Toko faha 34

1 Laha taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 2 ''Ry zanak'olo, maminania manohisy ireo mpiamby agn'ondrin'Israely. Maminania dra zakao izy ireo ho: 'Izao gny zakan'i Topo Yaveh amin'ereo piamby agn'ondry: Loza ho an'ereo mpiamby agn'ondrin'Israely ze miamby gny vatan'ereo avo. Moa se sy tokony hiamby gny agn'ondry vo osy gny mpiamby agn'ondry? 3 Mihinana gny ampaha gny vondraky ianao dra misikina volon' agn'ondry. Mamono gny vondraky amy agn'ondry inao . Sy miamby agn'ondry koa ianao. 4 Sy nagnamafy ireo ze mana arety ianao, na nagnasitra an'ereo ze marary. Sy manambasy ireo ze tapaky ianao, dra sy magnery ze voaroaky na mitalia gny levo. Fa dra, manapaky eo amin'ereo amy alalany hery vo herisatra ianao. 5 Laha teo dra niparitaky sy nisy miamby izy reo, dra lasa sakafo ho agny bibidia egny an-tanimboly, tafarany nanaparitaha anazy reo. 6 Nirerirery tegny amy tendrombohisy aby vo gny havoana aby gny agn'ondriko, dra voaely nanera gny tany zay. Nefa sy bo misy olo mitalia anereo. 7 Noho zay, ry mpiamby agn'ondry , tenoy gny zakan'i Yaveh: 8 Raha bo velo koa zaho-zay gny fagnambaran'i Topo Yaveh-satria lasa tia vo sakafo ho agny bibidia aby egny an-tanimboly gny agn'ondriko, satria sy nisy mpiamby agn'ondry dra sy nisy tamin'ereo mpiamby agn'ondriko nitalia gny agn'ondriko, fa niamby gny vatany avo reo mpiamby agn'ondry fa sy niamby gny6 agn'ondriko. 9 Noho zay, ry mpiamby agn'ondry, tenoy gny zakan'i Yaveh: 10 Topo Yaveh mizaka anizao: Ingo! manohisy ireo mpiamby agn'ondry zaho, dra hitaky gny agn'ondriko eo an-tagnan'ereo zaho. Laha teo dra ho roahiko amy fiandrasa gny agn'ondry izy ireo; na gny mpiamby agn'ondry avo sy hiamby gny vatan'ereo sasy satria hangalaky ireo agn'ondroko sy ho eo amy vavan'ereo zaho, ba sy ho sakafon'ereo sasy gny agn'ondriko. 11 Fa gny Topo Yaveh mizaka anizao: Ingo ! Hitalia gny agn'ondriko zaho dra hikarakara ireo, 12 manahaky gny mpiamby agn'ondry mitalia gny agn'ondriny amy andro fa gny eo agnevony agn'ondriny mibarakay izy. Noho zay dra hitalia gny agn'ondriko zaho, dra hamozy anazy ireo amy toera iaby ze nagnapariaha anazy ireo amy andro gny rahona vo gny fahamezigna. 13 Laha teo andesiko miboaky laha teo amin'ereo vahoaky izy ireo; hahoriko agny amy tany ireo dra ho andesiko agny amy tanin'ereo . Hametraky anazy ireo egny amy tanin'ahisin'ereo moron-tendrombohisin'Israely, amy renirano, dra agny amy fonena aby ao amy tany Zaho. 14 Hametraky agny amy ahisy soa Zaho; gny tendrombohisy abon'Israely gny ho fitoeram-bilony. Handry eo amin'ireo toera soa firofam-bilo ireo, agny amy tany feno ahisy, dra hiraoky egny amy tendrombohisin'Israely izy ireo. 15 Izaho mahisy gny hiamby gny agn'ondriko, dra izaho mahisy gny hampandry anazy reo-zay gny fagnambrany Topo Yaveh- 16 Hitalia gny levo zaho dra hametraky ze noroahiny. Hamehy reo agn'ondry tapaky Zaho dra hagnasitrany gny agn'ondry marary fa gny vondraky vo gny fatrasy dra ho vonoko. Hiamby agn'ondry ara-drariny Zaho 17 Amizao ianao, ry agn'ondriko- izao gny zakany Topo Yaveh-ingo,ho pisara eo amy agn'ondry vo osy zaho dra eo amin'ireo agn'ondry lahy vo osy lahy. 18 Moa se sy ampy hohany gny ahisy soa, gny sy maisy hisakisahinao amy tombonao gny sisa tavela amy ahisy; dra ho nomy gny rano malio, gny sy maisy lotonao ho fotaky amy tombonao gny renirano? 19 Moa se gny agn'ondriko sy maisy mihina ze nisakisahinao tamy tombonao, dra mino ze nolotonao ho fotaky tamy tombonao? 20 Noho zay gny Topo Yaveh dra mizaka anizao amin'ereo: Ingo Izaho mahisy gny hisara eo amin'ireo agn'ondry vondraky vo ireo mahis, 21 satria iandrareo fa nandrozindrozy anazy ireo tamy hahoriandrareo vo sorokindrareo, dra fa notrongisindrareo tamy tandrokindrareo malemy nandra-panaparitakindreo anazy reo niboaky gny tany. 22 Hamozy gny agn'ondriko Zaho dra sy ho tia sasy , dra hisara eo amy agn'ondry raiky bo raiky hafa Zaho! 23 Hametraky piaraky agn'ondry raiky eo amin'ereo zaho, dra Davida panompoko. Hiamby anazy reo izy, hagnome hany anazy reo, dra ho piamby izy ireo. 24 Fa Izaho, Yaveh, ho Zagnaharin'ereo, dra Davida mpanopoko dra ho andriana eo amin'ereo- Izaho, Yaveh, gny fa nagnambara anizay. 25 Dra hanao fanekem-pihavana amin'ireo Zaho dra hangalaky ireo bibidia masy laha taminy tany, ba hahafahan'ereo miay am-pilamina agny amy tany efisy dra handry soa aman-tsara agny amin'ireo ala. 26 Izaho dra hinday fitahia amin'ireo vo amin'ireo toera magnodidy gny havoanako, satria handefa ora amy andro voatondro Zaho. Ho ora gny fitahia zay. 27 Dra hamokasy reo tegnany gny hazo gny saha , dra gny tany dra hagnome alala gny vokany. Ho voaaro ao amy tanin'ereo gny agn'ondriko; dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh, fa gny manapaky ireo hiliny ziongan'ireo zaho, vo gny magnavosy anazy reo aby amy tanan'ereo ze nagnandevo anazy ireo. 28 Sy ho tia an'ereo firenena sasy izy ireo, dra sy handrapaky anazy ireo sasy ireo bibidia agn'abony tany. Fa hiay am-pilamina izy ireo, dra sy hisy na iza na iza hampatahosy anazy reo. 29 Fa hamboasy toera fambolea milamy ho anazy ireo zaho ba sy ho matiny mosary sasy izy reo ao amy tany, dra ireo firenena sy hinday fagnarasia amin'ereo. 30 Dra ho fatan'ereo fa Izaho , Yaveh Zagnaharin'ereo, dra miaraky amin'ereo. Izy reo gny oloko, gny ankohanan'Israely-zay gny fagnambarany Topo Yaveh. 31 Fa iandrareo gny agn'ondriko, vo osiko dra oloko, Izaho gny Zagnaharindreo-zay gny fagnambarany Topo Yaveh.'''