Toko faha 20

1 Vo tamin'gny tao fahafito, tamin'gny andro fahafolon'gny vola fahadimy, dra avy gny loholon'Israely hagnotany an'i Yaveh dra nitoboky teo agnoloako. 2 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 3 " Ry zanak'olo, ambarao amin'gny loholon'Israely dra zakao andreo ho: 'Gny Tompo Yaveh mizaka zeho: Avy hagnotany Anahy se hanao? No velo koa Zaho, dra sy hagnotanianiha! --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.' 4 Hisara andreo se hanao? Hisara se hanao, ry zanak'olo? Aoky ereo hahafatasy gny fahavetavetan'gny razambeny. 5 Zakao andreo fa: 'YAveh Tompo mizaka zeho: Tamin'gny andro ze nisafidianako gny Israely sady nagnandratako gny tagnako so hifata fifata teo amin'ireo taranaky gny hasaveragnan'i Jakoba, sady napahafatarako andreo gny vatako tagny amin'gny tany Egypta, nofa nanandrasy gny tagnako so hifata fifata teo amin'ereo Zaho. Ho Zaho ho: "Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo"--- 6 tamin'izeho andro zeho gny nagnandratako gny tagnako bo hifata amin'gny fifata eo amin'ereo fa handay andreo hiboaky amin'gny tany Egypta ho eo amin'gny tany ze fa nifantenako soa ho andreo Zaho. Tondra-dronono vo tately zeho; zeho gny firavaky soa loasy eo amin'gny tany aby. 7 Ho Zaho tamin'ereo: "Aoky gny olo kiraikiraiky hagnary reo raha maharikoriko eo agnoloan'gny masony vo reo sapin'i Egypta. Ka mandoto gny vatandrareo; Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo." 8 Fe nikomy taminahy ereo dra sy nety hiteno Anahy. Gny olo kiraikiraiky sy nisy nagnary gny raha maharikoriko teo agnoloan'gny masony na nahafo gny sapin'i Egypta, koa dra tapa-kevisy handraraky gny fahavignirako eo amin'ereo Zaho so hahafa-po gny hahoriako eo amin'ereo eo gnivon'gny tany Egypta. 9 Niasa ho an'gny agnarako Zaho so sy ho voazimbazimbz eo amason'ireo firene ze nitoerany zeho. Napahafatariko teo amason'ereo gny vatako, tamin'gny fandesa andreo niboaky gny tany Egypta. 10 Koa dra nandefa andreo niboaky gny tany Egypta Zaho dra nanday andreo ho agny an'efisy. 11 Dra nagnome nadreo gny lalagnako Zaho sady napahafatasy andreo gny liliko, ze hahavelo gny olo no magneky ireo izy. 12 NAgnome andreo gny Sabatako ho famatara eo Aminahy vo ereo avo koa Zaho, so hahafataran'ereo fa Zaho gny Yaveh ze magnamasy andreo. 13 Fe gny taranak'Israely dra nikomy hanohisy tagny an'efisy. Sy hagnaraky gny lalagnako ereo; fe koa, nanda gny liliko, ze hahavelo gny olo na magneky anizeho ereo. Nanimbazimba tateraky gny sabatako ereo, koa nizaka Zaho fa hararako eo amin'ereo agny an'efisy gny hahoriako so hahalany taminga andreo. 14 Fe niasa ho an'gny agnarako Zaho so sy ho zimbazimba eo amason'ireo firene zeho, ze teo amasony gny nadesako andreo niboaky tao Egypta. 