Toko faha 30

1 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 2 ''Ry zanak'olo, maminania dra zakao ho: 'Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Midradradradra ho: ''Loza gny andro ho avy.'' 3 Mariny gny andro. Mariny gny andro ho an'i Yaveh. Ho andro mandrahona zay, fotoa fiafarana ho an'ireo Firenena. 4 Dra hisy zabasy ho avy hanohisy an'i Egypta, dra hisy fangirifiria ao Kosy fa gny miapasy agny Egypta gny vahoaky maty-fa gny mangalaky gny hanagnan'ereo, dra fa gny simba gny fotony. 5 Kosy, Lybia, vo i Lydia, dra reo vahiny aby, miaraky amy vahoakiny fanekena -ho lavo-sabasy avo koa izy aby. 6 Izao gny zakan'i Yaveh: Noh zay reo ze manohana an'i Egypta dra ho lavo, dra gny avognavony heriny dra hietry. Hatragny Migdola dra hatragny Syena gny hahalavo anereo miaramilany amy lefo-zay gny fagnambarany Topo Yaveh. 7 Haharikoriko eo agnevony tany nafoy ereo, dra ireo tanany dra ho eo amin'ereo tana rava aby. 8 Dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh, raha hagnoro an'i Egypta zaho, dra fa gny lavo reo panapy anazy aby. 9 Amin'izay andro zay dra hisy iraky hiboaky laha teo anoloako amy sambo ba hampihorohoro gny fiarovan'i Kosy, dra hisy fangirifiria eo amin'ereo amy andro fiafara rasin'i Egypta. Fa ingo! avy zay. 10 Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Hagnisy fiafara gny fahamaroan'i Egypta amy tanan'i Nebokadnezara, pazakan'i Babylona zaho. 11 Izy vo gny tafiny miaraky aminazy, gny fampatahora amin'ireo firenena, gny ho andesy handrava gny tany; hagnapotaky gny sabany hanohisy an'i Egypta dra hameno gny tany amy fatin'olo izy ereo. 12 Hamaliky gny renirano ho tany maiky zaho, dra hivarosy gny tany eo an-tagnany olo rasy fagnahy. Amy alalany tana gny fahavalo gny hanovako gny tany vo gny fahafenoany ho rava-Izaho m Yaveh, gny fa nizaka. 13 Izao gny zakan'i Topo Yaveh: Hanorotoro reo sapy zaho, dra hinday fiafara amin'ire sapy sy mendrik'i Memfisa. Sy hisy andriandahy sasy ao amy tany Egypta, dra hametraky fapitahora eo amy tany Egypta zaho. 14 dra hataoko lao i Patrosa dra ho oroako i Zoana , dra hapihasy fisara amin'i No Zaho. 15 Fa handraraky gny fahoriako amin'i Sina, gny fiarova fatrasy agny Egypta, dra hanapaky gny maro agny No zaho. 16 Dra hagnoro an'i Egypta zaho; ho ory fatrasy i Sina, ho rava i No, dra hiatriky fahavalo isan'andro i Memfisy. 17 Gny tovolahy agny Avena vo Pisbeseta dra ho lavo-sabasy , dra reo tanany dra ho lasa-ko babo. 18 Agny Tapanesa , dra hihazo gny hazavany gny andro fa gny mamotiky gny ziogan'i Egypta ao zaho, dra ho tapisy gny avognavony heriny. Hisy rahona handrakosy anazy, dra reo zanakapelany dra ho lasa-ko babo. 19 Hapihasy fisara ao Egypta zaho, dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh.''' 20 Dra tamy tao faharaiky amby folo, tamy volana volohany, tamy andro fahafito gny volana, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 21 ''Ry zanak'olo, fa nanapaky gny dandrin'i Farao, pazakan'i Egypta zaho. Ingo! Sy nofognosa zay , na nisitrany tamy famahia , ba hapatazaky soa anizay ba hita-sabasy. 22 Dra izao gny zakan'i Topo Yaveh: 'Ingo, hanohisy an'i Farao, Pazakan'i Egypta zaho. Fa hanapaky gny sandriny zaho, gny matazaky vo gny tapaky , dra hapilasaky gny sabasy egy an-tagnany. 23 Haeliko eo amin'ireo firenena i Egypta dra haparitako eo amy tany izy ireo. 24 Hatazahiko reo sandriny pazakan'i Babylona dra hametraky gny lefoko eo amy tagnany zaho ba hahafahako manapaky ireo sandrin'i Farao. Hihay eo anologny pazakan'i Babylona amy fisetogn'olo ho maty izy. 25 Fa hapatazaky gny sandriny pazakan'i Babylona zaho, raha bo hiraviravy gny tagnan'i Farao.Dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh, fa gny mametraky gny sabatro eo amy tagnany pazakan'i Babylona zaho; fa hanafiky gny tanin'i Egypta amin'izay iy. 26 Dra haeliko eo amin'ereo firenena i Egypta dra haparitako manera gny tany izy ireo . Dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh.'''