Toko faha 40

1 Tamy tao fahadimy amby ropolo gny fahababoanay tamy fiandohagny tao tamy andro fahafologny vola, tamy fahefetra amby folo tao tafarany nahababo gny tana-tamin'izay andro zay avo, dra teo aminahy gny tanan'i Yaveh dra nangalaky anahy tany Izy. 2 Tao agnatiny fahita laha tamin'Agnahary gny nindesany anahy nagnagny amy tanin'Israely. Ninday anahy ho amy fisahara tagny tendrombohisy tena abo Izy;tagny asimo gny nidehoan'ireo tragno lahibegny tana. 3 Dra nandesiny tagny zaho. Indo , lelahy raiky! Gny endriny dra niendriky varahina. taly rongony fosy vo volotara fandrefesa gny tegny an-tagnany , dra nisanga teo amy fefinigny tana izy. 4 Nizaka taminahy gny lelahy ho :''Ry zanak'olo, magnetia amy masonao dra mitenoa amy sofinao, ka atombeno amin'izay aby aborako aminao gny sainao, satria nandesiny tatio ianao ba hahafahako mampiboraky anio aminao. Tatero amy ankohonan'Israely gny raha aby ze ho hitanao.'' 5 Nisy rindry nagnodidy gny farisy gny tempoly. Gny havavany gny volotara fandrefesa tegny an-tagnany lelahy dra enina hakiho, gny halavany hakiho kirairaiky dra hakiho raiky vo vodiavoam-pelatagnany raiky. Nandrefy gny rindry izy;zay dra raiky volotara fandrefesa dra raiky volotara gny haabony. 6 Laha teo dra nandeha nagnagny amy fefiny tempoly zay nitoliky niagnasignana izy. Niakasy tamy ambaratongan'izay izy dra nandrefy gny tokona gny fefy-raiky volotara gny halaliny. 7 Reo efitragno fiambena dra raiky volotara gny halavany dra raiky volotara gny zakany; nisy dimy hakiho teo agnelagnelan'ireo efitragno ro, dra gny tokognam-bavahadiny tempoly mariny teo amy lavarangy gny tempoly dra raiky volotara gny halaliny. 8 Nirefesiny gny lavarangy gny fefy; dra raiky gny volotara gny halavany. 9 Nandrefy gny lavarangy gny fefy izy. Raiky volotara gny halaliny. Reo tolagna dra ro hakiho gny sakany. Gny lavarangy gny fefy nanandrify gny tempoly zay. 10 Nisy efitragno fiambena telo teo amy andaniny ro gny fefy asignana, dra ninday refy ireo, dra ireo rindry zay nagnasaraky ireo dra nana refy nitovy. 11 Laha teo nandrefy gny sahany filira amy fefy gny lelahy=folo hakiho;dra nandrefy gny fefiny filira amy fefy-telo amby folo hakiho. 12 Nandrefy gny rindry zay nanamorogna gny anoloan'ireo efitragno izy-raiky hakiho gny haabony. Reo efitragno dra nirefy enina hakiho isan-dafiny. 13 Dra nandrefy gny filira amy vavahady teo amy tafo ka hatramy agny efitragno magnaraky izy-dimy amby ropolo hakiho, teo amy filira gny efitragno volohany hatragny amy agny faharo. 14 Nony avy eo dra nirefesiny gny rindry izay teo agnelagnelan'ireo efitragno fiambena__enipolo hakiho gny halavany; nirefesiny hatragny amigny lavarangin'ny vavahady. 15 Gny fidira avy teo anoloan'ny vavahady dra hatragny amigny faran'ny lavarangin'ny vavahady raiky hafa dra dimapolo hakiho. 16 Nisy lafonety nirindry nagnagny amin'ireo afitragno vo nagnagny amin'ireo andrin'ireo tao amigny magnodidy an'ireo vavahady aby; dra manahaky izay koa ho an'ireo lavarangy. Nisy lafonety nagnodidy gny tao agnatiny, dra gny sangana kiraikiraiky dra noravahana hazo rofia. 