Toko faha 37

1 Teo aminahy gny tagnan'i Yaveh, dra ninday anahy hiboaky tamigny alalanigny Fagnahin'i Yaveh Izy dra nametraky anahy teo agnevonigny lohasaka; feno tola zay. 2 Dra nasany nihodidy teo amizay zaho. Ingo! Maro an'isa tamin'ereo gny zaka amigny lohasaka. Ingo! Maiky be vatany ereo. 3 Hoy Izy taminahy ho: "Ry Zanak'olo, afaky miay ndraiky ra ty tola tahoky?" Dra hoy zaho ho: "Ry Topo Yaveh, Hanao raiky avo gny mahay." 4 Dra nizaka taminahy izy ho: "Maminania amireo tola reo vo zakao amin'ereo ho: 'Ry tola-maiky. Tenoy gny zakan'i Yaveh. 5 Izao gny zakanigny Topo Yaveh amireo tola reo: Indro! hametraky fofon'ay aminao zaho, dra ho velo hanao. 6 Hametraky hozasy manerana anao zaho dra hinday nofo eo aminao. Handrakosy anao amigny holisy zaho dra hagnisy fofonay ao agnatinao ba hiay hanao. Dra ho fatasao fa Izaho gny Yaveh."' 7 Dra naminany arak'izay nandidia anahy zaho; raha naminany zaho, dra ingo, nisy feo avy, ze matahosy. Dra nifagnotany niaraky reo tola__tola amigny tola. 8 Nizano zaho dra, ingo, teo amin'ereo gny hozasy izao, dra nitombo gny nofo dra nandrakosy anereo gny holisy. Fa sy bo nisy fofonay tao amin'ereo. 9 Dra nizaka taminahy Yaveh ho: "Maminania amigny fofonay, maminania, ry zanak'olo, dra mizaka amigny fofonay ho: 'Gny Topo Yaveh mizaka anizao: Ry fofonay, mevia boak'amigny rivosy efasy, dra sofy reo ze voavono, ba hahafahan'ereo miay."' 10 Ko naminany araky ze fa nandidia anahy zaho; avy tamin'ereo gny fofonay dra velo ereo. Boak'eo dra nisanga tamigny tombony ereo, ze tafiky lahibe. 11 Dra nizaka taminahy Yaveh ho: "Ry zanak'olo, akohonan'Israely aby reo tola reo. Ingo! Hoy ereo ho: 'Nihamaiky reo tolany, dra lasa gny fanatenany. Nofongorany zahay.' 12 Noho izay dra maminania dra zakao ereo ho: 'Gny Topo Yaveh mizaka anizao: Ingo! Hanokaky reo lolondrareo Zaho dra hapiakasy andrareo hiboaky ao amizay, ry vahoako. HInday anao hihery amigny tanin'Israely Zaho. 13 Dra ho fatandrareo fa Izaho gny Yaveh, gny fa manokaky gny lolondrareo vo minday andrareo hiboaky amin'ereo zaho, ry vahoako. 14 Hametraky gny Fagnahiko ao amindrareo Zaho dra ho velo handrareo, dra hapiala sasasy andrareo agny amigny tanindrareo zaho gny fa fatandrareo fa Izaho gny Yaveh. Mitalily anizay zaho dra hagnatateraky anizay__izay gny talilin'i Yaveh."' 15 Dra avy aminahy gny zakan'i Yaveh, manao anizahoky ho: 16 "Koamizao hanao, ry zanak'olo, mangala tapa-kazo raiky ho anigny vatanao dra sorato eo amizay ho: 'Ho an'i Joda vo gny vahoakin"israely, reo namany.' Dra mangala tapa-kazo raiky hafa dra sorato eo amizay ho: 'Ho an'i Josefa, gny tapa-kazon'i Efraima, dra ho an'ireo vahoakin'Israely aby, reo namany.' 17 Andeso hiaraky ho tapa-kazo raiky izy ro reo, ba ho lasa raiky eo atagnanao ereo. 18 Gny fa mizaka aminao reo vahoakao dra manao anizahoky ho: 'Moa sy hizaka aminay gny dikan'ireo rahanao reo ra hanao?' 19 dra zakao amin'ereo ho: 'Gny Topo Yaveh mizaka anizao: Ingo! Mangalaky gny tapa-kazon'i Josefa ze eo atagnan'i Efraima vo reo fokon'Israely namany Zaho dra mapifandray anizay amigny tapa-kazon'i Joda, ba ho tapa-kazo raiky avo ereo, dra ho lasa raiky eo atagnako ereo.' 20 Hazogny eo atagnanao reo tapa-kazo ze nisoratinao teo amason'ereo. 21 Zakao amin'ereo ho: 'GNy Topo Yaveh mizaka anizao: Ingo! Handeha hangalaky reo vahoakin'Israely boak'amireo firenena ze nandehanan'ereo Zaho. Hamory anereo boak'amireo tany magnodidy Zaho dra hinday anereo agny amigny taniny. 22 Hataoko firenena raiky agny amigny tany ereo, eo amireo tendrombohis'Israely, dra pazaka tokana gny ho pazakan'izy aby reo, dra sy ho firenena ro sasy ereo. Sy ho voazara ho fazaka ro sasy ereo. 23 Dra sy handoto gnyvatan'ereo amin'ireo sapiny sasy ereo, reo rahany maharikoriko, na raiky amireo fahotany hafa. Fa hamozy anereo amireo nataony sy apinoa, ze nagnotany zaho, dra hagnalio anereo, dra ho vahoako ereo dra Izaho ho zagnahary. 24 Davida panopoko gny ho pazakan'ereo. Dra piamby toka gny ho amin'ereo aby reo, dra handeha araky reo fisipiko vo hitandry reo lalako dra hakato anizay ereo. 25 Hipetraky agny amigny tany ze nameko an'i Jakoba panopoko ereo, ze nizanognan'ireo razambendrareo. Hitoby ao agnatin'izay mandrakizay ereo__ereo, reo zanany, dra reo zafikeliny, akory Davida panopoko gny ho lahiben'ereo mandrakizay. 26 Hametraky fagneke-pivavaha miaraky amin'ereo Zaho. Ho fagneke mandrakizay miaraky amin'ereo zay. Hametraky anereo Zaho vo hagnamaro anereo dra hametraky gny toerako masy eo agnevon'ereo mandrakizay. 27 Gny toera fonegnako dra hiaraky amin'ereo; ho zagnahary Zaho, dra ho vahoako ereo. 28 Dra ho fatas'ireo firenena fa Izaho gny Yaveh ze manoka an'Israely, gny fa eo amin'ereo mandrakizay gny toerako masy."'