Toko faha 25

1 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho:'' 2 Ry zanak'olo, atoliho amy vahoaky Amonita gny tavanao dra maminania manohisy anazy ireo. 3 Zakao amy vahoaky Amonita ho: 'Tenoy gny zakan'i Topo Yaveh, izao gny zakan'i Topo Yaveh: Satria ianao nizaka ho:''Hia! ''teo amy fitoerako masy raha nozimbazimbany zay, dra nanohisy gny tanin'Israely raha lao zay, dra nanohisy gny ankohonan'i Joda raha lasa sesi-tany izy ireo , 4 noho zay ingo, omeko ho agny vahoaky agny asignana ho fagnanan'ereo ianao. Hagnory toby hanohisy anao izy ireo dra hagnory gny lain'ereo eo amin ao. Hohanin'ereo gny vokasinao dra ho nominy gny rononao. 5 Hataoko fihinanam-bilo gny rameva i Raba dra gny vahoaky Amonita ho sahagny agn'ondry vo osy. Dra ho fatanao fa Zaho gny Yaveh. 6 Fa gny Topo Mizaka anizaoP: ''Nitehateha-tagna vo nigado-tamboky ianao, dra niravoravo tamy fagnamavoa aby teo aminao hanohera gny tanin'Israely. 7 Noho zay, ingo! Hamely anao amy tagnako zaho dra hanolosy anao ho babon'ireo firenena. Ho fongorako sy ho eo amin'ireo ianao firenena ! Ho ravako ianao , dra ho fatanao fa Izaho gny Yaveh.' 8 Gny Topo Yaveh mizaka anizao:'Satria Moaba vo i Seira nizaka ho:''Ingo! Gny ankohonan'i Joda dra manahaky gny firenena hafa aby.'' 9 Noho zay, ingo! Ho sokafiko gny fefin'i Moaba, manomboky eo amin'ireo tananany eo amy fari-tany-gny hasaran'i Beti-jesimota, Bala-meona, dra Kiriataima- 10 magnagny amy vahoaky aby agny asignana zay nanohisy gny vahoaky Amonita. Hafoko hanahaky gny fanagna ereo ba sy ho tadidy eo amin'ireo firenena gny vahoaky Amonita. 11 Dra hanao fisara manohisy an'i Moaba zaho, dra ho faran'ereo fa Izaho gny Yaveh.' 12 GNY Topo Yaveh mizaka anizao: 'Edoma dra namaly faty nanohisy gny ankohonan'i Joda dra nanao rasy tamy nanovany anizay. 13 Noho zay, gny Topo Yaveh mizaka ho: Hamely an'i Edoma amy tagnako zaho dra handringa gny olo aby vo gny biby ao . Hataoko rava gny toera, nafoy, hatragny Temana ka hatragny Dedana ereo. Ho lavo-sabasy ereo. 14 Hataoko eo amin'i Edoma gny valifatiko amy alalany tagnan'Israely vahoakiko, dra ho ataon'ereo amin'i Edoma araky gny fahoriako, dra ho fatasin'ereo gny valifatiko-zay gny fagnambarany Topo Yaveh.' 15 Gny Topo Yaveh mizaka anizao : 'Ireo filistiana dra namaly faty tamy lolom-po dra tao agnatin'ireo dra niezaky nandrava an'i Joda rava. 16 Dra izao gny zakan'i Topo Yaveh : Ingo! Hanondrosy gny tagnako eo amin'ireo Filistina zaho, dra ho fongoroko gny Keretita dra ho ravako zay sisa tavela egny amoron-dranomasy. 17 Fa hanao famalia lahibe hanohisy anazy ireo zaho amy fahoriany asa fagnasazia , ba ho fatasin'ereo fa Izaho gny Yaveh, fa gny mamaly faty anazy ireo zaho.'''