Toko faha 23

1 Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 2 ''Ry zanak'olo , nisy ampela ro raiky reny. 3 Nanao manahaky gny pivaro-tena tagny Egyta tamy fotoa fahatanorany izy ireo. Nanao manahaky gny pivaro-tena izy ireo tagny. Gny trasin'ereo dra nofihinina dra gny nonony viriziny dra nisafosafony tagny. 4 Gny agnaran'ireo dra Ohala-gny zokiny-dra Oholiba-gny zainy. Dra lasako izy ireo dra niteraky zanadahy vo zanakapela. Izao gny dikany agnaran'ireo:Ohala dra mizosoa hoe Samaria, dra Ohaliba dra mizosoa hoe Jerosalema. 5 Nefa bo nanao manahaky gny pivaro-tegna avo i Ohala na dra anahy avo izy; nila ireo malalany, ireo asyriana zay mazaka, 6 gny governora zay niakazo voloparasy, dra ireo manamboninahisy , zay matazaky vo soa tarehy izy, zay aby dra mitikisy sovala avo koa. 7 Dra nanolosy gny vatany manahaky gny pivaro-tegna tamin'ireo, tamy lelahin'i Asyria soa indrindra , dra nandoto vata tamy olo-iaby zay nitaliaviny vo tamy sampin'ireo aby izy. 8 Fa sy nangany tagny Egypta gny fitndra-tegnany manahaky gny pivaro-tegna, raha niara-nandry taminazy izy ireo fony izy bo somondrara, raha vai nanomboky nanafosafo gny tratrany viriziny izy ireo, raha vao nanomboky nandraraky gny fizangazagany taminazy izy ireo. 9 Dra natoloso teo an-tagnan'ireo malalany, teo an-tagnan'ereo Asyriana zay nilany izy. 10 Nampita anazy izy ireo. Nalany reo zanadahiny vo zanakapelany , dra nivonon'ireo tamy lefo izy, dra avy hegnasy ho agny ampela hafa izy, dra nisaran'ereo. 11 Hitan'i Oholiba rahavaviny zay, saiky nana filana tamim-pagniria maro maro avo ko aza izy dra nizangazanga avo koa noho gny rahavaviny . 12 Nila ireo Asyriana, ireo governora vo ireo manamboninahisy nazaka zay niakazo manaisy , zay lelahy mitikisy sovala izy . Lelahy matazaky vo soa tarehy avo koa izy aby. 13 Hitako fa nandoto gny vatany izy. Nitovizan'izy mirahavavy zay. 14 Dra nampitombo gny fivarota-tagnany koa aza izy. Nahita lelahy natao sary sikotra tamy rindry izy, dra sarin'ireo Kaldeana noloko mena, 15 manao fehikib eo am-balahany, vo hamama misy rambony eo an-dohany. Izy ay dra niendriky manahaky gny manamboninahisy gny tokon-kalesy, manahaky ireo zanadahin'i Babylona, zay teratany Kaldeana. 16 Vatany vo nahita anazy ireo gny masony, dra nila anazy ireo, ka dra nandefa iraky tagny amin;ireo tany Kaldea izy. 17 Dra avy teo aminazy o teo amy fandriany filany ireo Babyloniana, dra nandoto anazy tamy fizangazangany. Tamin'izay nataony dra voaloto izy, dra nipalisy niala teo amin'ireo tamy rikoriko izy. 18 Nampiseho gny fivatan-tegna izy dra naneho gny vatany mita, dra niala taminazy gny fagnahiko, manahaky gny nialany gny fagnahiko tamy rahavaviny. 19 Dra nivaro-tegna avo izy, raha nahatadidy vo nangala tahaky ireo andro gny fahatanorany, fony izy nanao manahaky gny pivaro-tegna tagny amy tany Egypta. 20 Dra nitalia ireo malalany izy, zay manahaky gny agn'ereo boriky gny farisy saro-palin'ireo, dra zay manahaky gny an'ereo sovala gny ranon'ay. 21 Zay gny nangalanao baraka gny fahatanoranao, raha nanafosafo gny nononao vo namihina gny tratranao tanora ireo Egyptiana. 22 Noho zay, ry Oholiba,izao gny zakan'i Topo Yaveh:'Ingo! Hampivalihako amanao ireo malalanao. Reo ze nialanao, hataoko manohisy anao amy lafiny aby izy ireo: 23 dra ireo Babyloniana vo ireo Kaldeana aby, Pekoda, Soa, vo ireo Asyriana aby miaraky aminazy, matazaky, lelahy soa tarehy. ireo governora vo mpifehy, izy aby dra manamboninahisy avo koa sady lelahy malaza , mitikisy sovala avo koa ereo aby. 24 Hanohisy anao amy fitovam-pialia, vo amy Kalesy vo Kodia, dra amy vahoaky maro be izy ireo. Hametraky ampinga lahibe, ampinga masaiky, dra aroloha hanohisy andrareo agny amy magnodidy izy ireo. Homeko hiriky hamezigna anao izy ireo, ka hagnafay anao amin'ireo fanaony. 