Toko faha 24

1 Avy taminahy gny zakan'i Yaveh tamy tao fahasivy, tamy volana fahafolo, vo tamy andro fahafologny volana, nanao ho: 2 ''Ry zanak' olo, soraty ho agny vatanao gny agnaran'itio andro itio, itio andro mary itio, fa tamy itio andro mary itio gny nanovagny pazakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema. 3 Dra mizaka ohabolana manohisy itio taranaky pikomy itio, fagnohara raiky. Zakao amin'ireo ho: ''zao gny zakan'i Topo Yaveh: Apetraho gny vilagny fandrahoa. Apetraho zay dra raraho rano ao agnatin'izay. 4 Mamoro vainga-sakafo ao agnaton'izay, vaingany soa aby -gny feny vo gny sorony-dra fenoy an'ereo tolany soa indrandra zay. 5 Alao ze soa indrindra amin'ireo agn'ondry dra tahofy ao ambanin'izay tola. Andeso amy finga boronory zay dra androhy ao agnatin'izay reo tola. 6 Noho zay dra izao gny zakan'i Topo Yaveh: Loza ho agny tanany lio, vilagny fandroha anizay harafesy gny ao agnatiny dra sy ho afaky zay heriky zay . Alao tsikelikely zay, fa ka hanova filokana. 7 Fa gny liony dra eo agnevony. Napetrany teo agn'abony vatolapy malama zay; sy nararany teo amy tany ho rakosy gny botany zay, 8 dra nampiakasy hatehoria ho amy valifaty mary zay. Napetrako teo amy vatolapy malama gny liony ba sy ho voasaro. 9 Noho zay, gny Topo Yaveh dra mizaka anizao : Loza ho agny tanany ra. Hagnapy gny hita avo koa zaho . 10 Hatohofy gny hita dra areto gny afo. Ahandrohy soa gny hany dra aharoy ireo hagnisy dra angao ho ma reo tolany. 11 Laha teo atovy sy misy na ino na ino eo agn'abony afo gny vilagny , ba hampafana vo hagnoro gny varahiny, dra hiharo gny loto ao agnatiny, ho levo gny heriky.' 12 Lasa reraky noho gny fisasarany izy, fa gny herikiny dra sy niala taminazy tamy afo. 13 Gny fitondra-tegnanao mahamegnasy dra ao amy fahalotoanao, satria nagnalio anao zaho, kanefa sy bo nalio ianao. Sy bo ho afaky amy fahalotoanao ianao mandra-pisahatry gny hahoriako aminao. 14 Zaho, Yaveh, dra nagnambara anizay, dra ho ataoko zay. Sy hizano zaho na hiantra. Araky ireo lalandrareo, vo araky reo asandrareo, dra hizano andrareo reo! Zay gny fagnambarany topo Yaveh.'' 15 Laha teo avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 16 ''Ry zanak'olo! Ingo, alako aminao amy areti-mamono gny fagniriagny masonao, kanefa ao ianao sy handala na hitomagny, dra ao sy ho lasaky gny ranomasonao. 17 Ao hiay mangiky ianao. Ka manao fandevegna ho agny maty. Fehezo gny hamamanao dra asio kapa gny tombonao, fa ka sarogna voaly gny volombavanao na mihina gny mofo gny olo zay mandala noho gny fahoria gny valin'ereo ianao.'' 18 Dra nizaka tamy olo zaho gny maray, dra maty gny valiko gny hariva. Gny maray zaho dra nanao ze nandidia anazhy ho atao. 19 Nagnontany anahy gny vahoaky ho:''Sy hizaka aminay gny dikan'ireo raha reo se ianao, reo raha zay ataonao?'' 20 Dra hoy zaho tamin'ereo ho:''Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 21 'Zakao amy taranak'Israely, izao gny zakan'i Yaveh: Ingo! Ho zimbazimbako gny fitoerako masy-gny reharehagny herindrareo, gny ditraky gny masondrareo, vo gny fagniriany fanahindrareo, dra ho lavo amy sabasy ireo zanadahiny vo zanakapelandreo zay nangandrareo. 22 Dra hanao mitovy manahaky anizay fa nataoko iandrareo: Sy handomboky gny volombavandrareo indrareo, na hihina gny mofo gny olo! 23 Fa ho eo an-dohandrareo gny satrokindrareo, dra gny kapandrareo ho eo an-tombondrareo; sy handala iandrareo na hitomagny , fa ho ketraky amin'ireo helokindrareo iandrareo, dra gny olo kirairaiky dra hiay ho agny rahalahiny. 24 Dra ho famatara ho andrareo i Ezekiela, dra araky zay aby nataony. Laha teo dra ho fatandrareo fa Izaho gny Topo Yaveh!''' 25 ''Fa ianao, ry zanak'olo, amy andro ze hahazoako gny tempolin'ireo , zay hafalian'ireo, reharehan'ereo, vo zay hitan'ereo vo iriny-dra fa gny alako ireo zanadahiny vo zanakapelany- 26 amin'izay andro zay, dra hisy pisoa-ponrna ho avy eo aminao ba hagnome anao ireo vaovao! 27 Amin'izay andro zay dra hisokasy amin'izay pisoa-ponena zay gny vavanao dra hizaka anao-sy hangina sasy ianao. Ho famatara ho anazy ireo ianao ba ho fatasin'ereo fa Zaho gny Yaveh.''