Toko faha 16

1 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, manao ho: 2 "Ry zanak'olo, apahafataro mahakasiky reo fahavetavetany i Jerosalema, 3 dra ambarao ho: 'Zao gny zakan'gny Tompo Yaveh amin'i Jerosalema: Gny fiandohaniha vo gny nahaterahaniha dra tao amin'gny tany Kanana; Amorita gny raniha, vo Hetita gny reniniha. 4 Amin'gny andron'gny fahaterahaniha, dra sy nanapaky gny tadi-poitriniha, na nagnadio aniha tamin'gny rano na nanasa aniha tamin'gny ranon-sira, na nandrakosy lamba nagnodidy aniha gny reniniha. 5 Sy nisy maso nagnoraky aniha dra hanao reo raha reo aminiha, so hangoraky aniha. Tamin'gny andro ze nahaterahaniha, niaraky tamin'gny fankahala ho an'gny fiainaniha, dra natoraky teo amin'gny saha malalaky hanao. 6 Fe nandalo teo aminiha Zaho, dra nahita aniha nihosinkosy tamin'gny lioniha; dra ho Zaho taminha tamin'gny lioniha ho: "Miveloma!" Dra ho Zaho taminiha tamin'gny lioniha ho: "Miveloma!" 7 Napitomboko manahaky gny voly egny amin'gny saha hanao. Niha-maro hanao sady nihalahibe, dra nizary ravaky gny firavaky. Nisiry nono hanao, dra niha-natevy gny voloniha, ndre dra nitanzaky vo niborida aza hanao. 8 Nandalo teo aminiha ndraiky Zaho, dra hitako hanao. Ingo! avy taminiha gny fotoan'gny fitiava, dra namelasy gny akazoko taminiha Zaho sady nanafosy gny fitanzahaniha. Bokeo dra nifata taminiha Zaho dra nanday aniha tamin'gny faneke--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- dra lasa Anahy hanao. 9 Dra nanasa aniha tamin'gny rano vo nanasa gny lio taminiha Zaho, dra nagnosotry dililo aniha. 10 Napiakazoko tamin'ireo akazo misy peta-kofehy hanao sady nasiko kapa holisy gny tomboniha. Nirakofako tamin'gny rongony fosy madiniky hanao sady nisaforako tamin'gny landy. 11 Bokeo dra niravahiko tamin'gny firavaky hanao, dra nasiako haingon-tagna gny tagnaniha, vo rozo magnodidy gny vozoniha. 12 Nasiako kavin'oro gny vavoroniha vo kavin-sofy gny sofinya, vo satro-boninahisy soa tarehy teo ambony gny lohaniha. 13 Dra voaravaky tamin'gny volamena vo volafosy hanao, sady niakazo rongony fosy madiniku, landy. vo akazo misy peta-kofehy; nihina koba manify hanao, tately, vo dililo, dra vatany tarehy vatany hanao, dra lasa pazaka vavy. 14 Niely teo amin'ireo firene nohon'gny haosaniha gny lazaniha, akory tonga lafatry tamin'gny fiandriana ze nomeko aniha hanao--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh. 15 Fa natoky gny hasoaniha hanao, dra nanao manahaky gny pivarobata nohon'gny lazaniha; nandraraky gny fivarota-bataniha tamin'ize iaby nandalo hanao, dra lasany ho gny hasoaniha. 16 Bokeo dra nangalaky reo akazoniha hanao vo nanao toera abo voahengo karazan-doko tamin'ireo ho aniha, vo tao hanao gny nanao gny fivarotam-bataniha. Sy tokony niseho zeho. Ndra ho tokony sy nisy gny raha manahaky anizeho. 17 Nalaniha reo firavaky manify vita tamin'gny volamena vo volafosy ze nomeko aniha, dra nanao sarin-lelahy ho aniha hanao, dra nanao manahaky ze ahin'gny pivarobata tamin'ireo. 18 Nalaniha reo akazo misy peta-kofehy dra nasafosiniha reo, vo napetrakiniha teo alohan'ireo gny dililiko vo reo raha magnisiko. 19 Gny mofo ze nomeko aniha--- vita tamin'gny koba manifu, dililo, vo tately--- dra napetrakiniha teo alohan'ireo so ho hagnisy ankasitraha, fa zeho gny niseho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. 20 Bokeo dra nalaniha reo zanadahiniha vo reo zanakanpelaniha ho Anahy, dra nahiniha soro ho an'ireo sary ereo ho voarapaky manahaky gny sakafo. Sa ra olana keliky reo asa fivarota-bataniha? 21 Novoniha reo zanako dra nahiniha tao amin'gny afo. 22 Sy nihevisy mahakasiky reo andron'gny fahatanoraniha hanao tamin'ireo fahavetavetaniha vo reo asa fivarotam-bataniha, tamy nitanzaky vo niborida sady bo nihoso tamin'gny lioniha. 