Toko faha 31

1 Dra tamy tao faharaiky amby folo, tamy volana fahatelo, tamy andro volohany volana, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2 '' Ry zanak'olo, zakao amin'i Farao, gny pazakan'i Egypta, dra amy vahokiny aby magnodidy anazy ho: 'Ao amy fahalebezanao, manahaky an'iza ianao? 3 Ingo! Asyria dra sedera nisy sapy soa tarehy tao Libanona, nagnome alokaloky ho agny ala, dra abo ba tamy halavany, dra gny sapany nagnaniky gny rahona. 4 Rano maro gny nahalava anizay; gny rano laliky gny nahagoava anizay. Niroro nagnodidy gny farisy ay nizy anazy gny renirano, satria gny laka-dranony dra nibelasy tamy hazo aby tao an-tanimboly. 5 Gny hahavony dra nihoasy noho gny hazo hafa aby tagny an-tanimboly, dra sapany dra nazary maro vatany; niha-lava gny sapany noho reo rano maro raha nisiry igny izy reo. 6 Nanao gny akaniny teo ay sapany gny voro gny lagnisy aby, raha niteraky gny zanany teo ambaniny raviny gny raha-managnay aby tao an-tanimboly. Nitoesy tao ambaniny alokiny gny firenena maro aby. 7 Fa soa tarehy ze tao amy fahalahibeny vo gny halavagny sapany, satria tao amy rano maro gny vahany. 8 Sy afa-nitaha tamin'izay reo sedera tao amy sahan'Agnahary. Sy nisy tamin'ireo Kypreso gny sahala tamy sapany, dra gny hazo platana sy nitaha tamy rasany. Sy nisy hazo hafa tao amy sahan'Agnahary ze nitovy tamin'izay tamy hasoany. 9 Nataoko soa tarehy tamy sapany maro zay dra gny hazon'i Edena aby zay tao amy sahan'Agnahary dra nialona anizay. 10 NOho zay dra izao gny zakan'i Topo Yaveh: Satria lava tamy haabony izy, dra teo agnelagnelany sapany gny napetrany gny tendrony, nanandrasy gny fony zay noho gny haabiny. 11 Nomeko teo an-tagnanigny ray maherin'ireo firenena izy, ba hifapiraharaha amin'izay araky ze mendriky gny faharasiany. Fa nariako tagny ambaliky izy. 12 Reo vahiny ze horohorony firenena aby gny nanapaky anazy dra nagnenga anazy ho maty . Nilavo teo an-tenndrombohisy vo ireo lohasaha aby gny sapany , dra ireo rasany dra mitoesy torotoro ao amy riaky gny tany aby. Dra niboaky laha tao ambaniny alokiny gny firenena aby teto an-tany dra niala lavisy zay. 13 Gny vorogny lagnisy aby dra nizano teo amy vatagny hazo nilavo , dra gny biby aby tao an-tanimboly dra nagneo amy sapany. 14 Nisy zay ba sy hisy hazo hafa hisiry mariny gny rano eo dra hananga gny raviny hatregny amy haabony hazo abo indrandra, dra ba sy hisy hazo hafa hisiry mariny gny rano eo dra hahatrasy anizay haabo zay. Fa voatendry ho amy fahafatesa avo koa izy aby, ho agny ambany tany , eo amin'ireo zanak'olombelo, miaraky amin'ireo ze mizoso agny an-davaky. 15 Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Tamy andro ze nizosoan'i Sedera tagny amy fiaigna-sy hita dra ninday fandala teto an-tany zaho. Nasaoroko teo agn'abonin'izay gny rano laliky, dra nahemosiko gny rano gny ranomasim-be. Nisakanako gny rano be, dra ninday fandalana teo amin'i Libanona ho anazy zaho. Dra nandala gny hazo gny saha aby noho zay. 16 Ninday nihesikesiky teo amin'ireo firenena tamy feogny nilavoany zaho, fa gny natorako tagny amy fiaigna-sy hita niaraky tamin'ireo ze nizoso tagny an-davaky izy. Dra nampiono gny hazon'i Edena aby tagny amy fagnambaranigny tany zaho. Reo gny hazo voafaty vo soa be an'i Libanona; dra ireo ze nino gny rano. 17 Fa nizoso tagny amy fiaigna-sy hita niaraky tamin'izay avo koa reo, ho agny amin'ireo ze maty gny lefo. Regny gny sandriny mahery , ireo firenena ze nitoesy teo amy alokalony. 18 Iza tamin'ireo hazo tao Edena gny sahala aminao amy voninahisy gny fahalebeza? Fa halavo miaraky amin'ireo hazon'i Edena ho agny amy fagnambarany tagny eo amin'ireo sy voafora ianao; Hiay manahaky ireo ze matiny lefo ianao. 'Farao vo gny vahoakiny aby-zay gny fagnambarany Topo Yaveh.''