Toko faha 33

1 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh nanao ho: 2 '' Ry zanak'olo , ambarao amy vahoakinao izao; zakao amin'ereo ho:'Fa gny minday lefo hanohisy gny tany aby zaho, dra hangalaky olo raiky amin'ireo gny ponin'izay tany zay dra hanao anazy ho pitily ho anazy ireo. 3 Magnety gny lefiny fa tamy eo amy tany izy, dra misioky gny azomarany ba hampitandry gny vahoaky! 4 Raha mahare gny feo azomara gny olo nefa sy mitandry , dra raha avy dra mamono anazy ireo gny lefo , dra ho eo an-dohany kirairaiky avo koa gny loiny. 5 Raha misy olo mahare gny feo azomara dra sy mitandry , dra ho eo aminazy gny liony; fa gny mitandrina izy, dra hahavozy gny ainy. 6 Na izay aza, gny hitan'ny pitily fa tamy gny sabatra, nefa gny sy misoka gny azomara izy, dra gny vokany dra sy nampitandrema gny olo, dra gny avy gny sabatra dra mangalaky ain'olo, dra matin'ny fahotany avo izay olo zay, fa hadigniko amigny pitily gny liony.' 7 Dra hanao, ry zanak'olo! fa nataoko pitily ho an'ny ankohonan'Israely hanao; handre reo zaka avy amigny vavako hanao dra hampitandry anazy reo amigny agnarako. 8 Gny mizaka amigny rasy fagnahy zaho ho:' Ry rasy fagnahy, ho maty tokoa hanao!' nefa gny sy mizaka izay na mampitandry gny rasy fagnahy gny amigny fanaony hanao, dra ho fatin'ny fahotany izy izay rasy fagnahy, nefa ho takiko amigny tagnanao gny liony! 9 Nefa hanao, gny mampitandry gny rasy fagnahy gny amigny fanaony, ba hialany amin'izay, dra gny sy miala amigny fanaony izy, dra ho fatin'ny fahotany izy, fa hanao hahavozy gny ainao. 10 Dra hanao. ry zanak'olo, zakao amigny ankohonan'Israely ho:' Izao gny zakandrareo:'Gny helokay vo gny fahotanay dra eo aminay, dra solan'ireo izahay! ino gny hahavelon'anay?''' 11 Zakao amin'izy reo ho:' gny velo koa zaho__izay gny fagnambaran'ny tompo Yaveh__dra sy mankasitraky gny fahafatesan'ny rasy fagnahy zaho, fa gny mibebaky amigny fanaony gny rasy fagnahy, dra ho velo izy! Mibebaha! Mibebaha amigny fomba rasindrareo! fa ino gny tokony ho maty handrareo, ry ankohonan'Israely?' 12 Dra amizao ianao, ry zanak'olo, zakao amy vahoakinao ho:'Gny fahamarinan'olo-mary dra sy hagnavosy anazy raha manota izy ! Gny faharasigny rasy fagnahy sy hamono anazy raha mibebaky amy fahotany izy ! Fa sy afa-hiay noho gny fahamarignany gny olo-mary raha manota izy. 13 Raha mizaka amy mary zaho ho: '''Ho velo vatany izy !''dra raha matoky amy fahamarinany izy dra manao gny sy rariny, dra sy hahasiaro ze fahamarignany zaho. Ho sy hahasiaro ze fahamarinany zaho. Ho maty faharasia nataony izy. 14 Dra raha mizaka amy rasy fagnahy zaho ho:''Ho maty vatany ianao,''nefa raha mibebaky hiala amin'ireo fahotany vo manao ze mary vo mahisy izy- 15 raha magnery gny atoky gny findramam-bola zay nangatahiny tamim-paharasia izy, na raha magnery ze nangalariny izy, dra raha mandeha amin'ireo lala zay minday fiaigna dra sy manota sasy-dra ho velo vatany izy. Sy ho maty izy. 16 Sy misy ho saroany ireo fahota ze nataony. Fa nanao gny mary vo mahisy izy, dra noho zay,dra ho velo vatany izy! 17 Nefa hoy gny vahoakinao:'Sy rariny gny fitondra gny topo!'' Kanefa gny fombandrareo gny sy rariny! 