23 Loza! Loza ho aniha! --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- noho zeho, fagnapin'ireo harasim-pagnahy aby reo, 24 dra nagnory efitragno abo ho aniha eraky gny kalamanzagna aby hanao. 25 Nagnory gny toera aboniha tagny amin'gny lohan'gny lala soa hanao sady nanimbazimba gny hosaniha, fa nagnome gny vataniha ho an'ize iaby nadalo hanao sady napitombo asa fivarotam-bata maro. 26 Nanao manahaky gny pivaro-bata nindray tamin'ireo Egyptiana, reo piara-monina le fila, sady nanao asa fivarotam-bata maro, nahaory Anahy hanao. 27 Ingo! hizera aniha amin'gny tagnako Zaho sady hagnazano gny hsakafoniha. Hatoloso an'ireo fahvaloniha, dra reo zanakapelan'ireo Filistina, ze megnasy tamin'gny toetry mamoafadiniha gny ainiha. 28 Nanao manahaky gny pivarobata nindray tamin'ireo Asy riana hanao akory sy nety afa-po. Nanao manahaky gny pivarobata hanao dra bo sy nety afa-po avo. 29 Napitombo asa fivarota-bata maro tao amin'gny tanin'ireo pivaros'i Kaldea hanao, sady ndre zeho aza dra nahafa-po aniha. 30 Manahaky gny akory gny fahararian'gny fonao--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- gny anaovaniha reo raha aby reo, dra asan'ireo pivaro-bata sy megnasy? 31 Nagnory reo toera aboniha teo amin'gny lohan'gny lala aby hanao sady nagnory tragno abo ereky gny kalamanzagna aby. Fa koa sy manahaky gny pizangazana hanao akory nanda hamdramby vola. 32 Hanao ry apela pizangazana, nagneky reo hafa hanao no tokony ho gny valiniha avo. 33 Gny olo dra magnome vola reo pivaro-bata aby, fa hanao koa nagnome gny karamaniha ho an'ireo olon-tianiha aby vo namitaky andreo so ho avy ao aminiha boaky amin'gnymagnodidy aby ho an'gny asa fivarotan-bataniha. 34 Dra misy fahasambihafa aminiha vo reo apela hafa reo, akory sy misy olo magnato aniha so hangataky aniha hindray amin'ereo. Fe koa, mandoa vola amin'ereo hanao. Sy misy olo mandoa volo aminiha. 35 Noho zeho, ry pivaro-bata, tenoy gny zakan'i Yaveh. 36 Yaveh Tompo mizaka zao: Akory hanao nandraraky gny filaniha sady napiseho gny farisy mamoafadiniha tamin'ireo asa fivarotam-bata nindray tamin'ireo olon-tianiha aby vo nindray tamin'ireo sapy vetavetaniha aby, vo nohon'gny lion'gny zanakini ze nomeniha an'ireo sapiniha, 37 noho zeho, ingo! hamory reo olon-tianiha aby ze nihaognaniha, reo aby tianiha vo ireo aby halaniha, dra hamory andreo hanohisy aniha amin'gny lafiny aby Zaho. Hapiseho gny farisy mamoafadiniha amin'ereo Zaho. Hapiseho gny farisy mamoafadiniha amin'ereo Zaho so hahitan'ereo gny fitanzahaniha aby. 38 hagnasazy aniha amin'gny fizangazanganiha vo gny fandasahan-dio Zaho, sady handay reo lion'gny hahoriako vo gny fahasarotam-piaroko eo aminiha. 39 Hatolosiko eo an-tagnan'ereo hanao so hanzeran'ereo gny efitragno aboniha vo handrodagnan'ereo gny toera aboniha dra hangala gny akazoniha vo hangaka reo firavakiniha aby ereo. Ho engan'ereo mitanzaky vo miborida hanao. 40 Bokeo dra handay vahoaky hanohisy aniha sady hitoraky aniha amin'gny vato Zaho, dra ho tebitebib'ereo amin'gny mesan'ereo hanao. 41 Hagnoro gny tragnoniha ereo sady hapitombo reo saziniha eo amason'ireo apela maro, fa hamara gny fivarotam-bataniha Zaho, dra sy handoa vola amin'ireo olon-tianiha sasy hanao. 42 Bokeo dra hapitony gny hahoriako aminiha Zaho; hiala aminiha gny hahoriako, akory ho afa-po Zaho, dra sy ho ory sasy. 43 Akory sy nahasiaro reo andron'gny fahatanoraniha hanao vo napiozongozo Anahy tamin'gny hahoria noho reo raha aby reo, noho zeho, ingo! Zaho mihisy gny hapizoso gny sazy noho ze vitaniha ho eo amin'gny lohaniha --- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh. Sa sy napianiha fivarota-bata ra reo fapihara maharikoriko hafa aby? 44 Ingo! Ze iaby mizka ohabola mahakasiky aniha dra hizaka ho: "Manahaky gny reniny avo, dra manahaky anizeho koa gny zanakapelany." 