Toko faha 32

1 Tamy volana faharo amby folo gny tao faharo amby folo tamy volohany gny volana, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2 ''Ry zanak'olo, manandrata fandalana mahakasiky an'i Farao gny pazakan'i Rgypta; zakao anazy ho:''Manahaky gny liona tanora eo amin'ireo firenena ianao, saiky manahaky gny biby masiaky ao an-dranomasy ; mizoboky ao agnaty rano ianao, dra manakobakobana gny rano amy tombony dra mandoto gny ranon'ereo. 3 Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Dra handasaky gny haratoko ao aminao eo amin'ireo fivondrognany vahoaky maro zaho, dra hampiakasy anao amy haratoko izy reo. 4 Hagnenga anao ao amy tany zaho . Hatorako agny an-tanimboly ianao dra hahoriko eo aminao ireo voro gny lagnisy aby; ho voky miatiaty aminao gny haresin'ireo biby velo amy tany aby. 5 Fa hametraky gny nofonao eo an-tendrombohisy zaho, dra ho fenoko gny fahalovany fatinao ireo lohasaha. 6 Dra handraraky gny liona manerana gny tendrombohisy zaho, dra ho feno gny lionao gny fandrian-drano. 7 Dra gny fa hamono anao zaho, dra handrakoky gny lagnisy vo hagnamesy gny vasian'ereo; ho takonako rahona gny masoandro, dra sy hamirapirasy amy hazavany gny vola. 8 Hagnamezy gny famirapirata ze amy lagnisy eo amindrareo zaho, dra handrakoky ezy eo amy tanindrareo -zay gny fagnambaran'i Topo Yaveh. 9 Dra hampagnelakelaky gny fo gny vahoaky maro ao amy tany ze st fatanao zaho, fa gny bo handay fahalavoa ho anao eo amin'ireo firenena, eo amin'ireo tany ze sy bo fatanao zaho. 10 Hanafitohy vahoaky maro mahakasiky anao zaho; hangitikitiky gny mahakasiky anao reo pazakan'ereo fa gny mampisizaky gny lefoko eo aloan'ereo zaho. Hangitikitiky noho ianao amy fotoa aby gny kirairaiky, amy andro faharanao. 11 Fa izao gny zakan'i Topo Yaveh: Ho avy hanohisy anao gny sabatry gny pazakan'i Babylona. 12 Hataoko matiny gny sabasin'ireo pialy reo vahoaky maronao-pialy samy horohoron'ereo firenena. Reo pialy reo dra handrava gny avognavon'i Egypta vo hamono ireo vahoaky maro. 13 Fa hamono gny biby fiteza aby laha teo amy rano be dra be zaho; Sy hagnakobakoba gny rano sasy gny tombony gny olo, na handika ireo gny kitrogny biby teza. 14 Laha teo dra hapitony reo ranony vo hampiroro ireo oniny manahaky gny menaky zaho-zay gny fagnambarany Topo Yaveh. 15 Fa gny manao gny tany Egypta ho tana haolo zaho, fa gny sakana amy fahafenoany aby gny tany, fa gny manafiky gny pony aby ao aminazy zaho, dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh. 16 Hisy fandala; handala manera anazy ireo gny zanakapewlany firenena; handala manerana an'i Egypta izy ireo, eo amin'ireo vahoaky maro aby gny handalan'ereo -zay gny fagnambarany Topo Yaveh.''; 17 Tamy tao faharo amby folo tamy andro fahadimy amby folo gny volana, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 18 ''Ry zanak'olo mitomagnia ho an'ireo vahoaky moeon'i Egypta dra ampiboaho izy re-izy vo reo zanakapelan'ireo firenena lahibe-ho agny amy tany iva indrindra miaraky amin'ireo ze nilisy ao an-davaky. 