Toko faha 48

1 Tahoky aby gny agnaran'ireo foko. Hahazo anzara-tany raiky gny fokon'i Dana, gny fari-tanin'izeho dra hipak hatragny amin'gny sisin-tanin'Israely magnamoro gny lalan'i htlona vo Lebo Hamata. Gny sissin-tanin'izeho dra hitohy hatragny Hazar-enana dra magnaraky gny sisin-tanin'i Damaskosy magnasimo dra hatragny Hamata. Gny fari-tanin'i Dana dra manomboky boky agny asinagnan'gny lala aby magnagny andrefa amin'gny Ramomasy Lahibe. 2 Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Dana, hatragny amin'gny lafiny asinagna dra hatragny andrefa, gny ho anzara raiky ho an'i Asera. 3 Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Asera hatragny amin'gny lafiny asinagna dra hatragny anrefa, fny ho anzara raiky ho an'i Naftaly. 4 Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Naftaly hatragny amin'gny lafiny asinagna dra hatragny andrefa, gny ho anzara raiky ho an'i Manase. 5 Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Manase hatragny amin'gny lafiny asinagna dra hatragny andrefa, gny ho anzara raiky ho an'i Efraima. 6 Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Efraima hatragny andrefa, gny ho anzara raiky ho an'i Robena. 7 Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Robena hatragny amin'gny ilany asinagna dra hatragny andrefa, gny ho anzara raiky ho an'i Joba. 8 Gny fagnolora gny tany ze hahiniha dra hagnaraky gny fari-tanin'i Joda vo hihitasy boaky agny amin'gny lafiny asinagna dra hatragny andrefa; ho dimy arivo sy ro aly hakiho gny sakany. Gny halavan'izeho dra mifandraiky amin'gny anzaran'gny foko raiky hatragny amin'gny afiny asinagna dra hatragny andrefa, bo ho eo agnivon'izeho gny tepoly. 9 Zeho tany ze hatolosiko an'i Yaveh zeho dra ho dimy arivo sy ro aly hakiho gny halavany vo ray aly hakiho gny sakany. 10 Tahoky aby gny ho andrekisy gny anzara-tany masy: ireo pisor dra hana tany voatendry ho andreo mirefy dimy arivo sy ro aly hakiho gny halavan'gny lafiny avarasy; ray aly hakiho gny sakan'gny lafiny andrefa; ray aly hakiho gny sakan'gny lafiny asinagna; vo dimy arivo sy ro aly hakiho gny halavan'gny lafiny asimo, mindray amin'gny toera masin'i Yaveh eo agnivon'izeho. 11 Zeho dra ho an'gny fanokana reo pisoron'gny taranak'i Zadoka, ze fa nanopo Anahy tamim-pahatokia, vo sy nandeha tamin'gny lalan-diso gny vahoakin'Israely, manahaky gny nahin'ireo Levita. 12 Gny fagnatisy ho andreo dra ho anzara boaky amin'itiky tany masy indrindra tiky, mihitasy hatragny gny faritanin'ireo Levita. 13 Gny tanin'ireo magnamoro gny fari-tany mindray amin'gny tanin'gny pisoro dra dimy arivo vo ro aly hakiho gny halavany vo ray aly hakiho gny sakany. Gny halavan' gny velaran-tany manotolo ro dra ho dimy arivo sy ro aly gny halavany vo ro aly hakiho hakiho gny sakany. 14 Sy mahazo mivarosy na manakalo anizeho ereo; sy misy azo sarahy amin'ireo velaran-taniny reo voloham-bokasy gny tanin'Israely, fa masy ho an'i Yaveh zeho iaby zeho. 15 Gny tany sisa tavela, dimy arivo hakiho gny sakany vo dimy arivo vo ro aly hakiho gny halavany, dra hiaraha-mapiasa ho an'gny tana, gny tragno, vo reo fihinanam-bilo; ho eo gnivon'izeho gny tana. 16 Tahoky aby gny ho refin'gny tana: 4.500 hakiho gny halavan'gny lafiny avarasy; 4.500 hakiho gny halavan'gny lafiny asimo; 4.500 hakiho gny halavan'gny lafiny asinanga; vo 4.500 hakiho gny halavan'gny lafiny andrefa. 