Toko faha 42

1 Tafaran'izeho dra nandesin'gny lelahy niboaky tagny amin'gny kianza ivelany tagny amin'gny lafiny avarasy zaho, vo nandesiny tao amin'gny efi-tragno tandrifin'gny kianza ivelany vo gny rindry avarasy ivelany. 2 Reo efi-tragno reo dra zato hakiho gny eo agnoloany vo dimapolo hakiho gny sakany. 3 Gny sasany amin'ireo efitragno reo dra magnatriky gny kianza agnatiny vo ropolo hakiho ivelan'gny fitoera masy. Ambaratongan-tragno telo gny tao, vo reo ambony dra nagnety ambany amin'ireo ambany vo nisokasy amin'ereo, mana lalasara. gny efitragno sasny ddra nitaza teo amin'gny kianza ivelany. 4 Lala folo hakiho gny teo amin'gny sakany vo zato hakiho gny sakany gny magneo alohan'ireo efi-tragni. Nagnatriky gny avarasy gny vatrangaran'ireo efitragno. 5 Fa reo efitragno ambony dra kelikeliky, gny lalansara dra nangala toera malalaky noho gny amboany co gny agnivon'gny ambaratongan'gny tragno be. 6 Fa reo efitragno draagny amin'gny righa fahtelo dra sy nana andry, sy manahaky reo kianza, ze tokony hana andry. Dra gny ambaratongan'gny efitragno abo loasy dra keliky habe no mihoasy amin'ireo efitragno agny ambany loasy vo reo ambaratonga agnivony. 7 Gny rindry agny ivelany dra nagnaraky gny efisy magnatriky gny kianza ivelany, gny kianza ze magnoloa reo efitragno. Zeho rindry zeho dra dimapolo hakiho gny halavany. 8 Gny halavan'ireo efitragnon'gny kianza ivelany dra dimapolo hakiho, vo reo efitragno magnatriky gny fitoera masy dra zato hakiho gny halavany. 9 Nisy filira teo amin'gny efitragno ambany loasy magnagny amin'gny lafiny asinanga, milisy ao amin;gny j=kianza ivelany. 10 Nanera gny rindrin'gny kianza ivelany ao amin'gny lafiny asinagna ivelany, nanoloa gny kianza agnatin'gny fitoera masy, dra nisy efitragno avo koa 11 nindray tamin'gny lala nanoloa andreo. Ereo dra endrik'ireo efitragno amin'gny lafiny avarasy. Nitovy gny halavan'ereo vo gny sakany dra reo fiboaha vo reo fifagnaraha vo reo vatrangara. 12 Teo amin'gny lafiny asimo gny nisy reo vatrangara eo amin'gny efitragno ze mitovy amin'gny eo amin'gny lafiny avarasy. Gny lala ao agnatiny dra nisy vatrangara teo amin'gny lohany, vo gny lala dra nisokasy ho an';ireo efitragno isan-karazany. Teo amin'gny lafiny asinagna dra nisy vavahady nagnao amin'gny lala magnagny amin'gny farany raiky. 13 Dra ho gny lelahy taminahy ho: "Gny efitragno avarasy vo gny efitragno asimo magnoloa gny kianza ivelany dra efitragno masy ze hihinanan'ireo pisoro ze miasa eo ahnilan'i Yaveh gny sakafo indrindra. Ao gny ametrahan'ereo gny raha ze masy loasy--- gny fagnatisy sakafo, gny fagnatisy nohon'gny ota, vo gny fagnatisy nohon'gny heloky--- akory toera masy iho. 14 No milisy ao gny pisoro, aoky ereo sy hiala ao amin'gny toera masy ho agny kianza ivelany, no sy mametraky mariny gny fitafia ze nanopoan'ereo, akory masy reo. Dra aoky ereo hitafy fitafia hafa mialoha gny fagnatogna olo." 15 Vitan'gny lelahy gny fandrefesa gny tao agnatin'gny tragno dra nandesy niboaky tagny amin'gny vavahady ze magnatriky gny asinagna zaho dra nirefesy gny farisy magnodidy aby tegny. 16 Nandrefy gny lafiny asinagna volotara fandrefesa izy--- diman-zato hakiho tamin'gny volotara fandrefesa. 17 Nirefesiny gny lafiny avarasy--- diman-zato hakiho tamin'gny volotara fandrefesa. 18 Nirefesiny avo koa gny lafiny asimo--- diman-zato hakiho tamin'gny volotara fandrefesa. 19 Navalikiny sady nirefesiny koa gny lafiny andrefa--- diman-zato hakiho tamin'gny volotara fandrefesa. 20 Nirefesiny tamin'gny lafiny efasy zeho. nana rindry magnodidy anazy zrho ze diman-zato hakiho gny halavany, vo diman-zato hakiho gny sakany, so hapisaraha gny masy amin'ize iombona.