Toko faha 36

1 Amizao hanao, dra zanak'olo, maminany amin'ereo tendrombohisin'Israely, tenoy gny zakan'i Yaveh. 2Zahoky gny zakany tompo Yaveh: Fa nizaka momba andrareo gny fahavalo ho: ''Hia!'' dra ''Lasa fanagnanay ereo toera agnabo fahagola."' 3 Noho izay maminania dra zakao ho: 'Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Nohonigny faharavandrareo vo nohonigny fanafiha ze avy teo amindrareo boak'agny amigny lafiny aby, dra fa lasa fanagnan'ireo firene-kafa handrareo; fa lasa foko-kevisy gny moloso vo gny lela pagnendrikendriky handrareo, dra tataranigny olo. 4 Noho izay, ry tendrombohis'Israely, tenoy gny zakanigny Topo Yaveh: Izao gny zakanigny Topo Yaveh amireo tendrombohisy vo reo havoa abo, amireo lohandrian-driaky vo reo lohasaka, amireo poninigny faharava vo gny tana haolo ze fa lasa babo vo foto-kevisy gny fanirasira ho an'ireo firene-kafa ze magnodidin'anereo__ 5 noho izay gny Topo Yaveh dra mizaka amizao: Fa nizaka tao amigny afo-pahasiahako manohisy reo firene-kafa vatany Zaho, manohisy an'i Edoma vo reo aby ze nangalaky gny taniko ho anigny vatany ho fanagna, manohisy ze samby nifaly aby tao apony vo nanao sinosino tao amigny fagnahin'ereo, araky gny nangalan'ereo gny taniko ze mety hitalilian'ereo gny tanin'ahiny ho anigny vatan'ereo.' 6 Noho izay, maminania amigny tanin'Israely dra zakao amireo tendrombohisy vo reo havoanao abo, amigny lohasakan-driaky vo reo lohasa ho: 'izao gny zakanigny Topo Yaveh: Ingo! Agnatinigny fahoriako vo gny fahasiahako gny italiliako anizay akory indesa gny finirasiranigny firenena handrareo. 7 Noho izay, izao gny zakanigny Topo Yaveh: Izaho mihisy gny hanandrasy gny tagnako hiania fa reo firenena ze magnididin'andrareo dra hinday gny fahafam-barakany manoka vatany. 8 Fa handrareo, ry tendrombohis'Israely, Hitombo sapa vo hamokasy ho an'Israely vahoako handrareo, akory hihery amindrareo sy ho ela ereo. 9 Fa ingo, momba andrareo zaho, dra minday andrareo amizao; hasany vo ho fafaza amigny voa handrareo. 10 Ko hapitombo tendrombohis'olo eo amindrareo zaho ao amigny akohonan'Israely aby, izy aby zay. Hisy ponina reo tana vo hareny ndraiky rava. 11 Hapitombo gny olo vo gny bibimola eo amindrareo zaho ry tendrombohisy ba hitombo vo hahavokasy ereo. Dra hahaavy andrareo hisy ponina manahaky andrareo taloha zaho, dra hambiniko mihoasy noho reo vitandrareo taloha handrareo, hahafatarandrareo fa Izaho gny Yaveh. 12 Hinday olo zaho, ry Israely vahoako, ba handeha eo amindrareo. Ho fanagnan'ereo handrareo, dra ho lovany, dra sy hahaavy gny zanak'ereo ho maty sasy handrareo. 13 Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Akory ereo mizaka amindrareo ho: "Mandevogna olo hanao, dra fa maty gny zanaky gny firenenao," 14 noho izay dra sy handevo gny firenenandrareo handala gny fahafatesan'ereo sasy. Izay gny fagnambaranigny Topo Yaveh. 15 Na koa hagnenga andrareo hahare gny fanirasiranigny firenena sasy Zaho; sy hinday gny hegnasy gny olo sasy handrareo na hahaavy gny firenendrareo ho lavo__izay gny fagnambaranigny Topo Yaveh."' 16 Vo ho avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao anizahoky ho: 17 "Ry zanak'olo, gny fa nonina tamigny taniny gny akohonan'Israely, dra nandoto anizay tamireo fombany vo reo asany. Gny fomban'ereo dra manahaky gny fahalotoanigny fadimbolanigny apela eo anoloako. 