Toko faha 26

1 Dra tamy tao fahiraiky amby folo, tamy andro volohany volana, dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2 ''Ry zanak'olo, satria Tyro nizaka nanohisy an'i Jerosalema ho: ' Hia! Toro ireo fefy gny olo! Niala taminahy izy; dra ho feno zaho satria rava izy.' 3 Noho zay gny Topo Yaveh mizaka anizao: 'Ingo! Manohisy anao zaho, ry Tyro, dra hananga firenena maro hanohisy anao zaho manahaky gny ranomasy magnenga gny morony. 4 Handrava an'ireo fefin'i Tyro izy reo dra handavo reo tilikambony. Ho fafako hiala ireo botany dra hanao anazy manahaky gny vatolapy mangadihady zaho. 5 Ho avy toera fagnaza haroto eo agnevony ranomasy izy, fa Izaho gny nagnambara anizay- zay gny fagnambaran'i Topo Yaveh- dra ho lasa babo ho an'ireo forenena izy. 6 Reo zanakapelany zay agny an-tanimboly dra ho vono amy lefo, dra ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh.' 7 Fa izao gny zakan'i Yaveh : Ingo, avy agny avarasy gny hindesako an'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona, pazakan'i pazaka, hanohisy an'i Tyro, miaraky amin'ireo sovala vo ireo kalesy, dra miaraky amy pitikisy sovala vo vahoaky maro be. 8 Hamono ireo zanakapelanao agny antanimboly izy. Hananga tovo-tany vo hamboasy fiakara eo amin'ireo mandanao dra hananga ampinga hanohisy anao izy. 9 Hapetrany hamely anereo mandanao ireo andry vy fandrobahany , dra ireo fitovany gny handrobaha ireo tilikambonao. 10 Ho maro vatany ireo sovalany handrakosy anao gny bobony. Reo mandanao dra hihozongozo amy feony pitikisy sovala, dra kalesy. Fa gny milisy ireo fefinao izy, dra hilisy manahaky gny olo zay avy ao amy tana ze fa nirava ireo mandany. 11 REo kitro-sovalany dra hagnisakisaky ireo lalanao aby. Ho vono amy lefo ireo olonao dra ireo andry vatomafinao dra holavo amy tany. 12 Ho babon'ereo gny hanagnanao dra ho robay ireo entam-barosinao. Harodany ireo mandanao dra ho ravany ireo lapasoanao. Reo vatonao, hazonao, dra gny bobony dra ho arian'ereo agny amin'ireo rano. 13 Hasandrato gny feony hiranao. Sy ho re sasy gny feon-dokanganao. 14 Hataoko vatolampy mangadihady ianao, ho avy toera fagnazana harato ianao. Sy hasanga sasy ianao, fa Izaho, Topo Yaveh gny fa nizaka -anizay gny fagnambarany topo Yaveh. 15 Nizaka anizao tamin'i Tyro gny Topo Yaveh: 'Sy hihorohoro se ireo nosy amy feony faharanao, vo amy fiseton'ereo marasy raha eo agnevonao gny famonoa mandanginy? 16 DRa ireo zagnahary ranomasy aby dra hiala amin'ireo seza fiandrianany dra hangalaky gny ankazon'ereo dra hamela ireo ankazo misy peta-kofehin'ereo. Hanafy gny vatan'ereo amy fangitikitia nereo. hipetraky eo amy tany dra hangitikitiky isaky gny mihesiky , dra ho tohana noho gny aminao izy ireo. 17 Hanandrasy fitomagnia ho anao izy ireo dra hizaka aminao ho: Amy fomba manao akory, ianao zay nonenan'ireo tasambo, gny naharava anao. Gny tana malaza ze tena natazaky-lasa agny an-dranimasy zay amizao. Reo zay nitoera tao aminazy fahiny dra magnaparitaky horohoro momba anazy ireo amin'izay aby nipetraky mariny anereo. 18 Amizao reo moro-siraky dra mangitikitiky amy andro faharavanao. Reo nosy agny an-dranomasy dra matahosy , satria maty ianao.' 19 Fa gny Topo Yaveh mizaka anizao: Fa gny hataoko tana lao ianao, manahaky reo tana hafa zay sy misy mipetraky , fa gny mananga gny laliky hanohisy anao zaho, dra fa gny mandrakosy anao gny rano be, 20 dra ho andesiko milisy amin'ireo vahoaky taloha ianao, manahaky ireo hafa zay nizoso tagny an-davaky ; fa hataoko mitoesy agny amin'ireo farisy farany ambany gny tany ianao manahaky gny rava tamin'ereo fotoa taloha. Noho zay dra sy hihery sasy ianao dra sy hisanga eo my taniny velo. 21 Hataoko eo aminao gny loza, dra sy hisy sasy ianao mandrakizay. Dra ho taliavy ianao, fa sy ho hita sasy -zay gny fagnambarany topo Yaveh.''