15 Koa nanandrasy gny tagnako avo koa Zaho so hifata fifata amin'ereo agny an'efisy fa sy handay andreo agny amin'gny tany ze fa homeko andreo, dra tany tindra-dronono vo tately, zeay firavaky soa loasy eo amin'gny tany aby. 16 Nifata anizeho Zaho akory nandiko gny liliko ereo sady sy nagnaraky gny lalagnako, vo nanimbazimba gny Sabatako, akory nagnaraky reo sapiny gny fony. 17 Fa niantra andreo tamin'gny faharavany gny masoko sady sy nandripaky andreo tagny an'efisy Zaho. 18 Ho Zaho tamin'ireo zanadahiny vo zanakapelany tagny an'efisy ho: "Ka mandeha araky gny lalagnan'gny ray aman-drenindrareo; ka mitandry gny liliny na manimbazimba gny vatandrareo amin'gny sapy. 19 Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo; tandremo gny liliko sady ankatoavy reo. 20 Tandremo gny Sabatako masy so ho famatara eo Aminiha vo amindrareo reo, so hahafatarandrareo fa Zaho gny Yaveh Zagnaharindrareo." 21 Fa nikomy taminahy reo zanadahiny vo zanakapelany. Sy nandeha tamin'gny lalako ereo na nitandry gny liliko, ze manhavelo gny olo no magneky ireo izy. Nanimbazimba gny Sabatako ereo, kadra tapa-kevisy gny handraraky gny fahavignirako teo amin'ereo Zaho so hahafapo gny hahoriako tamin'ereo tagny an'efisy. 22 Fe napivily gny tagnako Zaho vo niasa nohon'gny amin'gny agnarako, so sy ho vaozimbazimba eo amason'ireo firene ze teo amasony gny nagnaboahako gny Israely zeho. 23 Nanandrasy gny tagnako so hifata amin'ereo agny an'efisy avo koa Zaho, fa hapiely andreo eo amin'ireo firene sady hagnaparitaky andreo amin'gny tany. 24 Nanapa-kevisy gny hanao anizeho Zaho akory sy nankato reo liliko ereo, dra akory nanda reo lalagnako ereo vo nanimbazimba gny Sabatako. Gny masony dra nagnaraky gny sapin'gny razamben'ereo. 25 Nofa zeho dra nagnome andreo gny lalagna ze sy soa, vo gny lily ze sy hahavelo andreo avo koa Zaho. 26 Nandoto andreo tamin'gny fagnomezan'ereo Zaho nofa nanao soro gny volohan-terak'ereo aby sady nanoraky reo tao amin'gny afo ereo. Nanai anuzeho Zaho so hapihorohoro andreo dra hahafatarany fa Zaho gny Yaveh!' 27 Noho zeho, ry zanak'olo, mizaka amin'gny taranak'Israely dra zakao andreo ho: 'Gny Tompo Yaveh mizaka zeho: Tamin'izeho avo koa gny nizakan'gny razamabendrareo rasy Anahy tamy sy nahatoky Anahy ereo. 28 Nofa nanday andreo ho ao amin'gny tany ze fa nifatako home anadreo Zaho, vo ndre ombia ndre ombia nahita havoa abo ereo vo hazo mandravy, dra nanolosy gny sosony ereo, napahaory Anahy tamin'gny fagnatiny ereo , vo tao avo koa gny nagnoroan'ereo ditin-kazony magnisy vo napizosony gny fagnatiny finomy. 29 Dra ho Zaho tamin'ereo: "Ino tihoky toera abo ze handesandrareofagnatisy tihoky?" Koa dra nitoka ho Bama gny agnarany mandrak'androany.' 30 Noho zeho zakao amin'gny hasaveregnan'Israely ho: 'Gny Tompo Yaveh mizaka zao: Nagnino handrareo gny mandoto amin'gny fomban'ireo razambendrareo? Koa nagnino handrareo gny manao sahala gny pivarobata, mitalia reo raha maharikoriko? 31 Fa nofa manolosy gny fagnatisindrareo handrareo vo mametraky gny zanadrareo lelahy agnaty afo, manomboky amin'iho andro iho handrareo dra mandoto gny vatandrareo amin'gny sapindrareo aby. Koa nagnino Zaho gny tokony hanenga andrareo hagnotany Anahy, ry hasaveregnan'Israely? No velo koa Zaho--- zeho gny fagnambaran'Gny Tompo Yaveh--- dra sy hanenga andrareo hagnotany Anahy Zaho. 32 Gny hevisy ze miforo ao an-saindrareo dra sy ho taterany mihisy. Ho handrareo ho: "Aoky zahay hanahaky gny firen hafa, manahaky gny foko ao amin'gny tany hafa ze manopo hazo vo vato." 33 No velo koa Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- dra azo antoky fa hanzaka eo amindrareo Zaho amin'gny tagna mahery, sandry misandrasy, vo hahoria ze alasaky eo amindrareo. 