18 Ko nararako teo amin'ereo gny fahoriako nohonigny lio ze nalasak'ereo teo amigny tany vo nohonigny fandotoan'ereo anizay tamigny alalan'ireo sampany. 19 Naeliko teo amireo firenena ereo; naparitaky nanera reo tany ereo. Nizakako araky reo fombany vo reo asany ereo. 20 Boak'eo ereo nagnagny amireo firenena, bre na teza na teza nandehanan'ereo, dra nanirasira gny agnarako masy ereo gny fa nizaka gny amin'ereo gny vahoako ho: 'Ireo vatany ra gny vahoakin'i Yaveh? Fa nanda gny zakany ereo.' 21 Fa nana fangoraha-po ho anigny agnarako masy ze fa nilotonigny akohonan'ISraely teo amigny firenena zaho, raha nandeha tagny ereo. 22 Ko zakao amigny akohonan'Israely ho: 'Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Sy manao anizay nohonigny amindrareo zaho, ry akohonan'Israely, fa nohonigny agnarako masy, ze fa nilotondrareo teo amireo firenena aby ze fa nandehanandrareo. 23 Fa hanao gny agnarako lahibe ho masy zaho, ze fa nilotondrareo teo amireo firenena__teo agnevon'ireo firenena, gny nanirasirandrareo zay. Dra ho fatasy gny firenena fa Izaho gny Yaveh__izay gny talilinigny Topo Yaveh__gny fa hitandrareo fa masy Zaho. 24 Halako boak'eo amireo firenena handrareo dra havoriko boak'agny amigny tany aby, dra handesiko agny amigny tanindrareo handrareo. 25 Boak'eo ho fafazako rano malio eo amindrareo ba ho voalio amireo fahalotoandrareo aby handrareo, dra ho lioviko amigny sapindrareo aby handrareo. 26 Hameko fo vo fagnahy vaovao handrareo ao agnatindrareo ao, dra halako amigny nofondrareo gny fo vato. Fa hameko fo nofo handrareo. 27 Hametraky gny fagnahiko ao amindrareo Zaho dra hahaavy andrareo hagnaraky gny lalako vo hitandry gny didiko, dra hataondrareo reo. 28 Dra honina ao amigny tany ze nameko gny razambendrareo handrareo; ho vahoako handrareo, dra Izaho ho Zagnaharindrareo. 29 Fa havotako boak'amigny fahalotoandrareo aby handrareo. Hitoka gny vary vo hapitombo anizay zaho. Sy hasiako mosary sasy eo amindrareo. 30 Hapitomboko gny tegnanigny hazo vo gny vokasinigny mosary eo amigny firenena sasy handrareo. 31 Dra hahasiaro gny fomba rasindrareo vo gny asa rasindrareo ze sy soa handrareo, dra haneho rikoriko eo amigny tarehindrareo noho reo fahotandrareo vo reo asa mapangelakelaky avo handrareo. 32 Sy manao anizay nohonigny amindrareo zaho__izay gny talilinigny Topo Yaveh__aoky ho fatandrareo zay. Noho izay aoky ho megnasy vo ho afa-baraka nohonigny fombandrareo handrareo, ry akohonan'Israely. 33 Izao gny zakanigny Topo Yaveh: Amigny andro ze handiovako andrareo amigny helondrareo aby, dra hataoko monina ao amireo tana handrareo dra hamboasy ndraiky reo toera rava. 34 Fa hasiandrareo ndraiky gny tany rava mandra-pahavy anizay ho sy faharava eo amason'ireo aby ze mandalo sasy. 35 Dra nizaka ereo ho: "Rava ty tana tihoky, fe seky lasa manahaky gny sakan'i Edena izy; reo tana rava vo reo rava sy misy ponina ze nisolany dra voaaro fatrasy sady nonegna amizao." 36 Boak'eo reo firenena hafa magnodidin'anao dra hahafatasy fa Izaho gny Yaveh, fa Izaho gny nananga gny rava vo napamokasy ndraiky reo toera maiky. Iazho gny Yaveh. Fa zinakako zay dra hataoko. 37 Izao gny zakanigny Topo Yaveh: ho Angatahan'ireo akohonan'Israely ndraiky zaho ho ba hanao anizay ho anereo, ba hapitombo anereo manahaky gny andian'olo. 38 Manahaky gny agnondry voatoka ho anigny soro, manahaky gny agnondry agny Jerosalema amigny fanasany voatondro, dra ho feno andian'olo reo tana rava dra ho fatas'ereo fa Izaho gny Yaveh."'