Toko faha 39

1 "Amizao hanao, ry zanak'olo, maminania hamely an'i Goga dra zakao ho: 'Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Ingo! Manohisy anao zaho, ry Goga, lahiben'i Meseka vo Tobala. 2 Hapitoliky anao zaho dra hitariky anao; handesiko miaraky boak'agny avarasy lavisy hanao dra andesiko agny amireo tendrombohis'Israely. 3 Dra hataoko miala boak'eo atagna-kavianao gny lefonao dra hataoko milasaky boak'eo amigny tagnanao havana gny sipiky. 4 Hezera ho maty eo amigny tendrombohis'Israely hanao__hanao vo gny atokonao dra reo maramila ze miaraky aminao. Hameko an'ireo voro pagnety vo reo bibidianigny saka ba ho sakafo hanao. 5 Hezera ho maty eo amigny saka hanao, fa Izaho mihisy gny mitalily anizay__izay gny talilinigny Topo Yaveh. 6 Dra handefa afo eo amin'i Magoga vo reo ze mony sy amin'ahiahy egny amoro-siraky zaho, dra ho fatas'ereo fa Izaho gny Yaveh. 7 Fa hataoko fatasy eo agnevon'Israely vahoako gny agnarako masy, dra sy hagnenga gny anarako masy ho zimbazimba sasy zaho; dra ho fatasy gny firenena fa Izaho gny Yaveh, gny Raiky Masy any Israely. 8 Ingo! Ho avy gny andro, dra hitranga zay__izay gny talilinigny topo Yaveh. 9 Reo ze monin'ao amigny tanan'Israely dra hiboaky dra hapiasa fialia ba hirehisy dra hahaavy afo hagnoro anereo__dra apinga masaiky, apinga lahibe, lefo-bory, sipiky, langilangy vo lefo; hapirehisy afo amin'ereo mandrisy gny fito tao reo. 10 Sy hamory hita boak'egny agnahisy ereo na hanapaky hazo boak'amireo ala, akory horoan'ereo gny fitova-pelia; hangalaky boak'amireo ze tehangalaky tamin'ereo izy; hambabo reo ze tehambabo anereo ereo__izay gny talilinigny Topo Yaveh." 11 Dra amizay andro zay dra hanambosy toera ho an'i Goga agny Zaho__lolo agny Israely, lohasaka ho an'ireo ze manao lia ho agny asignananigny ranomasy. Hanaka an'ireo ze magniry gny hisaky anizay. Agny gny handevegnan'ereo an'i Goga miaraky amigny vahoaky aby. Ho tokavin'ereo ho Lohasakan'i Hamona Goga zay. 12 Mandrisy gny fito vola dra handevy anereo gny akohonan'Israely ba hagnadio gny tany . 13 Akory handevy anereo gny vahoakinigny tany aby; dra ho andro fahasiarova ho anereo zay gny fa omem-boninahisy zaho__izay gny fagnambaranigny Topo Yaveh. 14 Dra hanendry olo hisaky gny tany hatragny ereo, ba hahita reo ze nandeha nisaky, fe maty dra nizano teo amigny talilinigny tany gny fatiny, ba hahafahan'ereo mandevin'anereo, ba hagnadiova gny tany. Amigny faranigny vola fahafito gny hanombohan'ereo gny fikarohany. 15 Raha mandalo gny tany reo lelahy reo, gny fa mahita tolan'olo ereo, dra hagnisy mariky eo agnilan'izay, mandrapahavianigny piamby lolo dra handevy anizay egny amigny Lohasakan'i Hamona Goga. 16 Hisy tana araky gny agnaran'i Hamona agny. Amin'izay fomba zay gny hagnaliovan'ereo gny tany. 17 Dra ho anao, ry zanak'olo, izao gny zakan'i Topo Yaveh: Zakao amin'ireo voro manan'elasy aby vo reo bibimola agny agnahisy ho: 'Mindresa mivory dra avia. Mivoria boak'agny amigny magnodidin'aby ho eo amigny soro zay zaho mihisy gny manao anazy ho anao, dra soro lahibe eo amigny tendrombohis'Israely, ba hahafahanao mihina nofo vo mino lio. 18 Ho haninao gny nofon'ireo pialy dra ho nominao gny lion'ireo andriandahinigny tany; ho agnondry, zanak'agnondry, osy lahy, dra agnomby lahy ereo, nataveziny tao Basana ereo. 19 Dra hihina tavy hanao mandra-pahavisinao; izay gny soro ho vonoko ho andrareo. 20 Ho visy eo an-databaso amigny sovala, kalesy, piamby, dra reo lelahin'aly aby handrareo__izay gny talilinigny Topo Yaveh.' 21 Hapetrako eo amin'ireo firenena gny voninahiso, dra ho hitan'ireo firenena gny fisarako ze taterahako dra gny tagnako ze napetrako hamely anereo. 22 Ho fatasy gny akohonan'Israely fa Izaho gny Yaveh zagnaharin'ereo manomboky amin'izay andro zay magnagny. 23 Ho fatas'ireo firenena fa gny akohonan'Israely dra lasa-ko babo nohonigny helok'ereo ze namadihany anahy, ko dra nagnavony gny tavako tamin'ereo zaho dra nanolosy anereo ho eo atagnan'ireo fahavalony fe dra lavonigny sabasy izy aby. 24 Nataoko tmin'ereo araky gny fahalotoany vo gny fahotny avo, gny fa fgnavony gny tarehiko tmin'ereo zaho. 25 Noho izay dra izao gny zakanigny Topo Yaveh: Amizao dra hagnery gny haren'i Jakoba zaho, dra hangoraky gny akohonan'Israely aby, gny fa miasa ami-zoto-po nohonigny agnarako masy zaho. 26 Dra hinday gny hegnas'ereo vo gny famadihana aby ze namadihany anahy ereo. Ho halignon'ereo izay aby zay gny fa mitoby sy amin'ahiahy ao amigny taniny ereo, sy misy na iza na iza mapihorohoro anereo. 27 Gny fa magnery anereo boak'amigny vahoaky zaho dra mamory anereo boak'ao amigny taninigny fahavalon'ereo, dra haneho gny vatako ho masy eo amasonigny firenena maro zaho. 28 Dra ho ftas'izy ereo fa Izaho gny Yaveh zagnaharin'ereo satria nandeha azy ereo ho esaky teo amin'ereo firenena aho, sendra avy eo zaho fiharoa izy ereo hihery agny amigny taniny.Sy hagnenga dre raiky amin'izy reo eo amin'ireo firenena zaho. 29 Sy hagnavony gny tavako amin'izy reo sasy zaho aby mandasaky gny fagnahiko eo amigny akohonan'Israely__izay gny fagnambaran'ny tompo Yaveh.''