Toko faha 29

1 Tamy tao fahafolo. tamy volana fahafolo tamy andro faharo amby folo gny volana, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2 ''Ry zanak'olo , ampifanatreo amin'i Farap , gny pazakan'i Egypta gny tarehinao; maminania manohisy anazy vo manohisy an'i Egypta aby. 3 Ambarao dra zakao ho:'Izao gny zakan'i Topo Yaeh: Ingo! Manohisy anao zaho, ry Farao , pazakan'i Egypta. Ianao gny biby masiaky lahibe ze mivony eo agnevony renirano, zay manao ho: '''Anahay gny renirano. Nataoko ho agny vatako zay.''' 4 Hasiako farango gny valanoranonao, dra gny hazandrano gny Neily dra hipitiky amy kiranao; hapiakariko laha teo agnevony reniranonao miaraky amy hazandrano gny reniranonao ze mipitiky amy kiranao ianao. 5 Hatorako agny agn'efisy ianao, vo gny hazandrano aby laha tao amy reniranonao. Holavo ao amy saha ianao; sy ho havory ianao na hapiakary. Homeko ho sakafo ho an'ereo raha-managnay tagny vo ho an'ereo voro gny lagnisy ianao. 6 Laha teo gny pinin'i Egypta aby hahafatasy fa Izaho gny Yaveh, satria fa tahona volotara ho agny ankohonan'Israely izy ireo. 7 Fa gny nandray anao tegny an-tagnany izy ireo , dra tapaky ianao dra nosokafanao gny sorok'ereo; dra fa gny niatehisy taminao ereo, dra tapaky ianao, dra napihozohozo gny tombon'ereo ianao. 8 Noho zay dra izao gny ambarany Topo Yaveh: Ingo! Hinday lefo hamono anao zaho. Hanapaky gny olo vo gny bibidia eo aminao zaho. 9 Dra ho lao vo rava gny tanin'i Egypta. laha teo dra ho datasin'ereo fa Izaho gny Yaveh, satria gny dragona(devoly) lahibe nizaka ho: ''Anahy gny renirano, satria izaho gny nanao anizay.'' 10 Noho zay, ingo! Manohisy anao vo gny reniranonao zaho, dra hataoko rava gny tanin'i Egypta , dra ho tany rava laha tagny Migdola dra hatra Syena dra hatramy sisin'i Kosy ianao. 11 Sy hisy tombon'olo handeha amin'izay, dra sy hisy tomboky bibidia handeha amin'izay. Sy hisy pony mandrisy gny efa-polo tao zay. 12 Fa ho ataoko rava eo agnevon'ereo tany sy misy pony gny tanin'i Egypta, dra ireo tananany eo agnevon'ereo tana rava dra ho faharava mandrisy gny efa-polo tao; laha teo Egypta haparitako eo amin'ireo firenena , dra haeliko manera ireo tany izy ireo. 13 Fa izao gny ambarany Topo Yaveh: Fa gny afaky efa-polo tao dra hahoriko laha tamin'ereo vahoaky eo amin'ereo zay niparitahan'ereo gny Egyptiana. 14 Ho aheriko amy farisin'i Patrosa, gny tany niaviany ireo, Laha teo dra ho fazaka ambany izy ireo agny. 15 Ho ambany be amin'ireo fazaka zay, dra sy ho hanandrasy eo amin'ireo firenena sasy. Ho akeliziko izy ireo dra sy hanapaly eo amin'ereo firenena sasy. 16 sy ho ato gny tokin'ireo ankohanan'Israely sasy reo Egyptiana. Fa dra ho fampasiahivana gny heloky ze nataon'Israely fa gny nitoliky tamin'i Egypta ba hila fagnapia izy ireo. Laha teo dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Topo Yaveh.''' 17 Tamy tao fahafito amby ropolo tamy andro volohany volana volohany, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 18 ''Ry zanak'olo ,Nebokadnezara gny pazakan'i Babylona dra namoaky gny tafiny ba hanao asa fatrasy manohisy an'i Tyro. Sola avo koa gny loha aby, dra niendaky gny soroky aby. Nefa izy vo gny fatiny dra sy nandray karama laha tamin'i Tyro tamy asa fatrasy zay nataony nameleza anizay. 19 Noho zay dra izao gny zakany topo Yaveh: 'Ingo! Homeko an'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona gny tany, dra alany gny haren'izay ho baboiny gny fanagnany, dra ho alany zay aby hitany ao; zay gny ho karaman'ereo tafiny. 20 Fa nomeko anazy ho karama tamy asa ze nataon'ereo ho anahy gny tanin'i Egypta -zay gny fagnambarany Topo Yaveh. 21 Amin'izay andro zay dra hampisimoky tandroky ho agny ankohan'Israely zaho, dra hapizaka anao eo agnevon'ereo , koa ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh.'''