17 Dra hisy haly magnavarasy ho an'gny tana, 250 hakiho gny halalikiny; eo amin'gny asimo, 250 gny halalikiny; eo amin'gny asinagna, 250 hakiho gny halalikiny, vo eo amin'gny andrefa, 250 hakiho gny halalikiny. 18 Vo gny farisy ambin'gny fagnatisy masy dra hahatratry raiky alina hakiho miasinagna dra ray aly hakiho miakandrefa. Hihitasy magnaraky gny faritanin'gny fagnatisy masy zeho sady ho sakafon'ireo ze miasa ao an-tana gny vokatr'izeho. 19 Gny vahoaky ze miasa ao an-tana, gny vahoakin'gny foko abin'Israely, gny hiasa zeho tany zeho. 20 Gny zara-tany aby dra mirefy dimy arivo sy ro aly hakiho tora-dro. Amin'izeho fomba zeho gny hanaovandrareo gny tany fagnatisy masy tany, maindray amin'gny tana. 21 Gny ambin'gny tany eo amin'gny andaniny vo gny ankilan'gny fagnatisy masy vo gny farisy gny tana dra ho an'gny andrian-dahy. Gny velaran-tanin'gny andrian-dahy agny asinagna dra hahatrasy dimy arivo sy ro aly hakiho manomboky eo amin'gny fari-tanin'gny fagnatisy masy dra hatragny amin'gny sisi-tany asinagna--- vo gny velaran'gny agny asinagna dra hahatrasy dimy arivo sy ro aly hakiho hatragny amin'gny sisi-tany andrefa. Ho eo agnelagnelany gny fagnatisy masy, vo gny toera masin'gny tepoly dra ho eo agnivon'izeho. 22 Gny tany mihitasy boaky eo amin'gny fanagnan'ireo Levita vo gny farisy gny tana eo agnivo dra ho an'gny andriandahy; ho eo agnelagnelan'gny sisin-tanin'i Joda vo gny sisin-tanin'i Benjamina zeho--- iho tany iho dra ho an'gny andriandahy. 23 gny amin'ireo foko ambiny, gny anzaran'ereo avo koa dra ho avy agny asinagna dra hatragny andrefa. Hahazo anzara raiky i Benjamina. 24 Mifagnila amin'gny fari-tanin'i Benjamina hatragny asinagna dra hatragny andrefa, gny ho anzara raiky ho an'i Simeona. 25 Mifagnila amin'gny fair-tanin'i Simeona hatragny amin'gny ilany ainagna dra hatragny andrefa, dra hahazo anzara raiky i Isakara. 26 Mifagnila amin'gny fari-tanin'Isakara hatragny amin'gny lafiny asinagna dra hatragny andrefa, dra hahazo anzara raiky i Zebolona. 27 Agny asimon'gny fari-tanin'i Zebolona, hatragny andrefa vo hatragny asinagna, dra ho tanin'i Gada--- anzara-tany raiky. 28 Gny fari-tany asimon'i Gada dra hihitasy manomboky agny Tamara dra hatragny amin'ireo ranon'i Meriba-kadesa, dra avy hatragny amin'gny lohasahan-driakon'i Egypta, vo hatragny amin'gny Ranomasy Lahibe. 29 Zeho gny tany ze hilokandrareo; ho lovan'gny fokon'Israely zeho. Reho dra ho anzaran'ereo. Zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 30 Tahoky gny ho fiboaha boaky ao an-tana: amin'gny lafiny avarasy, zay hirefy 4.500 hakoho gny halavany, 31 dra hisy vavahady telo, nitokavy boaky tamin'ireo fokon'Israely: vavahady raiky ho an'i Robena, vavahady ho an'i Joda, vo vavahady raiky ho an'i Levy. 32 Eo amin'gny lafiny asinagna, zay hirefy 4.500 hakiho gny halavany, dra hisy vavahady telo: vavahady raiky ho an'i Josefa, vavahady raiky ho an'i Benjamina, vo vavahady raiky ho an'i Dana. 33 Amin'gny lafiny asinagna, ze hirefy 4.500 hakiho gny halavany, dra hisy vavahady telo: vavahady raiky ho an'i Simeona, vavahady raiky ho an'Isakara, vo vavahady raiky ho an'i Zebolona. 34 Eo amin'gny lafiny andrefa, ze hirefy 4.500 hakiho, dra hisy vavahady telo: vavahady raiky ho an'i Gada, vavahady raiky ho an'i asera, vo vavahady raiky ho an'i Naftaly. 35 Valo arivo sy ray aly hakiho gny refy magnodidy gny tana; manomboky amin'iho andro iho, dra ho tokavy ho " Yaveh Gny Ao" gny agnaran'gny tana.