Toko faha 17

1 Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2 "Ry zanak'olo, manaova fapanonona sady mizaka fagnohara ami'gny hasaveregnan'Israely. 3 Zakao ho: 'Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Nisy voromahery lahibe ze mana elasy lahibe vo volon'elasy lava, feno volom-boro, sady maro loko nagnagny Libanona dra nita gny teo an-tendron'gny hazo sedeea. 4 Nanapaky gny tendron'gny ravy eo amin'ireo sapa zehi sady nanday reo tagny amin'gny atany Kanana; namboly anizaho tao amin'gny tanan'ireo pivarosy izy. 5 Nangalaky volon'gny tany misimisy koa izy dra namboly anizeho tamin'gny tany mahavokasy. Napetrany teo amoron'gny vatan-drano lahibe manahaky gny hazo malahelo zeho. 6 Dra nisimoky dra nazary fielezan'gny voaloboky ambany amin'gny tany zeho. Reo sapany dra niodiky teo aminazy, vo gny fakany nitombo teo ambanin'izeho. Dra laza voaloboky sady namokasy ransa zeho dra namoaky sapany. 7 Fa nisy voromahery lahibe hafa koa ze mana elasy lahibe vo volom-boro maro. Ingo! Tiky voaloboky tiky dra napiodiky gny fakany tamin'gny voromahery, vo mamelasy reo sapany tamin'gny voromahery boky eo amin'gny toera ze fa nambolo anizeho so ho voatondroky anizeho. 8 Voavoly teo amin'gny tany soa amoron'gny vatan-drano lahibe zeho dra afaky mamokasy sapa vo mapisimoky vokasy, so ho lasa voaloboky mahafinarisy.' 9 Zakao amin'gny vahoaky ho: 'Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Ho ambinigny se zeho? Sy hombota amin'gny fakany vo endahy amin'gny vihiny so halazo se zehi, sady bo halazo gny solofony aby? Sy hisy sandry mahery na vahoaky maro ilay so hagnombosy zeho amin'ireo fakany. 10 Ka ingo! Ndre dra voavoly aza zeho, dra hisimoky se? Sy halazo se zeho nofa mikasiky anazy gny rivosy boky agny asinagna? Halazo tateraky amin'gny teti-drasiny zeho."' 11 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 12 "Zakao amin'gny taranaky pikomy ho: 'Haindrareo se gny dikan'ireo raha reo? Ingo! Avy tao Jerosalema gny pazakan'i Babylona dra nangala gny pazakany vo reo andrian-dahiny dra nanday andreo tagny aminazy tagny Babylona. 13 Dra nanday taranak'andria izy, nanao faneke taminazy, dra nanday anazy tamin'gny fifata. Namoaky reo vahoaky mahery teo amin'gny tany izy, 14 so hietry gny fanzaka fa sy hiary. Amin'gny fitandrema gny fanekeny gny hahavelo gny tany 15 Fa gny pazakan'i Jerosalema dra nikomy nanohisy anazy tamin'gny fandefasa reo masoivoho ho agny Egypta so hahazo sovaly vo tafiky. Hahomby se izy? Hilefa se ze manao zeho raha zeho? No mamadiky gny faneke izy, dra hilefa se? 16 No velo koa Zaho! --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh --- dra ho faty eo amin'gny tanin'gny pazaka ze nanao anazy ho pazaka vatany izy, gny pazaka ze nainy sinosino gny fafatany, vo ze nivaliky gny fanekeny. Ho faty eo agnivon'i Babylona izy. 17 Farao vo gnt tafiny mahery vo reo fiangonan'gny olo maro ho amin'gny aly dra sy hiaro anazy agn'aly, nofa magnory fahirano dongon-tany vo fahirano rindry handripaha olo maro gny tafikin'gny Babylona. 18 Fa nanao sinosino gny fifatany tamin'gny famadiha gny faneke gny pazaka. Ingo, fa naninzisy gny tagnany hanao fapagnatena izy sady fa nanao reo raha iaby reo. Sy hilefa izy. 19 Ka zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: No velo koa Zaho, sy gny fifatako se gny nahiny sinosino vo gny fanekeko gny nivalihany? Koa handay gny fatrokafa ho eo amin'gny lohany Zaho! 20 Hapiely gny haratoko eo aminazy Zaho, dra ho trasin'gny harato fihazako izy. Dra handay anazy agny babylona vo hapihatry fisara aminazy agny Zaho ho an'gny famadiha ze nahiny no namaliky Anahy izy! Gny felofany aby ao amin'gny tafiy 21 dra lavon'gny mesa, vo reo ze mitoesy dra ha[aritaky agny amin'gny lala aby. Dra ho fataniha fa Zaho gny Yaveh; Zaho gny nagnambara fa hitranga zeho." 22 Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: 'Koa gny vatako mihisy gny hanaga gny ransa abo amin'gny hazo sedera, dra hamboly anizeho eo amin'ireo sampa malefaky. Hanapaky anizeho Zaho, vo gny vatako gny hamboly anizeho agny amin'gny tendrombohisy abo. 23 Hamboly anizeho agny amin'gny tendrombohis'Israely Zaho dra handnransa vo hamokasy vihy zaho, dra hazary sedera malaza ze honegnan'gny voro managn'elasy aby zeho. Hitoesy eo amin'gny alokalok'ireo sapany ireo. 24 Dra ho fatasy gny hazo aby agny an-saha fa Zaho gny Yaveh. Mapietry gny hazo aby vo manandrasy reo hazo iva Zaho. Mapalazo gny hazo voatondraky Zaho sady mapisiry gny hazo maiky. Zaho gny Yaveh, fa nambarako fa hitranga zeho; sady fa nanao anizeho Zaho."'