Toko faha 35

1 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 2 ''Ry zanak'olo, ampanatreho gny Tendrombohisy Seïra gny tarehinao dra maminania manohisy anizay. 3 Zakao amin'izay ho: 'Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Ingo!Manohisy anao zaho, ry Tendrombohisy Seira, dra hamely anao amy tagnako zaho dra hanao anao ho lao vo horohoro. 4 Ho ataoko rava ireo tanandrareo, dra iandrareo dra ho lasa faharava; laha teo dra ho fatasindrareo fa Izaho gny Yaveh. 5 Satria fahavalo teo amy vahoakin'Israely mandrakariva iandrareo, dra nandefa anazy reo teo an-tagnany lefo iandrareo tamy fotoany fahorian'ereo, tamy fotoany fahorian'ereo, tamy fotoa naha-lahibe gny sazin'ereo. 6 Noho zay, raha bo velo koa zaho-zay gny fagnambarany Topo Yaveh-dra hagnoma andrareo ho amy fandasahan-dra zaho, dra hagneziky andrareo gny fandasahan-dra! Satria sy nankahalandrareo gny fandasahan-dra, dra hagneziky andrareo gny fandasahan-dra. 7 HO ataoko faharava tateraky gny Tendrombohisy Seira fa gny hangalaky laha tamin'izay aby miriosy eo vo mihery eo amin'izay zaho. 8 Dra ho fenoko amy lohan'ereo gny tendrombohisin'izay. REo havoana avondrareo vo ireo lohasaha dra ireo loharanondrareo aby-ireo ze matiny lefo dra holavo ao amin'ereo . 9 Ho ataoko faharava mandrakizay iandrareo. Sy hisy pony ireo tanandrareo, fa ho fatandrareo fa Izaho gny Yaveh. 10 Ianao fa nizaka ho: ''Reo firenena ro reo vo ireo tany ro ireo dra ho anahy, dra hana anazy reo ho fanagna isika, ''na dra niaraky tamin'ereo avo i Yaveh. 11 Noho zay, raha bo velo koa zaho-zay gny fagnambarany Topo Yaveh-dra hanao araky gny hahorianao vo araky gny fialogna ze nanagnanao tamy fankahalanao an'Israely zaho, dra haneho gny vatako amin'ereo zaho fa gny misara anao. 12 Dra ho fatasy drareo fa zaho gny Yaveh. Fa nahare ereo mpagnahy ze nizakan'ereo tamin'ereo tendrombohisin'Israely zaho, raha; fa name teo aminay ba ho harampaky ereo.'' 13Fa manandrasy gny vatandrareo taminahy tamizay nizakandrareo, dra nampitombo ereo zaka nanoherandrareo anahy; dra reko zay aby.