Toko faha 22

1 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2 "Vo hanao, ry zanak'olo, hisara se hanao? Hisara gny tanan'gny lio se hanao? Apahafataro anazy gny fahavetavetany aby. 3 Sy mainsy zakaniha ho: 'Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Tiky dra tana ze mandraraky lio eo agnivony so hahavian'gny fotoany; tana ze manao sapy so handotoa gny vatany. 4 Meloky nohon'gny lio ze fa nalasakiniha hanao, dra voaloton'ireo sapy ze nahiniha. Fa nahafo gny androniha vo napagnato gny taonoha farany hanao. Noho zeho dra hahiko ho hegnasy ho an'ireo firene hanao dra fihomeheza eo amason'gny tany aby. 5 Reo ze mariny aniha vo reo ze lavisy aniha dra samby hagneso aniha, hanao ry tana maloto, sady fatasy amin'gny maha feno fifanzevogna aniha. 6 Ingo! Reo panapak'Israely, samby amin'gny fahefany aby, dra fa avy teo aminiha bo handasa-dio. 7 Fa nangala baraka reo ra vo reny tao aminiha ereo, dra nagnatateraky fapahoria tamin'ireo vahiny teo agnivoniha. Rsy fandesa reo kamboty vo reo pandaivata tao aminiha ereo. 8 FA nanao sinosino reo raha masy hanao sady nanimbazimba gny Sabatako. 9 Reo lelahy pagnendrikendriky dra fa avy teo aminiha bo handasa-dio, sady mihina egny an-tendrombohisy ereo. Magnatateraky faharasia eo agnivoniha ereo. 10 Fa niharihary tao aminiha gny fitanzahan'gny ra. Fa nagnararaosy gny apela sy malio mandrisy gny fadim-bolany tao aminiha ereo. 11 Reo lelahy ze manao fahavetaveta mindray amin'ireo valin'gny piray vodirindry aminazy, vo reo lelahy ze mandoto amin-kegnasy reo vinato vaviny avo; reo lelahy ze magnararaosy reo anabaviny--- dra reo zanakapelan'gny rany avo--- reo iaby reo dra eo aminiha. 12 Reo lelahy reo dra mandramby kolikoly eo aminiha so handasahan-dio. Fa nandramy tombonu hanao sady nahazo tombony maro vatany, nandrava reo piray mony tamin'gny fapahoria hanao, dra nagnaligno Anahy--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 13 Indro! Tamy tagnako gny namelezako ireo tombony sy ara-drariny ze azonao, vo gny fandasahan-dra zay eo agnevonao. 14 Hahazaka se gny fonao, hahery se gny tagnanao amy andro zay hamelezako anao? Zaho, Yaveh, gny magnambara anizay, dra hataoko zay. 15 Dra hagnaparitaky anao eo amin'ireo firenena zaho dra hampiely anao manera gny tany. Amin'izay fomba zay, gny hagnaliovako gny fahalotoanao aminao. 16 Dra haloto eo amason'ireo firenena ianao. Dra ho fatanao fa Zaho gny Yaveh.''' 17 Laha teo dra avy taminahy gny zakan'i Yave, manao ho: 18 ''Ry zanak'olo, aminahy gny ankohonan'Israely dra fa lasa tain-drendriky . Izy aby ireo dra sisam-barahina vo vy fosy, dra vy vo firaky eo agnevonao. Hanahaky gny tain-drendriky volafosy ao agnaty laforonao lahibe izy ireo. 19 Noho zay dra izao gny zakan'i Topo Yaveh:'Satria fa lasa manahaky gny tain-drendriky iandrareo aby, noho zay, ingo!Fa hamory andrareo eo agnevon'i Jerosalema zaho. 20 Manahaky gny volafosy vo varahina vy, firaky dra vy fosy voahavory eo agnevony lafory lahibe zay sy maisy hisy afo hisioky zay, gny handrendrehako anao. Dra hamory anao ao amy fahoriako zaho. Hapidiriko ao ianao dra hisioky gny afo ao amin'izay zaho ba handrendriky anizay;dra hamory anao amy fahoriako zaho ,dra hametraky anao ao zaho ka handrendriky anao. 21 Dra hamory anao zaho dra hisoky anao amy afogny fahoriako ka ho rendriky eo agnevony ianao. 22 Manahaky gny volafosy rendriky ao agnevony lafory lahibe, gny haharendriky anao eo agnevony, dra ho fatanao fa Izaho, Yaveh, gny fa nandraraky gny faoriako taminao!''' 23 Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 24 ''Ry zanak'olo , zakao aminazy ho:'Ianao dra tany bo sy voalio. Sy misy ora amy andro gny fahoria! 25 Misy fiaraha-misikombakomban'ireo paminaniny eo agnevony, manahaky gny liona miero mamiravira gy hazany. Mandevo gny fiaiana izy ireo dra mangalaky hanagna sarobily; nagnenga pitondratena maro tao aminazy izy ireo! 26 Manao herisetra amy lalako ireo pisorony, dra manimbazimba ireo raha ko masy izy ireo. Sy magnavaky gny raha-masy vo raha voazimbazimba izy ireo, dra sy mampianasy gny fahasamihafa eo amy maloto vo gny malio. Magnavory gny masony amy Sabatako izy ireo ba hanimbazimba anahy eo agnevony. 27 Reo andrian-dahiny ao aminazy dra manahaky gny amboadia mamiravira ireo hazany. Mandasa-dra izy ireo dra mandrava fiaigna, ba hahazoa tombony sy ara-drariny. 28 Nandoko anazy ireo tamy lalosy fosy ireo paminaniny; mahita fahita diso izy ireo dra maminany vandy amin'ereo. Hoy ereo ho:''Zao gny zakan'i Topo Yaveh''nefa sy nizakany avo Yaveh. 29 Reo ponigny tany dra nampahory tamin-kery vo nambobo tamy fandrobana, dra manao rasy fitondra gny mijaly vo gny fadirano izy ireo , sady mampahory gny vahiny sy amin-drariny. 30 Dra nitalia lelahy raiky tao amin'ereo ze hananga manda vo hisanga eo anatrehako eo amy elakelak'ireo ho agny tany zaho ba sy handravako anizay, fa sy nahita zaho. 31 Dra handraraky gny fahoriako ro amin'ireo zaho. Handringana anazy ireo amy afogny fahoriako dra hametraky gny lalany eo amy lohan'ireo avo -zay gny fagnambaran'i Topo Yaveh.'''