Toko faha 19

1 " Androany hanao, manaova fitomagnia hanohisy reo pitariky gny Israely 2 dra zakao ho: 'Ia gny renindrareo? Liona vavy, nindray nitoboky tamin'gny zanaky gny liona izy; teo agnivon'gny liona tanora, nikolokolo reo zanany izy. 3 Izy gny niteza gny raiky tamin'ireo zanany hazary liona tanora, liona ze nianasy namiravira reo hazany, vo dra nihina olo ereo. 4 Bokeo reo firene nahare gny mahakasiky anazy. Trasy tao amin'gny fandrik'ereo izy, vo dra nandesin'ereo tamin'gny farangi ho agny amin'gny tanin'i Egypta. 5 Dra hitany fa ndre dra niamby gny fiheregnany aza izy, dra sy mana fagnatena ssasy izy amizao, dra nangala hafa tamin'ireo zanany izy dra niteza anazy hazary liona tanora. 6 Niaodiaody teo agnivonireo liona zeho liona tanora zeho. Liona tanora izy dra nianasy namiravirava reo hazany; nihina olo izy. 7 Nisamboriny reo pantavatan'ereo, sady niravany gny tanan'ereo. Gny tany vo gny fahafenony dra nafo nohon'gny feon'gny fierosiny. 8 Fa avy hanohisy anazy reo firene boaky amin;ireo faritany magnodidy; namelasy gny haraton'ereo teo amboniny ereo. Vaosambosy tao amin'gny haraton'erep izy. 9 Tamin'gny faranga gny nanaovan'ereo anazy tao amin'gny fagnagiaza dra nandesin'ereo tagny amin'gny pazakan'i babyloa izy. Nandesin'ereo tagny amin'gny ferova fatrasy izy so sy ho re ao amin'ireo tendrombohis'Israely sasy gny feony. 10 Gny reniniha dra sahala gny voaloboky misiry ao amin'gny lioniha eo agnilan'gny rano. namokasy zehodra feno ransa nohon'gny fitobaky gny rano. 11 Fatrasy gny ransan'izeho ze fapiasa ho tehin'ireo panapaky, vo gny haben'izeho dra nasandrasy ambonireo ransany, vo gny haabony dra hita amin'gny haben'gny raviny. 12 Fa nombota tamin'gny fahavignira gny voaloboky dra natoraky tamin'gny tany, dra nisy sioky boaky agny asinagna nagnamaigny gny vihiny. Reo ransany fatrasy dra tapatapaky sady nalazo dra gny afo gny nandevo anazy reo. 13 Koa androany dra nambole agny an-tany efisy zeho, agny amin'gny tany maiky sady karakaigny. 14 Fa afo gny niboaky boaky tao amin'ireo ransany lahibe dra nandevogny gny vihiny. Sy misy ransa fatrasy sasy amin'izeho, sy misy tehy hanapaky.' Fitomagnia zeho dra ho hiray sahala gny hira fandala."