaho. 4 Dra avy tao an-tragni tamin'gny lala magnagny am-bavahady ze nisokasy niasinagna gny voninahis'i Yaveh. 5 Dra nanainga anahy gny Fagnahy dra nanday anahy tao an-kianza. Ingo! Nameno gny tragno gny voninahis'i YAveh. 6 Nizoro teo agnilako gny lelahy, vo nahare olon-kafa niresaky taminahy boaky tao an-tragno zaho. 7 Ho Izy taminahy: "Ry zanak'olo,tiky gny fitoeran'gny seza fiandrianako vo fitoeran'gny faladian-tomboko, ze hirobohako eo agnivon'gny vahoakin'Israely mandrakizay--- ereo na gny pazakan'ereo--- amin'gny sy finoa na amin'gny fatin'ireo pazakany teo amin'gny toera abony. 8 Sy hanimbazimba gny agnarako masy amin'gny fametraha gny tokonam-baravaran'ereo marin'gny tokonam-baravarako sasy ereo, dra reo sanganam-bavahadin'ereo marin'gny sanganam-bavahadiko, ndre amin'gny ino ndre ino laha-sy fefy raiky eo agnelagnelako vo ereo. Nanimazimba gny agnarako masy tamin'ireo asa maharikoriko ereo, dra handevo andreo amin'gny hahoriako Zaho. 9 Amizao aoky ereo hanagalaky gny sy finoan'ereo vo gny fatin'gny pazakany eo agnoloako, dra hitoboky eo agnivon'ereo mandrakizay Zaho. 10 Ry zanak'olo, hanao mihisy gny aoky hizaka mahakasiky anizeho tragno zeho amin'gny hasaveregnan'Israely so ho megnasy noho reo helony ereo. Tokony hihevisy mahkasiky zeho famatara zeho ereo. 11 Fa no megnasy nono ze iaby nahiny ereo, dra ambarao amin'ereo gny sarin-tragno, gny asipirihany, gny fiboahany, gny filirany, vo gny sariny aby, vo gny lily aman-dalagnany aby. Dra soraty eo amason'ereo zeho so hitandremany gny sarin'izeho vo gny lilin'izeho aby, dra hagneky regny. 12 Zeho gny fisipiky ho an'gny tragno: Hatregny amin'gny tampon'gny havoa magnodidy gy farisy aby magnodidy anizeho, dra ho masy loasy. Igno! Zeho gny ho fisipiky ho an'gny tragno. 13 Tahoky gny ho refin'gny alitara amin'gny hakiho--- zeho hakiho zeho dra ho akiho mahazasy sady vodivoam-pelatagna amin'gny halavany. Koa gny fanso magnodidy gny alitara dra ho hakiho laliky, vo gny sakany dra ho hakiho raiky avo koa. Gny farisy magnodidy gny sisiny magnodidy dra ho iran-zehy. Zeho gny ho fotosy gny alitara. 14 Bokeo amin'gny fansona miakasy agny amin'gny rindry abo amin'gny alitara dra ro hakiho, vo gny rindry dra raiky hakiho gny sakany. Vo boaky eo amin'gny rindry keliky miakasy amin'gny velaran'gny sisin'gny laitara, dra efasy hakihi zeho, gny valaran'gny sisiny dra raiky hakiho gny sakany. 15 Gny fata eo amin'gny alitara ho an'gny fagnatisy oroa dra efasy hakiho gny halavany, vo misy tandroky efasy manondro miakasy eo amin'gny fata. 16 Gny fata dra ro ambin'gny folo hakiho gny halavany vo ro ambin'gny folo hakiho gny sakany, efa-zoro. 17 Gny faris'izeho dra efasy ambin'gny folo hakiho gny halavany vo efasy amin'gny folo gny sakany amin'gny lafiny efasy kiraikiraiky aby, vo gny morony dra ansasa-hakiho. Gny fanso dra raiky hakiho gny sakany magnodidy aby vo reo zana-tohas'izeho dra mitoliky agny asinagna." 18 Magnarak'izeho dra ho Izy taminahy ho: "Ry zanak'olo, zeho gny zanan'gny Tompo Yaveh: Tahoky gny fisipiky ho an'gny alitara amin'gny andro anaovan'ereo anizeho, ho an'gny fanandrata gny fagnatisy oroa ao agnatin'izeho. 19 Hanolosy agnomby lahy boaky amin'gny biby fiteza ho fagnatisy nohon'gny ota ho an'ireo pisoro Levita ze taranak'i Zadoka hanao, dra reo ze nagnariny Anahy bo hanopo Anahy--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 20 Bokeo hanao hangalaky gny sasany amin'gny lion'izeho dra hametraky anizeho eo amin'gny alitaran'gny tandroky efasy vo gny lafy efasy gny sisiny dra eo amin'gny morony magnodidy; hagnaldio anizeho hanao dra hanao fagnavota ho an'izeho. 21 Dra managala agnomby lahy ho fagnatisy nohon'gny ota dra oroy eo amin'gny farisy voatendry ao amin'gny farisy gny tepoly ivelan'gny fitoera masy zeho. 22 Vo amin'gny andro faharo hanao dra hanolosy osy lahy sy misy kilema boaky amin'ireo osy ho fagnatisy nohon'gny ota; hagnadio gny alitara manahaky gny nagnadiovany anizeho tamin'gny agnomby lahy reo pisoro. 23 Nofa vitaniha gny fagnadiava anizeho, dra manolora agnomby lahy sy misy kilema boaky amin'gny biby fiteza vo agnondry lahy sy kilema boaky amin'gny agnondry aman'osy. 24 Atolory eo agnatrehan'i Yaveh reo; dra handraraky sira eo amin'ireo pisoro dra hanandrasy reo fagnatisy oroa ho an'i Yaveh. 25 Manomagna hanao osy lahy ho fagnatisy nohon'gny ota isan'andro mandrisy gny hafitoa, dra aoky ereo pisoro hanoma agnomby lahy sy misy lahy amin'gny biby fiteza vo agnomdry aman'osy avo koa. 26 Aoky ereo hanonitry gny alitara hateloa dra hagnadio anizeho, dra amin'izeho fomba zeho gny hagnamasignan'ereo anizeho. 27 Aoky hameno reo andro reo ereo, vo amin'gny andro fahavalo vo magnaraky anizeho dra hagnoma gny fagnatisy oroandrareo vo gny fagnati-pihavandrareo eo amin'gny alitara reo pisoro, dra hankasitraky andrareo Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."