18 Raha miala amy fahamarignany dra manota gny olo-mary, dra ho matin'izay izy! 19 Raha miala amy faharasiany gny rasy fagnahy dra manao ze mahisy vo mary , dra ho velo noho reo raha izy! 20 Nefa iandrareo vahoaky manao ho:''Sy rariny gny fitondra gny Topo!''Hisara gny kirairaiky amindrareo araky gny lalany aby zaho, ry taranak'Israely!''' 21 Dra tamy tao faharo amby folo,tamy andro fahadimy gny vola fahafologny fahababoasika, gny nisy pisoa-ponena avy teo aminahy laha tgny Jerosalema dra nanao ho: ''Tia gny tana! '' 22 Teo aminahy gny hariva nialoha gny nahaviagny piala-ponena gny tanan'i Yaveh fotoa ze nahaviany teo aminahy tamy mangiran-drasy. Dra nisioky gny havoako; sy moana sasy zaho! 23 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 24 ''Ry zanak'olo, ze mony amin'ereo rava ao amy tanin'Israely dra miresaky dra manao ho: 'Olo raiky avi Abrahama, dra nandova gny tany izy, nefa maro isika! Nome asika ba ho fanagna gny tany.' 25 Noho zay zakao amin'ereo ho:'Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Mihina-lio anadrareo, dra mapiandra gny masondrareo agny amin'ireo sapindrareo, laha teo dra nandraraky lion'olo andrareo. Tokony hana gny tany vatany se iandrareo? 26 Fa niaky tamin'ireo sabatrandreo andrareo dra fa nanao raha mampagnelakelaky ; gny lelahy kirairaiky dra mandoto gny valiny piara-mony aminazy. TOkony hahazo gny tany vatany se andrareo?' 27 Izao gny ho zakanao amin'ereo: 'Izao gny zakan'i Tompo Yaveh: Raha velo koa Zaho, dra lavon-defo marina vatany ireo olo ao amin'ireo rava, dra reo ze agny an-tanimboly dra homeko ho an'ereo raha-managn'ay ho sakafo, dra reo ze ao amy fiarova fatrasy vo agny an-dava-bato dra ho matygny areti-mandringa. 28 Dra havaliko ho lao vo tahosy gny tany, dra hiafara gny avignavo gny herin'izay, fa ho lahibe reo tendrombohin'Israely, dra sy hisy na iza na iza hagnenga eo amin'ireo.' 29 Dra ho matin'ereo fa Izaho gny Yaveh, fa gny manao gny tany ho lao vo tahosy noho gny fahavetaveta aby nataon'ereo zaho. 30 Dra amizao ianao, ry zanak'olo-gny vahoakinao dra mizaka raha momba anao eo mariny gny fefy vo reo vavahady gny tragno, dra gny kirairaiky mifapizaka -gny kirairaiky amy rahalahiny ho:'Handeha isika dra hiteno gny zakany paminany ze laha tamin'i Yaveh! 31 Dra ho avy eo aminao gny vahoakiko, manahaky ze fataony matetiky, dra hipetraky eo anatrehanao dra hiteno anireo zakanao, nefa sy hakoto anio izy reo. Reo zaka mary gny eo am-bavan'ereo, nefa gny fony dra magnaraky tombony sy ara-drariny. 32 Fa manahaky gny hatsa ho anazy reo ianao, feo mahafinarisy zay notendre soa tamy lokanga, dra hiteno reo zakanao izy reo, nrfa sy hisy amin'ereo ho tia anizay. 33 Dra gny misanga aby zay - ingo! hisanga zay! - dra ho satan'ereo fa nisy paminany teo aminazy.'''