17 Dra nandesin'ilay lelahy tagny amigny kiaza ambalikigny tepoly zaho. Ingo, nisy efitragno, dra nisy rarivato teo amigny kiaza, nindray tamina efitragno telopolo teo agnilan'ilay rarivato. 18 Niakasy nagnagny amigny ilan'ireo vavahady ilay rarivato, dra gny sakan'izay dra nitovy tamigny halavan'ireo vavahady. Izay gny rarivato ambany. 19 Avy eo dra nandrefy gny elagnela teo amigny anoloan'ny vavahady ambany dra hatreo amigny alohan'ny vavahady agnatin'ny gny lelahy; zato hakiho gny tany asignana, dra manahaky izay koa gny tany avarasy. 20 Dra nandrefy gny halavany vo gny sakan'ny vavahady izay tao avarasy gny kiaza ambaliky izy. 21 Nisy efitragno telo teo amigny lafiny ro tamin'izay vavahady izay, dra gny vavahady vo gny lavaranginy dra nirefy nitovy tamigny vavahady lahibe___dimapolo hakiho gny fitambaran'ny halavany dra dimy amby ropolo hakiho gny sakany. 22 Reo vatrangarakelikiny, lavarangany, efitragny, vo reo hazo rofia dra nifagnaraky tamin'gny vavahady miasinagna. Fito dinga gny niakasy nagnagny amin'izeho vo gny lavarangany. 23 Nisy vavahady tao amin'gny kianza agnatiny teo agnoloan'gny vavahady nitoliky magnavarasy, sahala anizeho avo koa dra nisy vavahady tagny asinagna; nandrefy teo amin'gny vavahady raiky dra hatragny amin'gny vavahady raiky hafa gny lelahy---zato hakiho gny elagnelany. 24 Magnarak'izeho dra nandesin'gny lelahy nagnagny amin'gny vavahady filira asimo zaho, ka nirefy nitovy tamin'ireo vavahady ivelany hafa reo rindriny vo lavarangany. 25 Nisy varavarakeliky nirindry tao amin'gny filira amin'gny vavahady vo lavarangany dra manahaky gny tao amin'izeho vavahady zeho. Gny vavahady asimo vo lavarangany dra nirefy dimapolo hakiho gny halavany vo dimy amby ropolo hakiho gny sakany 26 Nisy dinga fito gny niakasy nagnagny amin'gny vavahady vo gny lavarangany, dra nisy sary sokisy rofia tamin'ireo andaniny ro tamin'gny rindry. 27 Nisy vavahady tao amin'gny kianza agnatiny tagny amin'gny lafiny asimo, dra nandrefy teo amin'izeho vavahady zeho ka hatragny amin'gny vavahady filira asimo gny lelahy--- zato hakiho gny elagnelany. 28 Bokeo dra nandesin'gny lelahy nagnao amin'gny kianza agnatiny magnariny gny lalan'gny vavahady asimo zaho, ze nana refy sahala gny an'ireo vavahady hafa. 29 Reo efitragnony, rindriny, vo reo lavarangany nirefy nitovy tamin'gny an'ireo vavahady hafa; nisy varavarakeliky nagnodidy gny lavaranga. Gny vavahady agnatiny vo gny lavarangany dra nirefy dimapolo hakiho gny halavany vo dimy amby ropolo hakiho gny sakany. 30 Nisy lavaranga avo koa nagnodidy gny rindry agnatiny; Reo dra dimy amby ropolo hakiho gny halavany vo dimy hakiho gny sakany. 31 Zeho lavaranga zeho dra nagnatriky gny kianza ivelany nindray tamin'gny sary sokisy hazo rofia teo amin'gny rindriny vo valo dinga gny niakasy nagnagny amin'izeho. 32 Vo dra nandesin'gny lelahy nagnagny amin'gny kianza agnatiny nagnariny gny lala asinagna zaho dra nandrefy gny vavahady, ze nana refy nitovy tamin'ireo vavahady hafa. 33 Reo efitragnony, rindriny, vo gny lavarangany dra nirefy nitovy tamin'ireo vavahady hafa, dra nisy varavarakeliky nagnodidy. Gny vavahady agnatiny vo gny lavarangany dra nirefy dimapolo hakiho gny halavany vo dimy amby ropolo hakiho gny sakany. 