Toko faha 18

1 Avy aminhy ndraiky gny zakan'i Yaveh, manao ho: 2 "Ino gny tianiha hambara, hanao ze mapiasa anizeho ohabola zeho mahakasikin'gny tanin'Israely dra manao ho:' Gny ra dra mihina voaloboky madiro, vo gny nifin'gny zanaky dra nahy naragnisy'? 3 No bo velo koa Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- sy hisy fahafaha ho aniha hapiasa tiky ohabola tiky agny Israely sasy. 4 Ingo! Gny fiaigna aby dra Anahy--- gny fiaignan'gny ra manahaky gny fiaignan'gny zanaky, Anahy ereo! Gny fagnahy ze manota gny ho faty! 5 Ino gny afaky zaka mahakasikin'gny olo ze mary vo ze magnatateraky gny rariny vo gny fahamarigna--- 6 no sy mihina eo amin'gny tendrombonihisy na manandrasy gny masony amin'gny sapin'gny hasaveregnan'Israely izy, sady sy mandoto gny piara-belo amin'gny valny, magnariny apela amin'gny fadim-bolany, sa ra lelahy mary izy? 7 Ino gny afaky zaka mahakasikin'gny lelahy sy mapahory an'ia na ia, sady mapihery an'gny pitrosa ze napetrky ho ferova ho an'gny findramam-bola izy, vo sy mangalasy fa magnome gny hanihy ho an'gny resy vo magnasaro gny mitanzaky amin'gny fitafy, sa ra olo-mary izy? 8 Ino gny afaky zaka mahakasikin'gny olo mangala tombony be loasy amin'gny vola indraminy, dra sy mangala tombony be loasy amin'ize aviliny? Nizaka mahakasiky anazy fa manday gny rariny vo mametraky fahatoka eo amin'gny olo izy. 9 No mandeha amin'gny lalako zeho olo zeho dra mita gny liliko bo hiasa am-pahatokia, dra zeho gny fapagnantena ho an'itiky olo-mary tiky: ho velo vatany izy--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 10 Fa no ahy ho manan-zanaky mahery setry ze mandasa-dio vo manao maro amin'ireo raha ze nitanisay teto ereo 11 ndre dra sy nanao reo raha reo aza gny rany, fa mihina eo amin'ireo tendrombohisy mamitaky gny piara-belo amin'gny valiny izy, ino gny afaky zaka mahakasiky anazy? 12 Mapahory gny mahantra vo gny mila fagnapia zeho olo zeho, dra mambabo sady mandroba izy, dra sy mapihery gny antoky, dra manandrasy gny masony amin'ireo sapy vo manao asa maharikoriko, 13 dra mapindram-bola be loasy izy dra mangala tombony be loasy amin'ize aviliny, tokony ho velo se zeho olo zeho? Azo antoky fa sy ho velo! Ho faty vatany izy vo gny liony dra ho eo aminazy akory nanao reo raha mahasiravy aby reo izy. 14 Fa ingo! Hevero ho misy olo miteraky zaza lelahy, vo gny zanany lelahy dra mahita gny gny fahota aby ze nahin'gny rany, vo ndre dra hitany aza ireo, dra sy manao reo raha reo izy. 15 Sy mihina eo amin'gny tendrombohisy zeho zanadahy zeho, dra sy manadrasy gny masony amin'ireo sapin'gny hasaveregnan'Israely, vo sy mamitaky gny piara-belo amin'gny valiny, ino gny afaky zaka mahakasiky anazy? 16 Sy mapahory ndre ia ndre ia zeho zanaky zeho, na manao antoky, na mangalaky raha nangalary, fe koa magnome gny haniny ho an'gny resy sady magnasaro gny mitanzaky amin'gny fitafia. 17 Sy mapahory ndre ia ndre ia ndre mindram-bola be loasy ndre mangala tombony be loasy amin'gny findramam-bola zeho zanadahiny zeho, fe manday gny lalagnako vo mandeha araky gny liliko; sy ho faty nohon'gny fahotan-drany zeho zanadahiny zeho: azo antoky fa ho velo izy! 18 Akory mapahory gny hafa amin-kery sady mandroba gny rahalahiny, dra manao ze sy mety eo amin'gny olo, gny rany--- Ingo, ho faty amin'gny helony izy. 19 Fa hanao mizaka ho: 'Nagnino gny zanadahy gny sy manday gny heloky gny rany?' Akory fahisia vo fahamarigna sady mitandry gny lalagnako aby gny zanadahy; manao reo izy. Azo antoky fa ho velo izy! 20 Gny raiky ze nanota, gny ho faty. Gny zanadahy dra handay gny heloky gny rany, vo gny ra sy handay gny heloky gny zanadahiny. Gny fahamarignan'gny raiky ze miasa soa dra ho aminazy avo, vo gny faharasian'gny rasy fagnahy dra ho aminazy avo. 21 Fa no miala amin'gny fahota aby ze nahiny gny rasy fagnahy, dra mitandry gny lalagnako sady manao gny rariny vo gny fahamarigna, dra azo antoky da ho velo izy fa sy ho faty. 22 Gny fandikan-dalagna ze fa nahiny dra sy hapasiahivy anazy. Hiay amin'gny fahamarigna ze hahiny izy. 23 Sa ra vatany miravoravo fatrasy amin'gny fahafatesan'gny rasy fagnahy Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- fa sy amin'gny fialany amin'gny lalany so hahafahany miay? 24 Fa no miala amin'gny fahamarignany vo manota sady manao heloky vo fahavetaveta manahaky gny fahavetaveta aby ahin'gny olon-drasy gny olo-mary, dra ho velo se izy? Gny fagamarigna aby ze fa nahiny dra sy hapasiahivy sasy nofa mamadiky Anahy amin'gny famadihany izy. Dra ho faty amin'gny fahota ze nahiny izy. 25 Fa hanao mizaka ho: 'Gny lalan'gny Tompo dra sy ara-drariny!' Tenoy, ry hasaveregnan'Israely! Sa ra sy ara-drariny gny lalagnandrareo? 26 Nofa miala amin'gny fahamarignany gny olo-mary, dra manota dra maty noho ireo, dra ho faty amin'gny fahota ze nahiny izy. 27 Fa no miala amin'gny faharasia ze nahiny vo manao gny rariny vo gny fahamarigna gny rasy fagnahy, dra hahavonzy gny fiaignany izy. 28 Fa nahita dra niala tamin'gny fandikan-dalagna aby ze fa nahiny izy. Azo antoky fa ho velo izy, dra sy ho faty. 29 Fa gny hasaveregnan'Israely mizaka ho: 'Gny lalan'gny Tompo dra ara-drariny!' Amin'gny fomba akory gny sy maha-ara-drariny gny lalagnako, ry hasaveregnan'Israely? Reo lalagnaniha gny sy ara-drariny. 30 Noho zeho dra hisara gny lelahy kiraikiraiky ao amindrareo anaky reo fombany Zaho, ry hasaveregnan'Israely!--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo. Mibebaha dra mela amin'gny fandikan-dalagnandrareo so sy ho vato misaka fahota amindrareo ereo. 31 Alao amin'gny vatandrareo reo fandikan-dalagna aby ze fa nahindrareo reo; ahivo fo vaovao vo fagnahy vaovao gny vatandrareo. Nagnino hanao gny tokony ho faly, ry hasaveregnan'Israely? 32 Fa sy faly amin'gny fahafatesan'ize maty Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- koa mibebahya dra miveloma!"