19 ' Tena soa noho gny olo-kafa vatany se ianao? Miboaha dra miapara miaraky amin'ireo sy voatapaky.' 20 Ho lavo eo amin'ereo ze matiny lefo izy ireo. Fa vita sorisy gny lefo! fa nome gny lefo izy; hanambosy anazy vo ireo vahoakiny maro izy reo. 21 Hagnambara momban'i Egypta vo reo piara-dia aminazy reo pialy mahery indrindra ho: 'Fa niboaky teto izy reo! Hiapasy miaraky amin'ireo sy voatapaky , miaraky amin'ereo ze maty gny lefo izy reo.' 22 Asyria vo ireo fiangonany aby dra ao. Magnodidy anazy gny lolony; izy aby dra aty tami-lefony. 23 Reo ze mana lolo miory eo amy fanga-sioky gny lavaky dra ao, miaraky amin'ireo fiangonany aby. Reo lolony dra magnodidy an'ereo ze maty, zay lavo gny lefo, ireo ze ninday horohoro teo amy taninigny velo. 24 Ao Elama miaraky amin'ireo vahoakiny maro aby. Magnodidy anazy gny lolony; maty avo koa izy aby. REo ze lavogny lefo, zay tafilisy sy voatapaky agny amy fagnambarany tany, zay ninday gny fapatahoran'ereo teo amy tanigny velo vo minday gny fahafaham-barakany manoka, miaraky amin'ereo miboaky ao an-davaky. 25 Nametraky kitapo fandria ho agn'i Elama vo reo vahoakiny maro aby eo agnevony faty izy reo; magnodidy anazy gny lolony. Izy aby dra sy voatapaky, voalefogny lefo, satria ninday gny tahosin'ereo teo amy taninigny velo izy reo. Dra minday gny fahafaham-barakany izy ireo, miaraky amin'ireo miboaky ao an-davaky eo amin'ereo ze fa maty, reo ze miboaky ao an-davaky. Elama dra isan'ereo aby ze maty. 26 Meseka, Tobala, vo reo vahoakiny maro aby dra tao! Magnodidy anazy reo gny lolony. Izy aby dra samy sy voatapakyu avo koa, matigny lefo, satria ninday gny fampatahorany teo amy tany gny velo izy reo. 27 Sy miara-miapasy eo amin'ireo pialy sy voatapaky lavo ze niboaky tagny amy Fiaigna-sy hita miaraky amin'ireo fitovam-pialiany, dra miaraky amin'ireo sabany apetraky ao ambany gny lohan'ereo vo ireo helony eo amy tolan'ereo. Fa izy reo gn mapatahosy gny pialy tao amy tany gny velo. 28 Dra noho zay ianao, ry Egypta, dra ho torotoro eo agnevon'ereo sy voatapaky! Hiapasy magnaraky reo ze voalefo gny lefo ianao. 29 Ao i Edoma vo ireo pazakiny dra ireo pitariny. Fa voapetraky ao amy tazany miaraky amin'ereo maty gny lefo izy reo. Miara-miapasy amin'ireo sy voatapaky izy reo, miaraky amin'ereo ze niboaky tagny an-davaky. 30 Reo andriandahy gny avarasy dra ao__ izy aby miaraky amin'ereo Sidoniana aby izay nizoso niaraky tamin'ereo zay fa voalefona. Nahery vo nampitahosy gny hafa izy reo, fa ao agnaty henasy izy reo amizao, sy voatapaky miaraky amin'ereo ze voalefony lefo. Minday gny fahafaham-barakany izy reo, miaraky amin'ireo ze niboaky tagny an-davaky. 31 Hagnety Farao dra ho ampaherezy gny amin'ireo vahoakiny maro aby zay voalefo gny lefo-Farao vo reo tafiny aby-zay gny fagnambara gny topo Yaveh. 32 Napetrako ho mapatahosy eo amy tany gny velo izy, kanefa hiapasy eo agnevon'ereo sy voatapaky izy, eo amin'ireo voalefo gny lefo. i Farao vo ireo vahoakiny aby-zay gny fagnambarany Topo Yaveh.''