34 Handay andrareo hiala boaky eo amin'ireo olo hafa Zaho dra hamory andrareo boaky amin'ireo firene teo amin'ize nagnaparitaha andrareo. Hanao anizeho amin'gny tana mahery vo amin'gny hahoria nararaky Zaho. 35 Dra handay andrareo agny an'efisy gny olo Zaho, vo agny gny hisarako andrareo mivanta. 36 Manahaky gny nisarako gny razambendrareo tao an'efisy gny tany Egypta, gny hisarako andrareo avo koa--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 37 Hapandalo andrareo eo ambanin'gny sora-kazoko Zaho, dra hapagneky andrareo gny fepetran'gny faneke. 38 Handio reo pikomy vo reo ze manohisy Anahy boaky eo amin'gny tany ze itobohan'ereo sahala gny vahiny Zaho, fe sy ho afaky gny hilisy amin'gny tanin'Israely ereo. Dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh. 39 Ka ho aniha, ry hasaveregnan'Israely, zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Gny kiraikiraiky amindrareo dra tokony handeha agny amin'gny sapiny aby. Manopoa andreo nofa sy hiteno Anahy handrareo, fe aoky sy hanimbazimba gny agnarako masy amin'gny fagnomeandrareo reo sapindrareo sasy handrareo. 40 Fa eo amin'gny tendrombohisiko masy, eo an-tapon'gny tendrombohis'Israely--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- gny hasaveregnan'Israely aby dra hanopo Anahy ao amin'gny tany. Hahafaly Anahy gny mitaky gny fagnatisindrareo agny, vo gny voloham-bokasy gny fokondrareo mindray amin'gny raha masindrareo aby avo koa. 41 Hagneky andrareo manahaky gny ditin-kazo magnisy Zaho nofa mamoaky andrareo boaky eo amin'gny olo sady mamory andrareo amin'ireo tana ze fa naganparitah andrareo. Haneho gny vatako ho masy eo amindrareo Zaho so ho hitan'ireo firene. 42 Vo, nofa manday andrareo agny amin'gny tanin'gny Israely Zaho, agny amin'gny tany ze fa nanandratako gny tagnako hafata fa ome gny razambendrareo, dra ho fatasindrareo fa Zaho gny Yaveh. 43 Bokeo dra ho sarondrareo eo reo fomba rasindrareo, vo gny asandrareo aby ze nandoto gny vatandrareo, dra halay gny vatandrareo eo amasondrareo aby ze fa nahindrareo. 44 Koa ho fatasindrareo fa Zaho gny Yaveh nofa manao anizeho amindrareo nohon'gny amin'gny agnarako Zaho, fa sy ho an'gny fomba rasindrareo na gny asa rasindrareo, ry hasaveregnan'Israely--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh."' 45 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 46 "Ry zanak'olo, magnatreha gny asimon'gny tany, dra mizaka magnasimp; maminania gny amin'gny hagnorena gny alan'i Negeva. 47 Zakao amin'gny alan'i Negeva ho: 'Zao gny fagnambaran'i Yaveh--- gny Tompo Yaveh mizaka zao: Ingo, handrehisy afo eo amindrareo Zaho. Handevo gny hazo vaovao aby vo gny hazo maiky aby eo amindrareo zeho. Sy ho vono gny lelafo mirehisy; ho oroa ze iaby boaky agny asimo dra hatragny avarasy. 48 Dra ho hitan'gny nofo aby fa Zaho gny Yaveh nofa mapirehisy gny afo Zaho, dra sy ho faty zeho."' 49 Dra ho zaho ho: "Indrisy! Ry tompo Yaveh, mizaka gny aminahy ereo hoe: 'Sa ra sy pizaka fagnohara avo izy?"'