Toko faha 21

1 ra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2 "Ry zanak'olo, atoliho magnatriky an'i Jerosalema gny tarehiniha, vo mizaka hanohisy reo toera masy; maminania hanohisy gny tanin'Israely. 3 Zakao amin'gny tanin'Israely ho: 'Zeho gny zakan'i Yaveh: Ingo! Manohisy aniha Zaho! Haboakiko boaky ao amin'gny fitoerany gny mesako dra hanapaky gny olo-mary vo gny rasy fagnahy hiala aminiha! 4 Bo hanapahako gny mary vo gny rasy fagnahy hiala aminiha, dra hiboaky boaky amin'gny fitoerany hizera gny nofo aby hatragny asimo dra hatragny avarasy gny mesako. 5 Dra ho fatasy gny firene aby fa Zaho, Yaveh, gny namoaky gny mesako boaky tao amin'gny fitoerany. Sy hhihemosy sasy zaho!' 6 Gny aminiha, ry zanak'olo, misetoa no vaky gny voaniha! Misetoa am-pahangidiza eo amason'ereo! Vo hagnotany aniha ereo ho: "Ino gny antony hisetoaniha?' 7 Dra hizaka hanao ho: 'Nohon'gny amin'gny vaovao ze ho avy, fa ho ketraky gny fo aby, vo hizera gny tagna aby! Hiha-ketraky gny fagnahy aby, vo hikoria sahala gny rano gny pokopoko aby. Ingo! Hoavy anizeho dra manahaky anizeho! --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."' 8 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 9 "Ry zanak'olo, maminania dra zakao ho: 'Zao gny zakan'gny Tompo: Zakao ho: Mesa! Mesa! ho ragnity zeho dra hahy mangira! 10 Ho ranity zeho so hapesa amin'gny famonoa lahibe! Hahy mangira zeho so hanahaky gny selasy! Tokony hifany amin'gny tehim-panzakan'gny zanako se sika? Halan'gny mesa ho avy gny sora-kazo aby manahaky anizeho! 11 Koa dra home hahy mangira gny mesa, vo bo ho tanan'gny tagna bokeo! Voaragisy gny mesa dra nahy magnira dra home eo an-tagnan'gny raiky ze mamono anizeho!' 12 Mitokava vonzy dra mitomagnia, ry zanak'olo! Fa zeho mesa zeho dra avy hanzera gny oloko! Manohisy reo pitarik'Israely zeho. Natoraky ho amin'gny mesa nindray tamin'gny oloko ereo. Noho zeho, mizerazera fe! 13 Fa misy gny fisara, fe ekory no sy mahasisy gny tehy? --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 14 Amizao hanao, ry zanak'olo, mifat sady mitehafa tagna, fa hizera fagnitelony mihisy aza gny mesany! Mesa ho an'ireo ze ho vono! Mesa ho an'ireo maro ze ho vono zeho, mitrobaky anadreo ndre eza ndre eza! 15 Bo hapisoniky gny fony vo hapitombo reo lavony, dra napetrako hanohisy gny vavahadin'ereo gny famonoan'gny mesa! Loza! Nahy manahaky gny selasy zeho, ze nafha ho agny ami'gny pivaro-kena! 16 Hanao, ry Mesa! Manzera boaky eo akavagna! Manzera boaky eo akavia! Mandehana eo amin'ize hitolihan'gny tarehiniha. 17 Fa hizera gny tagnako ro avo koa Zaho; vo bokeo dra handay gny fahavignirako ho amin'gny fisahara! Zaho, Yaveh gny magnambara anizeho!" 18 Avy taminahy ndraiky gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 19 "Amizao hanao, ry zanak'olo, manendre lala ro hiavian'gny mesa gny pazakan'i Babylona. Samby hanomboky eo amin'gny tany raiky avo reo lala ro, dra hisy takelaby hagnamariky gny raiky amin'ireo handay agny amin'gny tana. 20 Mariho ho an'gny tafiky Babyloniana gn lala raiky so hagnagny Raba, gny tanan'gny Amnita. Moariho hanaday agny amin'gny tafik'i Joda vo gny tanan'i Jerosalema, ze voaaro fatrasy gny raiky hafa. 21 Fa gny pazakan'i Babylona dra hizano eo amin'gny sapagnan-dala, eo amin'gny fifanena, so hanao sikily. Hangozohozo sipiky maromaro izy sady hangataky tondro-lala boaky amin'gny sapy dra hizaha amin'gny atin-kena. 22 Eo amin'gny tagnany havagnadra hisy fambara mahakasik'i Jerosalema, so hametraky andry vy fandrodagna hanzera anizey, so hanokasy gny vavany hibeko gny amin'gny famonoa, hamoaky korakin'aly, hametraky andry vy vo fandrodagna hanzera gny vavahady , hagnamboasy tovon-tany, sady hapisanga gny tilikambo fanaova fahirano. 23 Ho ohasin'gny fambara sy misy dikany eo amason'ireo ze ao Jerosalema zeho, dra reo se nanao fifata voady tamin'gny Babyloniana! Fa hiapanga andreo nohon'gny fandika dina gny pazaka so hanaova fahirano andreo! 24 Noho zeho dra zao gny zakan'gny Tompo Yaveh: Akory hapasiahiviniha Anahy gny helokiniha, dra hiseho gny faharasisniha! Ho hita amin'gny asaniha aby gny fahotaniha! Noho zeho antony zeho dra hapasiahy gny olo aby hanao fa ho babon'gny tagnan'gny fahavaloniha hanao! 25 Gny aminiha, ry panapak'Israely pazimbazimba sady rasy fagnahy, ze fa avo hny andron'gny fagnasazia anazy, sady fa tapisy gny fotoa fanotany. 26 Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh aminiha: soaho gny hamana dra alao gny satro-boninahisy! sy hitovy sasy gny raha aby! Asandrato reo mietry dra ahetreo reo misadondrody! 27 Faharava! Faharava! Hahiko faharava tiky! Sy ho tafihery amin'gny laoniny zeho mandra-pahavin'gny raiky ze voatendry hagnatateraky fisara. 28 Koa hanao, ry zanak'olo, maminania dra zakao ho: 'zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh amin'gny vahoakin'i Amona mahakasiky gny fahafaham-barakan'ereo ho avy: Sabasy, nisy sabasy naboaky! Niragnity ho an'gny famonoa zeho so handrapaky , koa dra sahala gny selasy zeho! 29 No mahita fahita-poa ho aniha reo paminany, no bo manao fombafomba ze hiafara amin'gny vandy ho aniha ereo, dra hagnambara eo amin'gny tendan'ireo rasy fagnahy ze fa ho vono, ze fa avy gny andron'gny fisara anazy sady ze fa ho tapisy gny fotoan'gny fahotany iho mesa iho. 30 Aheregno ao amin'gny fitoerany gny mesa. Ao amin'gny toera nanahia aniha, ao amin'gny tany nipoiraniha, gny hisarako aniha! 31 Halasako aminiha gny afon'gny fahasosorako dra hapetrako ho eo an-tagnan'gny olon-dozabe hanao, dra lelahy havagna amin'gny fandripaha! 32 Hazary soliky ho an'gny afo hanao! Ho eo agnivon'gny tany gny lioniha. Sy ho sarova hanao, fa Zaho, Yaveh gny nagnambara anizeho!"'