34 Gny lavarangany dra nagnatriky gny kianza ivelany; nisy hazo rofia teo amin'gny andaniny ro tamin'izeho vo valo dinga gny fekara nagnagny amin'izeho. 35 Marak'izeho dra nandesin'gny lalahy nagnagny amin'gny vavahady avarasy zaho dra nirefesy zeho; nirefy nitovy tamin'ireo vavahady hafa zeho. 36 Reo afitragnony, rindriny, vo gny lavarangany dra nirefy nitovy tamin'ireo vavahady hafa, vo nisy vatrangarakeliky nagnodidy. Gny filira amin'gny vavahady vo gny lavarangany dra nirefy dimapolo hakiho gny halavany vo dimy amby ropolo gny sakany. 37 Gny lavarangany dra nagnatriky gny kianza ivelany; nisy hazo rofia teo amin'gny andaniny ro vo valo dinga gny fekara nagnagny amin'izeho. 38 Nisy efi-tragny nisy avarasy teo agnilan'gny filira amin'gny vavahady agnatiny kiraikiraiky. Teo gny nanasan'ereo gny fagnatisy oroa. 39 Nisy latagasy ro isaky gny andanin'gny lavaranga kiraikiraiky, ze namonoa gny fagnatisy oroa, vo koa gny fagnatisy nohon'gny ota vo gny fagnati-pagnoregna 40 Teo agnilan'gny rindrin'gny kianza, miakasy magnagny amin'gny vavahady tagny avarasy, dra nisy latabasy ro. Teo amin'gny andaniny raiky hafa koa dra nisy latabasy ro teo amin'gny lavarangan'gny vavahady. 41 Nisy latabasy efasy teo amin'gny andaniny ro marinin'gny vavahady; namonoan'ereo biby teo ambonin'ireo latabasy valo. 42 Nisy latabasy vato tapaky efasy ho an'gny fagnatisy oroa, raiky hakiho sy sasany gny halavany, raiky hakiho gny haabony. Teo amin'ireo gny nametrahan'ereo gny fitova ze namonoan'ereo gny fagnatisy oroa ho amin'gny soro. 43 Fihantognan-draha ro raiky vodivoam-pelatagna gny halavany gny namehy gny lavaranga magnodidy, vo gny nofon'ireo fagnatisy dra napetraky teo ambonin'ireo latabasy. 44 Teo agnilan'gny vavahady agnatiny, tao agnatin'gny kianza agnatiny gny nisy gy efitragnon'ireo pihira. Gny raiky tamin'ireo efitragno reo dra tagny avarasy, vo raiky tagny asimo. 45 Koa dra ho gny lelahy taminahy ho: "Tihoky efitragno magnatriky asimo agny tihoky dra ho an'ireo pisoro ze miadidy ao an-tepoly. 46 Gny efitragno mitoliky agny avarasy koa dra ho an'ireo pisoro niadidy tao amin'gny alitara. Reo dra zanadahin'i Zadoka ze magnato mariny an'i Yaveh bo hanopo Anazy; ereo dra isan'ireo zanadahin'i Levy." 47 Bokeo izy nandrefy gny kianza--- zato hakiho gny halavany vo zato hakiho gny sakany amina efa-zoro, nindray tamin'gny alitara teo agnoloan'gny tragno. 48 Bokeo nandesin'gny lelahy nagnagny amin'gny lavarangan'gny tragno zaho dra nirefesy gny tolam-batrangaran'izeho--- dimy hakiho isaky gny andaniny gny hatevinireo. Gny filira dra efasy ambin'gny folo hakiho gny sakany, vo reo rindry isan-dafin'izeho dra telo hakiho gny sakany. 49 Gny halavan'gny lavaranga dra ropolo hakiho, vo gny halalikiny dra raiky ambin'gny folo hakiho. Nisy zana-tohasy niakasy nagnagny amin'izeho dra sangana nizoro teo amin'gny andaniny ron'izeho.