25 Fa hataoko eo amindrareo gny hahoriany hasarota-piaroko, ka hamely anao amy fahahoria. Hanapaky gny oronao vo gny sofinao izy ireo, dra ho matigny lefo gny sisa velo aminao. Ho alan'ereo gny zanakao lahy vo gny zanakao ampela, dra ho levo gny afo gny sisa velo aminao. 26 Hangalaky akazo izy ireo dra hangalaky gny firavakao aby. 27 Dra hangalaky fitondra-tegnanao ao amy tany Egypta zaho. Sy hampiandrandra gny masonao am-pagniria agny amin'ireo ianao , dra sy hihevisy gny amin'i Egypta sasy.' 28 Fa izao gny zakan'i Topo Yaveh:'Ingo! Hatoloso eo an-tagnan'ireo ze mankahala anao ianao, miheregna eo an-tagnan'ireo zay fa nialanao. 29 Hamely anao am-pankahalana vatany izy ireo; hangalaky gny fanagnanao aby vo hamela anao hita vo sy mikapa izy ireo. Haharihary gny fahamegnara gny fitazaha gny fivarotan-tegnanao, dra ireo fitondra-tegna mahamegnasy vo gny fizangazanganao. 30 Reo raha ireo dra hatao aminao amy fanovanao manahaky gny pivaro-tegna, filany tamin'ireo sampiny. 31 Nandeha tamy lalagny rahavavinao ianao, dra hataoko eo an-tagnanao gny kapoakigny famaiza anazy.'' 32 Izao gny zakan'i Topo Yaveh:'Hisotro gny kapoaky rahavavinao ze laliky vo lahibe ianao. Ho avy fihomeheza vo foto-pihomeheza ianao-feno hipiky zay kapoaky zay. 33 Ho vontogny hamamoana vo alahelo ianao, dra gny kapoaky gny horohoro vo fandravana; gny kapoakin'i Samaria rahavavinao. 34 Hino anizay ianao ka handany zay;dra hanorotoro anizay ianao ka handrisy gny tratranao amin'ireo potiny. Fa nagnambara anizay zaho-zay gny fagnambarany topo Yaveh.' 35 Dra,izao gny zakan'i Topo Yaveh:'Satria fa nagnalino anahy vo nagnary anahy tao ivohonao ianao, dra hanahaky anizay koa gny hizakanao gny vokasy gny fitondra-tegna mahamegnasy vo gny fizangazanganao.''' 36 Hoy Yaveh taminahy:''Ry zanak'olo, hisara an'i Ohola vo Oholiba se ianao?Dra asehoy anazy ireo gny fomba rasiny, 37 satria fa nizangazanga izy ireo, satria misy lio eo an-tagnany. Nizangazanga tamin'ireo sampiny izy ireo, dra nandefa gny zanadahiny tao agnatiny afo avo izy ireo, ho hany ho an'ireo sampiny. 38 Dra nanohy nanao anizao taminahy izy ireo: Nandoto gny fitoerako masy izy ireo, dra tamin'izay andro zay avo gny nandotoany gny Sabatako. 39 Fa gny namono ireo zanany ho agn'ireo sampy izy ireo , dra avy teo amy fitoerako masy tamin'izay andro zay avo ba handoto anizay! Ingo!Zay gny nataon'ereo taminahy teo agnevony tragnoko. 40 Nandefa lelahy zay avy lavisy ianao, dra ze nandefasa pinday hafasy -ingo amizao. Avy vatany izy ireo,ze nandronao,nandokoanao gny masonao, vo nipozianao ravaky gny vatanao. 41 Teo gny nipetrahanao tamy fandria soa vo teo an-databasy voalamy teo anoloan'izay ze nametrahanao gny litin-kazo nagnisiko vo gny dililoko. 42 Dra nagnodidy anazy gny feo-tabatabagny vahoaky; agnisan'izay gny karazan-delahy aby, na dra Sabeana avo dra nandesiny laha tagny agn'efisy , ka nasian'ereo haba gny tagnany dra satroboninahisy soa tarehy gny lohany. 43 Dra nizaka gny aminazy zay totagny fizangazanga zaho ho:'Ho fizangazanga aminazy izy ireo amizao, dra izy amii'ireo. 44 Nagnao aminazy ereo ka niara-nandry taminazy manahaky gny lelahy milisy ba hiaraky amy pivaro-tegna. Izay gny nandrian'ereo niaraky tamin'i Ohola vo Ohaliba, zay ampela rasy fitondra-tegna. 45 Nefa gny olo-madry hisara janga, dra hagnafay anazy ireo amy famezigna ho agn'ireo zay nandasa-dra, satria ampela janga ereo sady eo an-tagnan'ereo gny lio. 46 Dra izao gny zakan'i Topo Yaveh: Hananga vahoaky maro hanohisy anazy ireo vo hanolosy anazy ireo ho ampitahory vo robahy . 47 Dra zay vahoaky zay dra hitora-bato anazy reo vo hanapaky anazy reo amy sabany. Hamono reo zanakindreo lahy vo ireo zanakindrareo ampela izy ireo handoro gny tragnon'ereo. 48 Fa hangalaky gny fitondra-tegna mahamegnasy anereo amy tany zaho dra hagnanasy gny ampela aby ba sy hizangazangan'ireo sasy. 49 Dra ho apetrany amindrareo gny fitondra-tegna mahamegnasy andreo. Hizaka gny heloky gny fahotandrareo , dra zay gny halalandrareo fa iandrareo, dra halalandrareo fa Zaho gny Topo Yaveh.''