Toko faha 15

1 Dra avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao ho: 2 "Ry zanak'olo, ino gny mahasoa gy tahom-boaloboky bebe kokoa noho gny hazo avy misy ransa ze eo amin'ireo hazo ao agn'ala? 3 Sa ra gny olo mangalaky hazo boaky amin'gny tahom-boaloboky so hanaova raha? Na sa ra ereo manao fanantogna boaky ami'izeho so hagnatognan-draha? 4 Ingo! No atpraky agnaty afo kita zeho, vo no nagnoro gny morony ro vo gny eo agnivony gny afo, dra bo soa hanaovan-draha ze zeho? 5 Ingo! nofa tateraky zeho, dra sy afaky hanaova nadre ino ndre ino; azo atoky bokeo fa, nofa nirehisy gny afo, dra sy bo azo hanaova ndre ino ndre ino zeho. 6 Noho zeho gny Tompo YAveh dra mizaka zeho: Sy sahala reo hazo agny agn'ala, fa nagnome gny tahom-boaloboky ho kita ho an'gny afo Zaho; hanao manahaky anizeho koa Zaho amin'ireo ponin'i Jerosalema. 7 Fa hanohisy andreo gny tavako. Ndre dra miboaky boaky ao amin'gny afo aza ereo, dra handevo andreo amin'gny afo ; dra ho fatandrareo fa Zaho gny Yaveh, nofa nanohisy andreo gny tarehiko. 8 Bokeo hahiko agny amin'gny tany foa gny tany akory nanota ereo--- zeho gny fagnambaran'i Yaveh."