Toko faha 27

1 Avy taminahy draiky gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2 ''Dra ianao, ry zanak'olo, manomboha hiasa fandala mahakasiky an'i Tyro, 3 dra zakao amin'i Tyro, zay mony agnatin'ireo fefiny ranomasy , pandrato ho agny vahoaky agny amy nosy maro, gny topo Yaveh mizaka anizao aminao: Ry Tyro, fa nizaka ianao ho: 'Izaho dra tateraky amy hasara-tarehy.' 4 Gny fari-taninao dra egny amy fo gny ranomasy; ireo pagnory anao fa nahavy lafasy gny hasaranao. 5 Nataon'ereo tamy kipreso laha tagny amy tendrombohisy Hermona gny hazo pisakao aby; nangalaky sedera laha tagny Libanona izy ireo hanova andri-sambo ho anao. 6 GNy fivoinao dra nataon'ereo tamy hazo terebitan'i Basana; hazo kipreso laha tagny Kipra gny nanovan'ereo gny tokotani-sambanao, sady nipetahany ivoara ireo. 7 Niloko rongony fosy laha tagny Egypta zay manahaky ireo fagnevanao gny lainao! 8 Reo zay mony tagny Sidona vo Arvada gny pivoinao; reo olo-kendrin'i Tyro gny ao agnatinao; izy reo gny pinday anao. 9 Panao asa tagna matihany indrandra laha tagny Bablosy gny ho panesi-sambonao vo ireo tasambony eo aminao dra ninday gny etam-barosinao ho amy takalo. 10 Persia, Lydia, dra i Libya dra tao amigny tafikao, lalehypialinao. Nagnato apinga vo aroloha tao aminao ereo; naneho gny famirapiratanao ereo. 11 Reo lelahin'i Arvada vo Heleka tao amigny tafikao gny teo amigny rindrinao magnodidin'anao, dra gny vahoak'i Gamada gny tao amireo tilikambonao. Nagnato gny apingan'ereo teo amigny rindrinao nagnodidin'anao ereo! Nameno gny hasoanao ereo reo. 12 Tarsisy dra nama pandrato niaraky taminao nohonigny hamarony gny harenao havily: Volafosy, vy, faniso, vo firaky. Nivily vo namarosy gny etanao ereo! 13 Javana, Tabala, vo Meseka__nanakalo andevo vo fitova vita amigny varahy ereo. Nihazo gny etam-barosao ereo. 14 Bet-togarma gny namasy sovala, sovala fitikira, dra apondra ho etam-barosao. 15 Reo lelahin'i Dadana gny pandratonao eranigny morosiraky maro. Etam-barosy gny teo atagnanao; nagnery tandroky, ivoara, dra hazomety ereo ho fagnatisy! 16 Syria gny pandrato teo amigny vokasao maro; namasy emeralda, voloparasy, lamba miloko, lamba madiniky, perla, dra vatosoa ho etam-barosao ereo. 17 Joda vo gny tanin'Israely dra nanakalo niaraky taminao. Namasy vary boak'agny Minita ereo, mofomamy, tately, dililo, dra balsama ho etam-barosao. 18 Damaskosy dra pandrato reo vokasao aby, reo harenao lahibe aby, dra gny divain'i Helbona vo gny volon'agnondry fosin'i Zahara. 19 Dana vo Javana boak'agny Ozala namasy anao etam-barosy vy voatefy, Kanelina, dra veromagnisy. Izay dra lasa etam-barosy ho anao. 20 Dedana dra pandratonao amigny lamba atao lamba sovala. 21 Arabia vo reo pifehin'i Kedara aby gny pandrato nindray taminao; namasy anao zanak'agnondry, agnondry lahy vo osy ereo. 22 Reo pandraton'i Seba vo Rama dra avy ba hivarosy aminao gny rahamagnisy soa faratapony aby vo karazam-bato sarobily; namarosy volamena ho anigny etam-barosy ereo. 23 Harana, Kane, dra Edena gny panakalo niaraky taminao, niaraky tamin'i Seba, Asora, vo Kilmada. 24 Reo aby gny pandratonao nagnisy lamba fosy vita amigny lamba volo-parasy marevaka, vo lamba firakosy miloko samihafa natao petakofehy, dra lamba soa tegno tao amireo senanao. 25 Reo sambon'i Tarsisy gny pitatisy gny etam-barosy egny amigny agnevonigny ranomasy! 26 Nandesin'ireo pivoinao tagny amireo ranomasy midadasiky hanao; gny sio-drivosy tasignananao gny namotiky anao tagny agnevon'ireo. 27 Gny harenao, etam-barosy, vo fitova atakalo; reo tasambo vo reo pinday sambonao, vo reo piasa asambo; reo pandrato gny etam-barosy vo reo lelahy pialinao aby ze ao aminao, vo gny tarikao aby__hiletiky agny amigny lalinigny ranomasy izy reo amigny andronigny faharavanao. 28 Hatahosy amigny feo-tomagnin'ireo pinday sambonao reo tana ao an-dranomasy; 29 Reo aby mihazo fivoy dra hily boak'egny amigny sambon'ereo; hizoro egny atany reo tasambo vo reo pinday sambo aby egny amigny ranomasy. 30 Boak'eo hapiteno anao gny feony ereo dra hidradradra fatrasy; hamory botany eo an-dohany ereo. Hihodikody eo amigny lavenoky ereo. 31 Handrasy gny lohany ho sola ho anao ereo dra hamely gny vatany amigny lamba fandala, dra hitomagny fatrasy eo aminao ereo dra hihiaky fatrasy. 32 Handrasy gny dradradradra-pitaregnany ho anao vo hihira fandala eo aminao ereo, iza gny mitovy amin'i Tyro, ze fa nandesy ho amigny fahangina egny agnevon-dranomasy amizao? 33 Gny fa nandeha tegny androanga boak'agny an-dranomasy gny etam-barosao, dra nahafapo olo maro zay; napanandraha reo pazakanigny tany amigny habenigny harenao vo gny etam-barosao hanao! 34 Fe gny fa nitorotoronigny ranomasy, vo gny rano laliky hanao, dra niletiky gny etam-barosao vo reo poninigny morosiraky aby, dra reki-tahosy gny fatahora reo pazakany! 35 Rikorikotaminao reo poninigny morosiraky aby, dra reki-tahosy gny fahatahora reo pazaka! Natahosy gny tarehin'ereo! 36 Misioky anao reo pandratonigny vahoaky; lasa horohoro hanao, dra sy ho mandrakizay sasy."