Toko faha 28

1 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao anizahoky ho: 2 "Ry zanak'olo, zakao amigny panapak'i Tyro ho: 'Izao gny zakanigny topo Yaveh: Miavognavo gny fonao! Hoy hanao ho: "zagnahary zaho! Hitoby eo amigny sezan'ireo zagnahary eo agnevonigny ranomasy zaho!" Na dre olo aza hanao fa sy zagnahary, dra manao gny fonao hanahaky gny fonigny zagnahary hanao; 3 mihevesy hanao fa hendry noho Daniela, dra sy misy siambaratelo mapitolagaga hanao! 4 Napanan- karena gny vatanao tamy fahendrena vo fahaiza-manao ianao, dra nahazo volamena vo volafosy tao amin'ireo fagnazan-drakisinao ! 5 Tamy fahendrena vo tamy varosinao, dra miavognavo gny fonao noho ireo tezanao. 6 Noho zay, gny Topo Yaveh mizaka anizao:''Satria nanao gny fonao ho tahaky gny fogny zagnahary ianao, 7 drahinday vahiny hanohisy anao zaho, lelahy mampatahosy aby amin'ireo firenena hafa. Hinday ire sabany hamely gny hasarany fahendrenao izy ireo , dra sy hagnamasy gny famirapiratanao. 8 Nandefa anao hizoso agny amy lavaky izy ireo, dra ho maty amy fahafatesan'ereo zay maty agny agnevony ranomasy ianao. 9 Moa se hizaka gny mary ianao ho:''Zagnahary zaho'' amy tarehin'ereo ze mamono anao? Olo ianao fa sy Zagnahary, dra ho eo an-tagnan'izay mandefona anao ianao . 10 Ho maty manahaky gny nahafatesany sy voafora amy alala tagnan'ireo vahiny ianao, fa nagnambara anizay zaho-zay gny fagnambarany Topo Yaveh.'' 11 Avy taminahy dray gny zakan'i Yaveh, manao ho: 12 ''Ry zanak'olo , manan-drata hira fandala ho agny pazakan'i Tyro dra zakao aminazy ho:'Gny Topo Yaveh mizaka anizao: ianao gny poziny fahatateraha , feno fahendrena dra lafasy amy hasoa-tarehiny. 13 Tao Edena, gny sahan'Agnahary ianao. Mandrakosy anao ireo vato sarobily aby: robina , topazy, emeralda, krysolita, onyksa, jaspy, safira, karneola, dra gny beryla. Vita amy volamena reo toeranao vo ireo tendrombohisinao. Tamy andro namorona anao gny fa nagnomana anizay. 14 Nametraky anao teo agn'abony tendrombohisy masin'Agnahary tahaky gny Kerobima voahosotsy hiamby gny olombelo zaho. Teo agnevon'ereo vato mirehisy ze handehananao hanao. 15Nana sy fivalia tamy ereo lalanao hanao manomboky taminy andro ze namorogna nanao dra disikaminy nahita gny rariny teo aminao. 18 Noho gny fahotanao maro be vo ireo raharahanao sy mary, dra nandoto reo fitoeranao masy ianao. Dra nampiboaky afo aby aminao zaho; handevo anao zay. Hamaliky anao ho lavenogna eo amason'ereo aby zay magnety anao zaho. 19 Reo aby zay nahafatasy anao teo amy vahoaky dra hangitikitiky aminao; hapatahosy anereo, dra sy ho mandrakizay sasy ianao.''' 20 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 21 ''Ry zanak'olo, atoliho agny amin'i Sidona gny tarehinao dra maminania manohisy anazy. 22 Mizaka ho:''Gny Topo Yaveh mizaka anizao: Ingo! Manohisy anao zaho, ry Sidona! Fa homem-boninahisy eo agnevonao zaho dra ho fatasy gny vahoakinao fa Izaho gny Yaveh fa gny magnatateraky gny fisara aminao zaho.Haseho ho masy eo aminao zaho. 23 Hampiboaky areti- mamono aminao vo lio egny amin'ireo lalanao zaho, dra gny faty dra holavo eo agnevonao. Fa gny ho avy hanohisy anao laha tagny amy magnodidy aby gny sabasy , dra ho fatanao fa Izaho gny Yaveh. 24 Dra sy hisy roy mampahory vo silo mamparary ho agny taranak'Israely sasy laha tamy nereo aby zay magnadidy anazy dra manao ho fatasin'ereo fa Izaho gny topo Yaveh!' 25 Hoy gny Topo Yaveh ho:'Fa gny mamory gny taranak'Israely laha tamy vahoaky tamin'izay nampielezy anazy ireo zaho, dra fa gny voatoka eo amin'ereo zaho, ba hahafahan'ereo firenena mahita, dra hanao ireo fonenan'ireo ao amy tany ze nomeko an'i Jakoba panompoko izy reo. 26 Dra hiay am-pilamina ao aminazy ereo dra hananga tragno, hanao reo tanim-boloboky , dra hiay am-pilamina fa gny magnatateraky fisara amin'ereo aby zay laha tamy magnodidy nanao sinosino anazy reo; dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh Zagnaharin'ereo!'''