Toko faha 41

1 Bokeo gny lelahy nanday anahy ho agny amin'gny toera masin'gny tepoly dra nandrefy reo tolam-batrangara--- eny hakiho gny sakany amin'gny lafiny aby. 2 Gny sakan'gny tolam-batrangara dra folo hakiho; dimy hakiho gny halavan'gny rindry amin'gny lafiny kiraikiraiky. Bokeo gny lelahy nandrefy gny refin'gny fitoera masy--- efapolo hakiho gny haloavany vo ropolo hakiho gny sakany. 3 Bokeo gny lelahy nandeha tagny amin'gny toera masy loasy dra nandrefy gny tolam-batrangara--- ro hakiho, vo eny hakiho gny sakan'gny vatrangara. Fito hakiho gny sakan'gny rindry amin'gny lafiny aby. 4 Bokeo nandrefy gny halavan'gny efisy izy--- ropolo hakiho. Gny sakany--- ropolo hakiho eo agnoloan'gny efitragno lahiben'gny tepoly. Dra ho izy taminahy ho: "Tiky gny toera masy loasy." 5 Bokeo gny lelahy nandrefy gny rindrin'gny tragno--- eny hakoho gny hateviny. Gny sakan'gny lafin'gny efisy kiraikiraiky magnodidy gny tragno dra efsay hakiho. 6 Nisy paosin-tragno nafanongoa telo, efisy raiky ambonin'gny raiky hafa, efisy telopolo isakin'gny ambaratonga. Nisy rindry abo nagnodidy gny rindrin'gny tragno, so hanoha reo lafin'gny efisy aby, akory sy nisy toha napetraky teo amin'gny rindrin'gny tragno. 7 Dra niha-nalalaky reo lafin'gny efisy dra nandeha nihodikodiky niakasy, akory nihodikodiky niha-abo nagnodidy aby gny tragno; niha-nalalaky reo efisy arakarakin'gny nekarany, vo nisy tohasy niakasy nagnagny amin'gny ambaratonga abo loasy, amin'gny alalan'gny ambaratonga agnivony. 8 Bokeo nahita tokontany nasandrasy nagnodidy gny tragno aby zaho, gny fotosy ho an'gny paosin-tragno; nirefy eran'gny volotara gny halavan'izeho--- eny hakiho. 9 Gny sakan'gny rindrin'gny paosin-tragno agny ivelany dra dimy hakiho. Nisy toera malalaky teo ivelan'ireo efisy ao amin'gny fitoera masy reo. 10 Teo amin'gny lafiny ilaniho toera malalaky iho dra nisy gny paosin-tragno ivelany an'gny pisoro; ropolo hakiho gny sakan'iho toera iho magnodidy gny fitoera masy aby. 11 Nisy vatrangara teo amin'gny paosin-tragny magnagny amin'gny toera malalaky hafa--- vatrangara raiky teo amin'gny lafiny avarasy, vo gny raiky hafa teo amin'gny ilany asimo. Dimy hakiho gny sakan'iho toera malalaky iho magnodidy aby. 12 Vo gny tragno lahibe ze nagnatriky gny kianza teo amin'gny lafiny andrefa dra fitopolo hakiho gny sakany. Dimy hakiho gny refin'gny hatevin'gny rindriny magnodidy avy, vo sivifolo hakiho gny halavany. 13 Bokeo gny lelahy nandrefy gny fitoera masy--- zato hakiho gny halavany. Vo gny tragno voatoka, gny rindriny, vo gny kianza dra nirefy zato hakiho avo koa gny halavany. 14 Zato hakiho avo koa gny sakan'gny agnoloan'gny kianza eo agnoloan'gny fitoera masy. 15 Bokeo gny lelahy nandrefy gny halavan'gny tragno tao afaran'gny fitoera ,masy, teo andrefany, vo reo lalasara ivelany amin'gny andaniniy ro--- zato hakiho. Gny fitoera masy vo gny lavaranga, 16 reo rindry agnatiny vo reo vatrangarakeliky, isan'izeho reo vatrangarakeliky makarakara, vo reo lalasara ivelany magnodidy reo ambaratonga telo dra samby nahy tamin'gny hazo aby. 17 Eo ambonin'gny lalasara magnao amin'gny fitoera masy agnatiny vo gny elagnelan'ireo rindry dra nisy hazo rofia nahy sary sokisy. 18 Voaravaky kerobima vo hazo rofia zeho; mindray amin'gny hazo rofia eo agnelagnelan'gny kerobima kiraikiraiky, vo gny kerobima kiraikraiky dra nana tarehy ro: 19 tarehin-delahy raiky magnatriky hazo rofia gny eo amin'gny andaniny , vo tarehina liona tanora magnety magnatriky hazo rofia amin'gny ankilany. Voasokisy magnodidy gny tragno aby reo. 20 Bokeo amin'gny tany magnagny ambonin'gny vavahady, dra nisy kerobima vo hazo rofia voasokisy teo amin'gny rindry ivelan'gny tragno 21 Efa-zoro gny tolan'gny toera masy. Gny tarehin'ireo dra manahaky gny endriky 22 gny alitara vita amin'gny hazo agnolaon'gny toera masy, zay telo hakiho gny haabony vo ro hakiho gny halavany amin'gny lafiny kiraikiraiky. Gny zororny, fotony, vo gny rafisiny dra vita tamin'gny hazo. Bokeo gny lelahy nizaka taminahy ho: 'Tiky gny latabasy ze mizoro eo agnatrehan'i Yaveh." 23 Nisy vatrangara ro ho an'gny toera masy vo gny toera masy loasy. 24 Reo vatrangara reo dra samby kopa-dro, lela-vatrangara ro amin'gny vatangara raiky vo lela-vatrangara ro amin'gny raiky hafa. 25 Voasokisy teo amin'ereo--- teo amin'ireo vatrangaran'gny toera masy--- gny kerobima vo hazo manahaky gny nandravaha an'ireo rindry, sady nisy tafo hazo teo amin'gny lavaranga eo agnoloany. 26 Nisy varavarakeliky makarakara vo hazo rofia teo amin'gny lafin'gny lavaranga aby. Reo gny paosin-tragnon'gny tragno, dra nana tafo mihoasy avo koa reo.