45 Zanakapelan'gny reniniha, ze nalay gny valiny vo gny zanany hanao, vo rahavavin'ireo rahavaviniha ze nalay reo valiny vo reo zanak'ereo. Hetita gny reniniha, vo Amorita gny raniha. 46 Gny zokiniha vavimatoa dra Samaria vo reo zanakapelanu dra reo ze mitoboky agny avarasy, no ako dra mitoboky agny asimoniha gny rahavaviniha faravaviniha, zeho ho, Sodoma vo reo zanakapelany. 47 Hanao dra sy nandeha tamin'gny lalan'ereo sady nangalaky manahaky gny fitondran-tegnan'erei vo gny fahin'ereo avo, fa rasy tamin'gny fombaniha aby noho ereo hanao. 48 No bo velo koa Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh--- Sodoma rahavaviniha vo reo zanakapelany, dra sy nanao rasy maro manahaky aniha vo ze vitan'ireo zanakapelaniha. 49 Ingo! Zeho gny fahotan'i Sodoma rahavaviniha: Niavognavo tamin'gny fahamaroan-kaniny, tamin'gny sy fitandrema vi sy firaharahia mahakasin'gny raha lahibe izy. Sy nagnapy reo mahantra vo reo olo mila fagnapia izy. 50 Niavognavo vo nanao asa vetaveta teo agnatrehako izy, dra nalako araky gny hitandrareo ereo. 51 Samaria dra sy nanao gny ansasaky gny fahotaniha aby; hanao koa nanao raha vetaveta maro be noho ze nahin'ereo, dra napiseho hanao fa reo rahavaviniha dra mendriky kokoa noho hanao noho reo raha vetaveta aby ahiniha! 52 Hanao manoka, gny mapiseho gny hegnasiniha; tamon'izeho fomba zeho gny nanehoaniha fa reo rahavaviniha dra mendriky kokoa noho hanai, noho reo fahota ze nahiniha tamin'ireo fomba vetaveta aby reo. Reo rahavaviniha amizao dra ako mendriky noho hanao. Hanao manoka, gny napiseho gny hegnasinao, dra tamin'izeho fomba zeho gny nanehoaniha fa reo rahavaviniha dra mendriky noho hanao. 53 Fa hapihery amin'gny laoniny reo haren'ereo Zaho --- reo haren'i Sodoma vo reo zanakapelany, vo reo haren'i Samaria vo reo zanakapelany; fa reo hareniha koa dra ho eo amin'ereo. 54 Amin'ireo raha reo gny hanehoaniha gny hegnasiniha; ho afa-baraka nohon'gny raha aby vitaniha hanai, vo amin'izeho fomba zeho dra ho fapiegnena ho andreo hanao. 55 Koa i Sodoma rahavaviniha vi reo zanakapelany dra ho ahery amin'gny toetrin'ereo teo aloha, vo i Samaria vo reo zanakapelanu dra ho ahery amin'ireo fanagnany teo aloha. BOkeo hanao vo reo zanakapelaniha ho ahery amin'gny fari-piaignaniha teo aloha. 56 Sodoma rahavavinao dra sy voatondron'gny vavaniha aby tamin'ireo andro nireharehaniha, 57 talohan'gny nagnambara reo harasianiha. Fa androany dra ambenty fahafaham-baraka amin'ireo zanakapelan'i Edoma vo reo zanakapelan'ireo Filistia aby magnodidy anazy hanao. Manao sinosino aniha aby gny vahoaky aby. 58 Haneho gny hegnasiniha vo reo asa vetavetaniha hanao! --- zeho gny fagnamabaran'i Yaveh! 59 Zeho gny zakan'gny Tompo Yaveh: Hifapiraharaha aminiha araky ze magneva aniha Zaho, hanao ze nanao sinosino gny voadiniha tamin'gny fandrava gny faneke. 60 Fa Zaho mihisy gny hapasiahy gny fifanekeko taminiha ze nahy tamin'ireo andron'gny fahatanoraniha, dra hanao faneke sy manam-pahatapera mindray aminiha Zaho. 61 Dra hahasiaro reo fombaniha hanao dra ho megnasy nofa handrambuy reo zokiniha apela vo reo zandriniha apela. Homeko aniha manahaky gny zanakapela ereo, fe sy nohon'gny fanekeniha. 62 Zaho mihisy gny hanao faneke mindray aminiha, dra hahafatasy hanao fa Zaho gny Yaveh. 63 Noho reo raha reo, dra hahasiaro gny raha aby hanao dra ho megnasy, vo sy hanokasy gny vavaniha so hizaka sasy hanao nohon'gny hegnasiniha, nofa nanenga aniha tamin'ireo ze nahiniha aby Zaho--- zeho gny fagnambaran'gny Tompo Yaveh.